“Tahiana amin’ny alalan’ny fahefana sy herin’ny fisoronana,” Liahona, sept. 2025.
Voatahy amin’ny alalan’ny Fahefana sy Herin’ny Fisoronana
Mampiasa ny herin’ Andriamanitra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa ato am-piangonana, any an-tokantrano ary manerana izao tontolo izao ireo mpikamban’ny Fiangonana.
Ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’izao tontolo izao dia ny hoe ny fisoronana masin’ Andriamanitra dia tena ilaina amin’ny fanatanterahana ny asa famonjeny sy ny fisandratany, hoe naveriny tamin’ny laoniny teto an-tany ny fisoronana ho amin’izany tanjona izany, ary hoe Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no mitantana izany.
Ny ilàna ny Fahefana sy herin’ny fisoronana
I Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana. Ny Fiangonana no fitaovana noforoniny mba hanatanterahana ny asa manan-danjan’ny fanavotana ny olombelona amin’ity fotoampitantanan’ny filazantsara farany ity toy ny tamin’ny fotoampitantanana izay niainany teto an-tany. Amin’ny alalan’ny Fiangonana dia:
-
Afaka mitory ny filazantsarany manerana izao tontolo izao Izy.
-
Afaka manolotra batisa sy ireo fanekempihavanana hafa rehetra Izy, eny fa na dia ny lalan’ny fanekempihavanana mankany amin’ny fanjakany selestialiny aza.
-
Afaka mampiray ny fianakaviana ho mandrakizay Izy.
-
Afaka manolotra ireo fanomezam-pahasoavan’ny famonjena Izy, eny fa na dia ho an’ireo izay efa maty tsy nisy azy ireo aza.
-
Afaka manome ireo zavatra ara-batana ilain’ireo zanak’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao Izy.
Mba hanatanterahana ireo tanjona lehibe ireo, ary mba hiomanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy dia mila ny fitarihan’ Andriamanitra tsy tapaka sy ny fahefany ary ny heriny ny Fiangonana. Ity Fiangonana ity no “fiangonana marina sady velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30) satria notafian’i Kristy amin’ny fitarihany sy ny heriny amin’ny alalan’ny fisoronany izany, “ny Fisoronana Masina, araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3).
Saingy raha tsy teo io fisoronana masina io, dia ho rafitra lahika ny Fiangonana, manao asa soa eto amin’izao tontolo izao kanefa tsy manana hery hanatratrarana ilay tanjona faratampony amin’ny fanomanana ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra ho amin’ny fifalian’ny fiainana mandrakizay eo anatrehany. Miaraka amin’io fisoronana io sy ireo fanalahidy hitarihana ny asan’izany fisoronana izany dia sady misy fahefana no misy lamina ao amin’ny Fiangonana.
“Ao amin’ny Fiangonana, ny fahefan’ny fisoronana rehetra dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.
“Ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana dia mandray ny fahefan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanomezana fisoronana sy ny fanendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia afaka mampiasa fahefana nozaraina rehefa atokana na voatendry hanampy eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.”
Amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana dia hanjaka mandrakariva ireo laharam-pahamehan’ny Tompo. Tsy misy na iza na iza afaka manohana ny hevitry ny tenany manokana izay tsy mifanaraka amin’ny fitarihany. Tsy misy na iza na iza afaka mahomby ao amin’ny komiberaky ny mpisorona, ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana sy ny fanarahana ny tena manokana.
Ny fisoronana ihany koa dia manana anjara asa tena manan-danja ao an-tokantranon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ny Filoha Dallin H. Oaks Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidina voalohany dia nampianatra hoe: “Ilay fitsipika hoe ny fahefan’ny fisoronana dia tsy azo ampiasaina raha tsy eo ambany fitarihan’ilay olona mihazona ny fanalahidy ho an’izany anjara andraikitra izany dia fitsipika fototra ao amin’ny Fiangonana, saingy tsy mihatra ao amin’ny fianakaviana izany.” Ireo raim-pianakaviana no miahy sy mampiasa ny fisoronana ao amin’ny fianakaviany—monoro-hevitra, manao ny fivoriam-pianakaviana, manome tsodranon’ny fisoronana na fametraha-tanana ho fanasitranana ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana na ny hafa, sy ny sisa—tsy mila ny fitarihana na ny fahazoan-dalana avy amin’ny olona iray izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.
“Izany fitsipika izany ihany no mihatra rehefa tsy misy raim-pianakaviana ary renim-pianakaviana no loham-pianakaviana. Miahy ny ao an-tokantranony izy ary fitaovana mitondra ny hery sy ny fitahian’ny fisoronana ao amin’ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fanafiana masina azony sy ny famehezana tany amin’ny tempoly.”
Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fisoronana amin’izao androntsika izao
15 mey 1829
Ny famerenana amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana amin’ity fotoampitantanana farany ity dia mitohy araka ny filaharana sy fivoarana tsikelikely. Nandritra ny fandikana ny soratra masina fototra, ny Bokin’i Môrmôna, ho an’ny fotoampitantanana misy antsika, dia nanomboka nametraka ny lamin’ny fisoronana tamin’ny toerany ny Tompo. Ho valin’ny fanontaniana nombam-bavak’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery momba ny batisa, dia niseho sy nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa nitsangana tamin’ny maty, izay fisoronana “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1). Niaraka tamin’izany fahefana izany dia nifanao batisa i Joseph sy i Oliver ary ny hafa taty aoriana rehefa voaorina ara-dalàna ny Fiangonana.
