“Efa saika nosimbain’ny COVID ny nofinofiny handray anjara tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely,” Liahona, sept. 2025.
Efa saika nosimbain’ny COVID ny nofinofiny handray anjara tamin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely
Nampianatra lesona lalina ny fihibohana: Fitiavana tahaka ny an’i Kristy ho an’izay manirery.
Tamin’ny fararanon’ny taona 2024, fotoana fohy taorian’ny niantsoana azy ho mpanoro hevitra eo anivon’ny rafitra ao amin’ny Vondromparitra Eorôpa Afovoany, dia nanao dia nihoatra ny 8.047 km avy tany an-tranony tany Pamplona, Espagne i Laura Echarri Hermoso mba hihira amin’ny maha-vahiny nasaina azy tao amin’ny Amboarampeon’ny Tabernakely tao Temple Square.
Vao tonga telo andro monja tany Salt Lake City, Utah, Etazonia izy, dia voatily ho tratran’ny COVID-19 ka dia nanao fihibohana. Toa tsy ho tanteraka ilay fahafahana nomena azy mba hihira tao amin’ny amboaram-peo mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany manaraka.
Nandohalika sy nivavaka izy tao anatin’ny fanirery sy ny fitokana-monina tao amin’ny efitranon’ny hotely nisy azy. Nanantena ny ho sitrana izy. Naniry mafy mba ho afaka hihira izy. Mbola nino hatrany izy.
Herintaona talohan’izay
Tao anatin’ny fotoan-tsarotra namoizana aina rehefa voaporofo fa tsy nahomby ny fitsaboana hahafahana miteraka ary tratran’ny Alzheimer ny reniny, dia tsy nanam-paniriana ny hihira tahaka ny taloha intsony Rahavavy Echarri. Sarotra izany satria ampahany nanan-danja teo amin’ny fiainany foana ny hira hatrizay. “Zavatra tena nanan-danja tamiko foana izany hatramin’ny naha-zazavavy kely ahy,” hoy izy.
Rahavavy Echarri (eo ankavia) miaraka amin’i María reniny.
Teo am-pivavahana dia nisy eritreritra tonga tao aminy hoe nila nihara-nihira tamin’ny olona maromaro kokoa izy. Herinandro taorian’izay dia nantsoin’ny manampahefana iray ato amin’ny Fiangonana izay nanao tafa sy dinika taminy izy. “Niresaka momba ny tetikasa iray momba ny hira izay natomboky ny Fiangonana izy ary nilaza fa nitady mpihira izy ireo,” hoy Rahavavy Echarri.
Tsy nolazainy ny tena tanjon’ilay izy manokana, fa taorian’ny fanaovana tafa sy dinika faharoa dia nampahafantatra ilay manampahefana fa nila mpihira mpivahiny tamin’ilay Fandaharan’asa ho an’ny mpandray anjara manera-tany ao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely ny Fiangonana mba hihira amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.
“Dia nanomboka nitomany aho satria tsy fantatro izay zavatra hitranga, kanefa tsapako fa teo ny Tompo ary nahafantatra ahy Izy, ary zavatra tsy mbola nampoiziko hitranga mihitsy izany,” hoy izy.
Ny lalana nankany amin’ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany
Savaranonando fotsiny ilay tafa sy dinika ary narahin’ny tafa sy dinika faharoa niarahana tamin’ireo olona hafa. Tsy maintsy nandray ny feo ny tenany mihira ihany koa Rahavavy Echarri ary nandefa raki-peo maromaro. Taorian’izay dia nanao tafa sy dinika farany an-jotra niarahana tamin’i Ryan Murphy izay mpiara-miasa mpitarika hira ao amin’ny Amboaram-peon’ny Tabernakely izy. “Nitebiteby mafy aho,” hoy izy.
Nony farany dia voafidy niaraka tamin’ny olona 13 hafa maneran-tany izy mba hihira mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ary tamin’ny septambra 2024, dia nandeha fiaramanidina nankany Etazonia izy. Taorian’ny fahatongavany dia voatily ho voan’ny COVID-19 izy ary nanomboka tamin’izay ny fihibohany.
Nampianatra lesona lalina ny fitokana-monina samirery lavitra ny trano fonenana: Hanome azy fampiononana tao anatin’ny fotoana naha-faran’izay irery azy ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 14:26–27). “Nataoko fa tsy ho afaka hanao ilay izy mihitsy aho,” hoy izy. “Tena kivy tokoa aho,” saingy nanam-pinoana aho. Sady mbola tsy salama koa aho tamin’izay. Isan’ireo tanjoko voalohany ankehitriny ny mitady ireo izay mety mahatsapa ho irery ary mankahery azy ireo.”
Rehefa avy nitoka-monina valo andro dia sitrana izy ary niverina tamin’ny laoniny ny feony, dia nanao fanazaran-tena niaraka tamin’ny amboaram-peo izy. Nanambatra ny feony tamin’ny an’olona an-jatony teo amin’ny lampihazo tao amin’ny Ivon-toeran’ny Fihaonamben’ny Fiangonana izy ary nihira nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2024.
“Velona Andriamanitra. Mahafantatra antsika Izy, ny tsirairay avy amintsika, hoy izy. “Manasitrana ny hira, manana hery manasitrana, ary mila mameno ny fiainantsika amin’ny hira isika. Tena manan-danja izany. Tsapako fa zavatra iray izay ezahin’ny Tompo lazaina amiko izany hoe: Fenoy mozika ny fiainanao.”