2025
Mampiray sy mampifandray ary mamehy ireo ôrdônansin’ny tempoly
Septambra 2025


“Mampiray sy mampifandray ary mamehy ireo ôrdônansin’ny tempoly,” Liahona, sept. 2025.

Fomba fijery ara-tantara momba ny Tranon’ny Tompo

Mampiray sy mampifandray ary mamehy ireo ôrdônansin’ny tempoly

Ny tantaran’ny asa atao any amin’ny tempoly amin’izao andro farany izao dia maneho fientanentanana sy fanambarana andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra hanatanterahana batisa isoloana tena ho an’ny maty.

fanehoana an-tsary batisa iray ao anaty renirano mamanala

Sary nataon’i Dan Burr

Niroboka tao anatin’ny rano mamanalan’ny Reniranon’i Mississippi i Betsy King Duzette. Avy eo dia natao batisa ho an’ny dadatoany sy ny rafozam-baviny ary ny raikelin’ny vadiny ilay mpitondratena mpikambana niova fo 58 taona avy ao Connecticut .

Vao haingana ny Mpaminany Joseph Smith no nampianatra ny Olomasina tamin’ny aogositra 1840 mikasika ny fotopampianaran’ny batisa ho an’ny maty. Tao anatin’ny fientanentanan’izy ireo no nanatanterahany batisa tao amin’ilay renirano, satria tsy mbola vita ny Tempolin’i Nauvoo. Natao batisa ho an’ireo lehilahy ny vehivavy ary ho an’ireo vehivavy ny lehilahy. Vetivety taorian’izay anefa ny Tompo dia nanambara tamin’Joseph Smith fa tsy maintsy atao ao amin’ireo tempoly voatokana ny batisa ho an’ireo razambe efa nodimandry (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:28–35). Ary tamin’ny taona 1845 dia nanambara i Brigham Young fa vehivavy no tokony hatao batisa ho an’ireo vehivavy ary lehilahy ho an’ireo lehilahy.

I Filemona Duzette, izay vadin’i Betsy, dia efa nodimandry enin-taona talohan’izay. Niroboka tamin-kerim-po tao amin’ilay rano mamanala i Betsy mba hatao batisa ho an’ireo havam-badiny efa maty sy ireo havany efa maty. Tafiditra tao anatin’izany ny batisa ho an’ny Jesse Peas, raikelin’i Philemon, izay maty 50 taona talohan’izay fony i Betsy zazavavy kely. Mety tsy mbola nihaona taminy mihitsy izy saingy azo inoana fa nahafantatra azy sy nahafantatra ny anarany ary ny rohim-pihavanany tamin’i Philemon sy i Martha Wing renin’i Philemon. Nahafantatra an’i Martha fony izy mbola velona i Betsy.

Natao batisa isoloana tena ho an’i Jesse i Betsy saika ho teo no ho eo taorian’ireo fanambarana mikasika ny batisa ho an’ny maty. Ary izy sy ny vadiny dia nanome anarana ny iray tamin’ireo zanany hoe Jesse. Ny ray niteraka an’i Philemon, izay Philemon ihany koa ny anarany, dia maty fony izy mbola zaza, ary lasa raikeliny i Jesse Peas rehefa feno telo taona i Philemon ary nanampy an’i Martha nanabe azy.

Zavatra fahita mahazatra tany Amerika tamin’ny taonjato faha-valo ambin’ny folo sy faha-sivy ambin’ny folo ny maha-raikely sy renikely. Ny habetsaky ny taham-pahafatesana sy ny tahan’ny fiverenana nanambady indray dia nahatonga olona maro niaina tao anatina fianakaviana nisy raikely sy renikely na fianakaviana mifangaro nahitana mpiray tampo iray ra na zanaky ny raikely na renikely. Noho izany dia namboarina in-droa ny fifamatorana teo amin’ny fianakaviana Duzette sy Peas: ny voalohany tamin’ny fotoana nanambadian’ny renin’i Philemon an’i Jesse Peas ary ny faharoana dia tamin’ny alalan’ny batisa ho an’ny maty.

sarin’ny dobo fanaovana batisa tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo

Sarin’ny dobo fanaovana batisa tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo voalohany

Fanavotana ireo olon-tiana

Ny batisa amin’ny alalan’ny fisoloana tena dia nampitambatra ireo fifandraisana teto amin’ny fiainana an-tany ireo mba ho lasa maharitra mandrakizay. Araka ny nosoratan’i Joseph Smith, ny batisa ho an’ny maty dia “fifamatorana” izay mamatotra ny velona amin’ny maty, “fa tsy hatao tanteraka isika raha tsy eo izy ireo; tsy hatao tanteraka koa izy ireo raha tsy eo isika.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18).

Nampianatra i Joseph Smith fa raha tsy misy an’io fifamatorana io, dia ho voavely amin’ny ozona ny tany, zavatra izay hamerina ny tany ho toy ny zava-poana, nohariana tsy misy tanjona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:17–18). Niara-tonga tamin’io fanambarana nahakivy io ny fanambarana be voninahitra nataon’i Joseph mikasika ny hery hamatorana ny zanak’ Andriamanitra rehetra ho mandrakizay.

