2025
Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy: Fampianaran’ny Apôstôly momba ny fianakaviana
Septambra 2025


“Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy: Fampianaran’ny Apôstôly momba ny fianakaviana,” Liahona, sept. 2025.

Araka ny nanaovan’ Andriamanitra azy: Fampianaran’ny Apôstôly momba ny fianakaviana

Amin’ny maha-zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika dia isan’ny fianakavian’ Andriamanitra avokoa isika rehetra, izay maodely arahan’ny fianakaviantsika eto an-tany.

Sary ôfisialin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’ny 2018

“Ny Tompo dia nanao ny fianakaviana ho rafitra fototry ny Fiangonana sy ny fiarahamonina.” Ny fianakaviana dia mety ahitana mpivady manan-janaka, ary afaka ny ho olona tokan-tena ihany koa izany, na ray na reny tokan-tena manan-janaka, na mpivady tsy manan-janaka koa izy ireo. Ary indraindray dia mety ahitana havana hafa ao amin’ireo fianakaviana ireo. Na manambady isika na tsia, na manao ahoana na manao ahoana ny toe-javatra iainantsika manokana, dia ao anatin’ny fianakavian’ Andriamanitra ny tsirairay avy amintsika, samy ao anatina fianakaviana ety an-tany isika, ary samy miomana ny ho lasa ray aman-dreny mandrakizay.

Nandritra ny arivo taona dia nanambara ny fahamasinan’ny fianakaviana ireo mpaminany sy apôstôly ary nampitandrina ny amin’ireo loza hianjady amin’ny isam-batan’olona sy ny firenena ary izao tontolo izao raha toa ka tsy voatandrina sy voaro ny fianakaviana. Ireto misy teny vitsivitsy nentanim-panahy avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly mahakasika ny fianakaviana sy ny maha-zava-dehibe ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao.”