2025
Aiza ireo fitahiana nampanantenaina ahy avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena?
Septambra 2025


“Aiza ireo fitahiana nampanantenaina ahy avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena?,” Liahona, sept. 2025.

Aiza ireo fitahiana nampanantenaina ahy avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena?

Matetika ny Ray any An-danitra no manome fitahiana “lehibe saingy misoko mangina” fa tsy fahagagana avy hatrany rehefa mandoa ny fahafolonkarenantsika isika.

sary maneho olona iray mampiditra fahafolonkarena ao anaty valopy

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Naminany i Malakia fa raha manome ny fahafolonkarenantsika ho an’ Andriamanitra isika dia hanokatra ny varavaran’ny lanitra Izy ary handrotsaka fitahiana “manana amby ampy” (Malakia 3:10).

Miaraka amin’izany fampanantenana izany dia matetika isika no maheno tantara momba ireo fitahiana mahagaga sy tonga eo no ho eo izay tonga teo amin’ireo izay nanaja ny didy mba handoa ny fahafolonkarenany. Kanefa inona no mitranga raha toa ka tsy mandray fitahiana mitovy amin’izany isika ao anatin’ny fotoana tena ilantsika fanampiana mafy eo amin’ny lafiny ara-nofo? Mety hahakivy ny tsy fahitana fitahiana toy izany mitranga eo amin’ny fiainantsika manokana. Mety hanontany mihitsy aza isika hoe: “Tsy mba voatahy ve aho?”

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia mampahatsiahy antsika fa “mivoha amin’ny fomba maro ny varavaran’ny lanitra. Ny sasany ara-nofo, fa maro kosa no ara-panahy. Ny sasany dia manjavozavo ary mora hadinoina. Matokia ny fotoanan’ny Tompo; tsy maintsy tonga ny fitahiana.”

Ireo fampianarana avy amin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia afaka manampy antsika ihany koa hahita fa ireo fitahiana azontsika dia afaka ny ho tonga amin’ny fomba maro izay mety tsy ho eritreretintsika. Hoy izy: “Ny sasany amin’ireo fitahiana samihafa azontsika rehefa mankatò izany didy [ny lalàn’ny fahafolonkarena] izany isika dia lehibe saingy misoko mangina. Ny fitahiana toy izany dia tsy ho tsikaritra raha tsy maneho fitandremana sy fandinihana ara-panahy isika (jereo ny 1 Korintiana 2:14).”

Ny fitadiavana sy ny famantarana ireo fitahiana manan-danja nefa misoko mangina avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena feno dia afaka manampy antsika hahatakatra fa Andriamanitra dia mahafantatra antsika ary mitahy antsika.

Fitahiana manan-danja saingy misoko mangina

Tsy mitovy amin’ny antsika foana ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Isaia 55:8–9). Noho izany dia mety tsy ho tonga eo amintsika foana amin’ny fomba izay iriantsika na antenaintsika ireo fitahian’ Andriamanitra. Ohatra, ny Loholona Bednar dia nanome ohatra vitsivitsy amin’ireo fitahiana tsy ampoizina izay mety ho azo avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena: “Mety mangataka amin’ Andriamanitra mba hanome antsika fahombiazana isika indraindray, kanefa tanjaka ara-batana sy ara-tsaina no omeny. Mety mitalaho mba handroso harena isika nefa fomba fijery mivelatra sy fananana faharetana bebe kokoa no azontsika, na mety mangataka fivoarana isika nefa omena fanomezana dia ny fahasoavana. Mety omeny finoana mafy orina sy fahatokian-tena isika rehefa miezaka manatanteraka tanjona tsara. Ary rehefa mangataka fanamaivanana ireo olana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahy isika dia mety hampitomboany ny tsy fihambahambantsika sy ny faharetantsika.”

Nilaza ihany koa ny Loholona Bednar fa indraindray “ilay fitahiana azontsika avy amin’ny varavaran’ny lanitra dia mety hoe, fahaizana bebe kokoa manova ny toe-javatra iainantsika manokana fa tsy fanantenana ny mba hanovan’ny olona iray na zavatra iray hafa ny toe-javatra iainantsika.” Jereo ohatra ny zavatra tsapan’ireo mpivady avy ao Argentine ao amin’ilay tantaran’izy ireo mitondra ny lohateny hoe “Pourquoi continuez-vous de payer la dîme? [Fa nahoana ianareo no mbola mandoa fahafolonkarena foana?” (Liahona, Mar. 2013, 37).

Ny fotoanan’ Andriamanitra

Afaka mianatra matoky ihany koa isika fa tonga amin’ny fotoanan’ Andriamanitra sy amin’ny fombany manokana ireo fitahiana.

Hoy ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy: “Rehefa mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena isika dia … tsy tokony homentsika fe-potoana hanomezana fitahiana ny Tompo. Ny olona sasany dia manana fironana hiandrandra ireo fitahiana ara-nofo ho tonga amin’ny fotoana iray izay vinavinain’izy ireo. Toy izany no mahatonga ny ankamaroan’ny olona lasa tsy matoky ny fampanantenany intsony. Mahatoky izy ireo any am-piandohana saingy avy eo dia tsy mankatò intsony afaka fotoana vitsivitsy rehefa tsy tanteraka ny zavatra nandrasan’izy ireo. Mila miaiky isika fa ny zava-drehetra dia atao araka ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoanany fa tsy araka ny antsika.”