Ankoatra ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy isoloana tena ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana efa nodimandry, dia nanantitrantitra i Joseph fa mahazo tombontsoa avy amin’ny fanaovana izany koa ny velona: “Ary ankehitriny ry rahalahy sy anabavy malala sy ankamamiana tokoa, toky no omeko anareo fa ireo dia fitsipika momba ny maty sy ny velona izay tsy azo hamaivanina, satria mikasika ny famonjena antsika” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana128:15).

Ho an’i Joseph Smith dia tena nahakasika lalina ny tenany ireo fanambarana ireo. I Alvin zokiny lahimatoa dia maty tamin’ny taona 1823, ary tsapan’i Joseph tokoa fa namoy olon-tiana izy teo amin’ny fiainany. Tao anatin’ny fanambarana iray tamin’ny taona 1836 dia nahita fahitana momba ny “fanjakana selestialin’ Andriamanitra sy ny voninahiny,” sy “ny hatsarana manan-tombon’ny vavahady” ary “ny lalana tsara tarehin’ilay fanjakana” i Joseph. Tao anatin’io fahitana lehibe momba ny fanjakana selestialy io dia nahita ireo olona tsirairay tao amin’ny fianakaviana izay fantany sy tiany ihany koa izy, isan’izany i Alvin rahalahiny. Talanjona izy fa i Alvin, izay tsy mbola vita batisa mihitsy, dia mpandova “ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.” (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:1–6.)

Talohan’ny fanorenana izao tontolo izao

Ny fifandraisana misy eo amin’ny velona sy ireo olon-tiana efa nodimandry dia maneho ny maha-goavana ny famonjena ny olombelona, satria ireo izay “maty tsy nahafantatra ny filazantsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana128:5) dia fantatra ary efa nomena talohan’ny nahatongavan’izy ireo teto an-tany ny lalana ho an’ny fanavotana azy ireo. Marina tokoa fa ny batisa ho an’ny maty dia naorina ho an’ny “famonjena [antsika] hatry ny talohan’ny fanorenana izao tontolo izao,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana128:8). Ireo fanambarana momba ny batisa ho an’ny maty dia narahin’ireo fanambarana taty aoriana mikasika ireo ôrdônansin’ny famehezana. Ny famehezana ny zanaka amin’ny ray aman-dreny dia lasa ôrdônansy faratampony izay mampifandrohy ny olona rehetra izay niaina hatrizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:47–48).

Tao anatin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mahafinaritra tamin’ny aprily 2018, ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ny herin’ireo fifandraisana avy amin’ny famehezana ireo:

“Ao anatin’ny fahaizany tsy manam-petra Andriamanitra dia mamehy sy manasitrana ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na dia eo aza ny zava-doza mitranga sy ny fahafatesana ary ny fahasarotana.

“… Amin’ny alalan’ny sorompanavotany, i Jesoa Kristy dia manolotra ireo fitahiana ireo ho an’ny rehetra, na ny maty izany na ny velona.”

Tahaka ny ninoan’i Betsy King Duzette sy nametrahany fitokisana rehefa niroboka tao amin’ny Reniranon’i Mississippi izy ho an’ny rafozany izay raikelin’ny vadiny, isika rehetra koa dia azo ampifandraisina, fehezina, ary ampifamatorana mandrakizay.

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Elizabeth Jane King (1782–1842),” ny mombamomba azy, ny Tetikasam-piarahamonina tao, nauvoo.byu.edu.

  2. Tsy misy daty voafaritra mazava tsara mipaingotra amin’ireo firaketana ireo batisa ireo, fa mety ho nitranga tamin’ny fararanon’ny taona 1840 izy ireo na tamin’ny fiandohan’ny lohataona 1841.

  3. Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 421–22.

  4. Jereo ny Sujets de l’histoire de l’Église, “Baptême pour les morts,” Médiathèque de l’Évangile.

  5. Jereo ny batisa nataon’i Betsy Ducett [Duzette] ho an’ireo havana efa nodimandry, c.1840, ao amin’ny “Nauvoo Baptisms for the Dead in Mississippi River (sept. 1840–nôv. 1841),” sary lah. 76 amin’ny 102, FamilySearch.org. Tamin’ny aogositra 1840 i Joseph Smith no nitory teny voalohany momba ny batisa ho an’ny maty (jereo ny teny nolazain’i Simon Baker ao amin’ny Journal History of The Church of Jesus Christ of Latter-day Saints, 15 aog. 1840, catalog.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa Joseph Smith, “Letter to Quorum of the Twelve, 15 December 1840,” 6, josephsmithpapers.org).

  6. Jereo ny Lisa Wilson, A History of Stepfamilies in Early America (2014), 2–3.

  7. Ilay Famerenana amin’ny laoniny izay niseho tsikelikely dia nanazava tsara taty aoriana fa ilay rohy mampifamatotra dia tsy vitan’ny hoe ahitana ny batisa fotsiny ihany fa ahitana ihany koa ireo ôrdônansin’ny fisoronana manan-danja hafa ihany izay mampifandray ireo taranaka maro (jereo ny D. Todd Christofferson, “Ny herin’ny famehezana,” Liahona, nôv. 2023, 21).

  8. Jereo ny Joseph Smith, “Discourse, 9 April 1842, as Reported by Wilford Woodruff,” 144, josephsmithpapers.org.

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Taranaka mifandray amin’ny alalan’ny fitiavana,” Liahona, mey 2010, 92.

  10. Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 48–49