“Nitarika ahy hody ny Tompo,” Liahona, sept. 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Nitarika ahy nody ny Tompo
Rehefa nanaraka bitsiky ny fanahy iray aho mba hiverina any Bolivie dia nitarika ahy ho any amin’ireo fitahian’ny fianakaviana mandrakizay ny Tompo.
Sary nataon’i David Malan
Raha teo am-panaovana diplaoma doctorat sy fampianarana mozika tany Etazonia aho dia niezaka ny hiaina ny filazantsara sy hahatsapa ny fitaoman’ Andriamanitra teo amin’ny fiainako. Lavitra ny tany niaviako aho ary indraindray nahatsapa ho irery, saingy nahatsapa ny fitiavany sy ny feony nitarika ny fanapahan-kevitro aho.
Indray andro dia tonga ilay fahatsapana fa tokony hiverina any amin’ny firenena niaviako any Bolivie aho. Fanapahan-kevitra tsy nohamaivaniko ny fiverenana. Nandeha tsara ny zava-drehetra. Saingy rehefa avy nivavaka aho dia nahatsapa mafy fa tokony hiverina satria nisy zavatra manan-danja niandry ahy.
Taorian’ny niverenako, dia nisokatra ny fandaharam-pianarana licence momba ny mozika tao amin’ny iray amin’ireo oniversite ambony ao Bolivie, izay nahitako asa ho profesora.
Vetivety aho dia nihaona tamin’ny zatovovavy iray izay tsy mbola hitako hatrizay tao amin’ny paroasy niaviako. Niova fo ho ao amin’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny fony aho niomana ny hiala ho any Etazonia taona maro talohan’izay. Nanomboka fifankafantarana izahay ary nivady, izay fitahiana lehibe teo amin’ny fiainako.
Roa taona lasa izay dia voamarina fa voan’ny homamiadana ny renibeko. Tena nifanakaiky izahay. Fony aho mbola kely dia nilaza tamiko izy hoe: “Hiaraka amiko foana ianao, ary fantatro fa hikarakara ahy ianao.”
Satria aho niverina nody dia teo aho tamin’ny fotoana nilany ahy, nandany fotoana niaraka taminy isan’andro nandritra ireo volana farany niainany. Tsy niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy talohan’ny nahafatesany, fa tia ny gazetiboky Liahona sy ny Bokin’i Môrmôna ary ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izy. “Mino izany rehetra izany aho,” hoy izy.
Taty aoriana dia voatahy aho tao amin’ny Tempolin’i Cochabamba Bolivie niaraka tamin’ny ray aman-dreniko rehefa nofehezina tamin’ny vadiny izay maty tanora ny renibeko. Tsy mba niverina nanambady mihitsy izy. Nahatsapa aho fa tao amin’ny tempoly niaraka taminay izy ireo, faly sy tafaray indray. Ny fahitana ny ray aman-dreniko ao amin’ny efitrano famehezana mijoro misolo tena azy ireo dia kanto tokoa.
Tsy fantatsika hoe ahoana ny ho fizotry ny fiainantsika, saingy fantatry ny Tompo ny toerana tokony hisy antsika. Fantany ihany koa ny fomba hitahiana antsika, ary hitarika antsika hanao asa eo amin’ny toerany Izy mba hitahiana ny hafa. Raha mitoky amin’ny fahendreny sy ny fitarihany isika dia fantatro fa afaka manao zavatra bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika mihoatra noho izay azontsika atao samirery Izy.