Ny fahatakarana fa tsy mitovy amin’ny antsika ny fotoanan’ Andriamanitra dia afaka manampy antsika hahafantatra kokoa fa tsy midika akory hoe tsy notahiana isika satria tsy nisy fahagagana nitranga teo no ho eo teo amintsika.

Ny fahendren’ Andriamanitra

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Nisy olona iray nilaza fa ny fiainana dia ny zavatra mitranga amintsika eo am-panaovantsika ireo drafitra hafa. Noho ireo zavatra izay tsy voafehintsika dia tsy afaka manao drafitra isika ary manao izay hitrangan’ny zavatra rehetra irintsika eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo zavatra manan-danja hitranga eo amin’ny fiainantsika izay tsy nomanintsika, ary tsy votery hahafaly avokoa izy rehetra.”

Eto amin’ity diantsika eto an-tany ity, na dia ireo izay mankatò ny lalàn’ny fahafolonkarena aza dia mety hiaina ireo fahasahiranana ara-bola noho ny tsy fananan’asa, na ny voina tampoka, ny tsy fahaiza-mitantana ara-bola, na ny karama tsy misondrotra mihitsy. Ny fahafantarana hoe afaka mifehy izany Andriamanitra dia afaka manampy antsika hitombo finoana sy faharetana rehefa mikatsaka ireo fitahiana manan-danja saingy misoko mangina avy amin’ny fahafolonkarena isika. Mety hoe raha ny marina dia fitahiana izay hanampy antsika hivoatra amin’ny alalan’ny fitsapana mihitsy aza ny sasany amin’ireo zava-tsarotra ireo.

Indray mandeha ny Loholona Hugh B. Brown tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo (1883–1975) dia nizara lesona toy izany izay nianarany teo am-pandrantsanana groseiller tao amin’ny toeram-pambolena iray tao Kanadà.

Raha teo am-panadiovana sy teo am-pikarakarana ny tanànany izy dia nahita groseiller izay nandrobona be efa ho 2 metatra ny hahavony kanefa tsy nisy voany. Noho izany dia norantsanana tanteraka izany ary foto-kazo kely miendrika vongan-dranomaso sisa no navelany teo. Toy ireny hoe nitomany ireny ny fahitana ilay groseiller, ary nihevitra ny Loholona Brown fa henony ilay hazo niteny hoe:

“Dia vitanao ve ny nanao izao tamiko? “Efa nandrobona be ery aho. … Izao anefa dia norantsananao tanteraka aho. … Nataoko fa hoe ianao no mpikarakara ity tanimboly ity.”

Namaly toy izao ny Loholona Brown hoe: “Jereo, ry groseiller kely, izaho tokoa no mpikarakara eto, ary fantatro hoe tiako ho tonga toy ny ahoana ianao. Raha avelako handeha amin’ny lalana tianao haleha ianao dia tsy hahavanona na inona na inona. Kanefa indray andro any, rehefa ho feno voa mirozaroza ianao, dia hiova hevitra indray ary hiteny hoe: -Misaotra anao Andriamatoa Mpikarakara zaridaina nandrantsana ahy tanteraka sy nitia ahy tokoa ka nandratra ahy.-”

Rehefa sahirana ara-bola isika kanefa tsy mahita ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena, dia mety hanontany an’ Andriamanitra amin-dranomaso toy izany koa hoe: “Dia vitanao ve ny nanao izao tamiko? Manao izay rehetra nasainao nataoko aho. Izao anefa dia nataonao kivy aho.”

Amin’ny fotoana tahaka ireny dia afaka maka fotoana kely isika hieritreretana raha toa ka hitondra marina tokoa fitahiana lehibe ho antsika avy amin’ireo lesona ianarantsika mandritra ny fiainantsika ireo fitsapana iainantsika. Afaka mianatra matoky feno kokoa ny Mpikarakara ny tanimboly sy ireo fitahiana nomaniny ho antsika isika rehefa mijanona eo akaikiny hatrany.

Fanantenana sy vavaka tsy mitsahatra

Ireo fitahiana misoko mangina nefa manan-danja omen’ Andriamanitra antsika avy amin’ny fandoavana fahafolonkarena dia afaka manampy antsika handresy ireo zava-tsarotra maro eto amin’izao tontolo izao. Ny Raintsika any An-danitra dia hanamboatra araka ny tokony ho izy ireo fitahiana ireo mba hanampiana antsika hivoatra sy ho tonga tahaka Azy kokoa. Rehefa mampihatra finoana isika amin’ny famantarana sy ny fanekena ireo fitahiana rehetra izay tonga dia afaka mahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’i Malakia.

Rehefa miteraka fisalasalana sy hakiviana ny fahasahiranana ara-bola, raha mametra-panontaniana amin-dranomaso isika raha toa ka voatahy, dia aza kivy! Ho solon’izany kosa dia afaka mivavaka isika mba hahitantsika ireo fitahiana misoko mangina sy manan-danja nomen’ny Tompo antsika sy hino ny drafitra nomanin’ny Ray any An-danitra ho antsika.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Andersen hoe: “Mampanantena anareo aho fa rehefa matoky ny Tompo ianareo dia ho avy ny fitahian’ny lanitra.”