“Te ho toa anao aho,“ Liahona, sept. 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Te ho toa anao aho.
Nahatsapa tebiteby lehibe aho izay niainga avy amin’ny tahotra hoe tsy ampy fahalalana—mandra-pivavahako.
Sary nataon’i David Malan
Taorian’ny andro sarotra iray heniky ny fahasahiranana vokatry ny fikarakarana zaza kely telo, ny hany tiako natao dia ny hidio sy andeha hatory.
Nisento lalina aho ary nandeha tany an’efitranoko mba hiala sasatra. Tamin’izay no niditra ny zanakay vavy dimy taona ary nampahatsiahy ahy fa anjarany ny manao tafa sy dinika manokana fanao isam-bolana izay natombokay mivady niaraka taminy sy ny zanakay lahy telo taona. Mametraka fanontaniana amin’izy ireo momba ny zavatra tian’izy ireo indrindra sy ny zavatra tian’izy ireo momba ny kilonga na ny fiangonana izahay. Dia hampahatsiahy azy ireo izahay avy eo fa zanak’ Andriamanitra izy ireo ary tianay izy ireo.
Nankafiziko ireo resadresaka ireo, saingy tsy nahatsapa ho vononaara-batana na ara-tsaina tamin’izany aho. Nanomboka niteny tamin’ny zanako vavy aho fa hifampiresaka izahay ny ampitso alina, saingy tsapako fa tena nanan-danja taminy ny resakay.
“Eny ary,” hoy aho tao anatin’ny harerahana, “andao haka an’i Dada.”
Nipetraka teo am-padriana izahay telo ary nanomboka ny resadresakay. Rehefa nandao ilay efitrano nandritra ny fotoana fohy ny vadiko dia nanontany ny zanakay vavy aho hoe: “Inona no tianao atao rehefa lehibe ianao?”
Tsy nanampo ny valinteniny aho hoe: “Te ho tahaka anao.”
Nirotsaka ny ranomasoko ary heniky ny fihetseham-po ny foko. Voakasika tamin’ny fomba nahitan’ny zanako vavy ahy aho, saingy nahatsapa tebiteby lehibe aho izay niainga avy amin’ny tahotra hoe tsy ampy fahalalana. Nieritreritra ireo antony rehetra tsy nanaovako ho maodely ho tahafin’ireo zanako aho, ary fantatro tsara ny fahalemeko.
Taty aoriana tamin’io alina io rehefa nivavaka aho dia nangataka tamin-kafanam-po ny Ray any An-danitra mba hanampy ahy ho tonga ohatra tsaratsara kokoa ho an’ny zanako vavy sy ho mendrika kokoa ny fitalanjonany. Tampoka teo dia nisy fihetseham-po feno fampiononana sy fanantenana ary fitiavana nandrakotra ahy. Lasa fantatro ny fankasitrahan’ny Raiko any An-danitra sy ny Mpamonjy ahy ny amin’ny maha-reny izay niezaka ny ho lasa tsaratsara kokoa ahy. Nanaiky ny ezaka nataoko izy ireo ary teo mba hanampy ahy ho lasa reny sy zanakavavy izay hitan’izy ireo ato amiko.
Fantatro amin’ny foko manontolo fa mahafantatra sy tia antsika Andriamanitra ary amin’ny alalan’ny “hery manafaky ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” dia afaka ny ho lasa ilay olona antenaintsika hahatongavana isika.