“Nanome fiadananaahy Andriamanitra,” Liahona, sept. 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Nanome fiadanana ahy Andriamanitra
Ny fifandraisana nananako tamin’ny Ray any An-danitra dia nanampy ahy namakivaky fotoan-tsarotra iray.
Rehefa niomana ny hihira nandritra ny fivoriana fanokanana ny Tempolin’i Concepción Chili izahay tamin’ny 2018, dia nanana tanjona mitovy avokoa ireo mpikambana rehetra tao amin’ny amboarampeon’ny tanora notarihiko nanao hoe: ataovy ny asa ara-mozika sy ara-panahy ilaina mba hanomezana an’ Andriamanitra ny fanatitsika tsara indrindra.
Niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny amboarampeo, avy amin’ny tsatòka roa tao amin’ny tanànan’i Chillán, dia nanokana ny tenako ho madio araka izay azoko natao aho. Tiako ho taratra eo amin’ny fiainako ny hazavan’i Kristy. Tiako ho tonga lafatra araka izay azo atao ny fanatitra nomenay an’ Andriamanitra tao amin’ny tranony masina. Fantatro fa raha manao ny anjaranay izahay dia hanampy anay ny Ray any An-danitra, ary hihira tahaka izay tiany hihiranay izahay.
Nandritra ny fanokanana dia nihira tamin’ny feonay sy ny fonay izahay. Mieritreritra aho fa nihira niaraka taminay ireo anjely. Tonga lafatra ny feon’ny amboarampeo. Nahatsapa izahay fa niaraka taminay ny fahasoavan’ Andriamanitra ary faly tamin’ny ny fanatitra nataonay Izy. Nijanona tato amiko nandritra ny fotoana ela izany fahatsapana izany.
Taorian’ny fanokanana ny tempoly dia nahatsapa ho voakolokolo ara-panahy sy niaraka tamin’ny Ray any An-danitra aho. Nahatsapa fifandraisana mafy kokoa Taminy mihoatra noho izay efa niainako aho. Tena natanjaka tokoa izany fifandraisana izany ka nahatsapa ho voatarika ara-panahy aho tamin’ny zavatra tokony lazaina rehefa nivavaka (jereo ny 3 Nefia 19:24).
Tamin’ny fotoanan’ny fanokanana ny tempoly dia nitondra vohoka dimy herinandro aho. Volana vitsy taty aoriana dia afa-jaza aho. Fotoana tena ratsy izany. Nalahelo mafy aho, indrindra rehefa nahafantatra fa mety tsy ho afaka ny hanan-janaka intsony aho.
Saingy izany fotoan-tsarotra izany dia nitranga tamin’ny fotoana iray izay nahatsapako tanjaka ara-panahy indrindra. Takatro fa nomanina ho amin’ity fotoana ity aho tamin’ny alalan’ny fanatitra izay natolotray tany amin’ny tempoly. Ny tanjaka ara-panahy niainako dia nanampy ahy handresy io fitsapana io satria niaraka tamiko ny Ray any An-danitra ary nanome fiadanana ahy.
Fotoana fohy taty aoriana dia nitahy ahy sy ny vadiko tamin’ny fahagagana Andriamanitra. Faly izahay rehefa nahazo anabavy kely, Daniela, i Arturo zanakay lahy.
Tsy ho afaka namakivaky izany traikefa izany aho raha tsy nisy ny fifandraisana akaiky nananako tamin’ny Ray any An-danitra. Fantatro fa hilamina ny zava-drehetra ary hifanaraka amin’ny sitrapony. Ny fahatsiarovana ireo zavatra ireo dia mbola mameno fifaliana sy fankasitrahana ny foko.