2025
Natao ho an’izao androntsika izao
Septambra 2025


“Natao ho an’izao androntsika izao,” Liahona, sept. 2025.

Natao ho an’izao androntsika izao

Telopolo taona taorian’ny nampahafantarana an’izao tontolo izao ilay fanambarana momba ny fianakaviana, dia mbola faminaniana mitombina tsara sy manankery kokoa noho ny hatramin’izay ireo fitsipika masina ao amin’izany.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley miresaka amin’ny mpiangona

Ny Filoha Gordon B. Hinckley mandahateny amin’ny mpiangona tao Santiago, Chili

Tamin’ny 23 septambra 1995, ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia niresaka nandritra ny fivorian’ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana ary nampahafantatra “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.” Ireto manaraka ireto ny sasantsasany tamin’ireo fanamarihana nataony tamin’io fotoana io:

“Inoako fa tokony ho fitahiana ho an’ny ankizy tsirairay izany hoe teraka ao anatin’ny tokantrano iray, ary ao anatin’izany tokantrano izany dia tena irina ilay zaza, voakolokolo, tiana, ary manana ray aman-dreny, ray sy reny, izay miaina amim-pahatokiana eo amin’izy samy izy sy amin’ireo zanany. …

“Arakaraka ny hitaizanareo amim-pitandremana ny zanakareo amin’ny fomban’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, amim-pitiavana sy amim-piandrandrana zavatra tena tsara, no hahazoana antoka kokoa fa hisy fiadanana eo amin’ny fiainan’izy ireo. …

“Nahatsapa izahay fa tokony hampitandrina sy hilaza mialoha manoloana ireo habobo maro izay ambara ho fahamarinana, manoloana ireo famitahana maro mikasika ny fenitra sy ny hasina ijoroana, manoloana ireo fakampanahy sy fitaomana mba hanaiky ny fahalotoana tsikelikely entin’izao tontolo izao. Mba hanatanterahana izany, izahay ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mamoaka fanambarana ankehitriny ho an’ny Fiangonana sy ho an’izao tontolo izao mba ho fanambarana sy ho fanamafisana ireo fenitra sy fotopampianarana ary fomba fanao mifandray amin’ny fianakaviana izay efa nambaran’ireo mpaminany sy mpahita ary mpanambara an’ity fiangonana ity ombieny ombieny nandritra ny tantarany. …

“Mitaona ny rehetra izahay mba hamaky am-pitandremana sy am-pisaintsainana ary am-bavaka ity fanambarana ity. Ny herin’ny firenena iray dia miorim-paka anatin’ireo tokantrano ao aminy. Mamporisika ny olonay izahay na aiza na aiza mba hanamafy orina ny fianakaviany mifanaraka amin’ ireo soatoavina nohajaina hatrizay ireo.”

Fanamarihana

  1. Gordon B. Hinckley, “Stand Strong against the Wiles of the World,” Ensign, Nov. 1995, 99, 100, 101.