Fotoana fohy taorian’ny 15 mey 1829
Fotoana fohy taorian’ny nisehoan’i Jaona Mpanao Batisa dia niseho ireo Apôstôly fahiny, i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, ka nanome ny fisoronana ambony kokoa, na ny fisoronana Melkizedeka, anisan’izany ny “fanalahidin’ny fanjakako sy ny fotoampitantanan’ny filazantsara ho an’ny … fahafenoan’ny fotoana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:13; jereo koa ny 128:20).
3 aprily 1836
Tonga avy eo ny fahefan’ny fisoronana fanampiny nilaina rehefa niseho tamin’i Joseph sy i Oliver tao amin’ny Tempolin’i Kirtland ireo mpaminany telo fahiny, i Mosesy, i Elia ary i Elià, ary nanolotra azy ireo ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny asa izay mifandray amin’ny tempolin’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).
Fahavaratra 1829–aprily 1835
Ireo fanambarana izay voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ankehitriny dia nanome torolalana an’i Joseph Smith mikasika ny fanendrena olona ho amin’ny anjara fanompoana ambony kokoa (Melkizedeka) sy ny fiomanana (Aharôna); ny fanendrena ireo mpiandraikitra ao amin’ny fisoronana, toy ny eveka; ary ny fananganana ny kôlejy sy ny filankevitry ny fisoronana.
1835–1973
Ny fitarihana avy amin’ny mpaminany dia manohy mitarika ny rafitry ny fisoronana sy ny anjara asany ao amin’ny Fiangonana. Ohatra, ireo kôlejin’ny Fitopololahy dia natsangana tamin’ny vanim-potoana naha-tao Kirtland mba hanampy ny Kôlejin’ny Roambinifololahy. Taorian’ny fifindra-monina lehibe nankany Andrefana sy ny fielezan’ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana ireo faritra ara-jeografika midadasika dia nasaina niasa tao amin’ireo tsatòkan’ny Fiangonana ireo kôlejy ireo.
1973–Present
Teo ambany fitantanan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), Ezra Taft Benson (1899–1994), ary Gordon B. Hinckley (1910–2008), dia nanomboka niasa mivantana teo ambanin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Fitopololahy sy ny kôlejin’izy ireo eo amin’ny fitantanana maneran-tany sy eo anivon’ireo vondromparitry ny Fiangonana. Avy eo dia natsahatra ireo kôlejy teo anivon’ny tsatòka. Ankehitriny, dia kôlejy miisa roambinifolon’ny Manampahefana Ambony sy Fitopololahin’ny Vondromparitra no manampy ireo Apôstôly “amin’ny fanorenana ny fiangonana sy ny fitantanana ny raharaha rehetra amin’ny firenena rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:34). Azo atao ny mamorona kôlejy fanampiny ao amin’ny Fitopololahy rehefa mivelatra ny Fiangonana.
Niarahaba an’i Sampson sy i Daniel Amako tany Gambie, Afrika Andrefana ny Loholona Christofferson tamin’ny febroary 2022.
Fisoronana: Ilay hery hitahiana
Raha atao bango tokana, ny tanjon’ny fahefana sy herin’ny fisoronana izay naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny dia ny hitahy. Manome fahafahana ny mpikamban’ny Fiangonana hampiasa ny herin’ Andriamanitra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa ato am-piangonana sy any an-tokantrano ary manerana izao tontolo izao izany. Ireo mpikambana dia miara-miasa amin’ny Mpamonjy amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, ka mampiasa fanomezam-pahasoavana sy hery avy amin’ Andriamanitra mihoatra lavitra noho ny an’ny tenany manokana mba hanampiana ny fanjakan’ Andriamanitra hitombo mba hameno ny tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2, 5–6).
Nanazava ny Tompo fa: “ity fisoronana ambony [Melkizedeka] ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra.
“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.
“Ary raha tsy misy ny ôrdônansiny sy ny fahefan’ny fisoronana, dia tsy miharihary amin’ny olona ao amin’ny nofo ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–21).
Mazava ho azy fa ireo ôrdônansy dia fombafomba tanterahina amin’ny alalan’ny Fisoronana izay amin’ny alalany no hanaovantsika fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, manomboka amin’ny batisa sy mitohy amin’ny fanekempihavanana voaray ao amin’ny tranon’ny Tompo. Amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana ireo no hanovana antsika avy amin’ireo lehilahy sy vehivavy “araka ny nofo“ ho olomasina (jereo ny Môzià 3:19) amin’ny alalan’ny fahasoavana manavotr’i Kristy ary lasa voamarina sy nohamasinina—tsisy tsiny sy tsisy pentina—eo anoloan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–31; 3 Nefia 27:16–20).
Ity teny nambara avy ao amin’ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” ity, izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo, dia maneho ny famintinana mifanaraka amin’izany:
“Ambaranay fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, naorina tamin’ny 6 aprily 1830, no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, izay naverina tamin’ny laoniny. Ity Fiangonana ity dia mifototra lalina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay fehizorony indrindra, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Niantso Apôstôly indray i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo ny fahefan’ny fisoronana. Manasa antsika rehetra Izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra.”