“Lesona nianarana tamin’ny fanasana an’i Kristy ho mpanoratra ny tantaram-piainako,“ Liahona, sept. 2025.
Vehivavy manao fanekempihavanana
Lesona nianarana tamin’ny fanasana an’i Kristy ho mpanoratra ny tantaram-piainako
Samy manana traikefa samihafa avokoa isika rehetra, kanefa raha mamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika isika dia hahafeno ny fepetran’ny fahariana antsika isika amin’ny fomba izay tsy ho azontsika heritreretina mihitsy.
Sombiny avy amin’ny Protector by Day and by Night [Mpiaro amin’ny andro sy alina], nataon’ i Caitlin Connolly, tsy azo adika
Tamin’ny 2016—teo amin’ny fahatelopolo taonan’ny fanambadiana teo, niteraka sy nikolokolo ary nitia ireo zanakay telo lahy, niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna tamin’ny fotoana feno, nanompo tamin’ny antso ao amin’ny Fiangonana, ary nikarakara izay ilain’ny fianakavianay—dia nantsoina hanompo nandritra ny telo taona ho mpitarika ny misiôna tany Arequipa, Pérou, izaho sy i Doug vadiko. Nanainga taoriana kelin’ny nahaterahan’ny zafikelinay lahy voalohany izahay.
Nody namantana zafikely vavy roa vaovao izahay tamin’ny 2019. Nanambady ireo zanakay lahy anankiroa zokiny, ary ny zandry indrindra dia efa raiki-pitia amin’ny olona ary tsy ho ela dia hanambady. Niverina niasa teo amin’ny sehatry ny lalàna aho, ary ny antso tiako indrindra dia ny hoe Mama sy Renibe.
Ary avy eo dia tonga ilay antso ny hanompo amin’ny maha-Filohan’ny Kilonga maneran-tany. Ny drafitra nampilamina ny saina napetrako dia ny handany fotoana miaraka amin’ny fianakaviako, hiasa eo amin’ny sehatry ny lalàna mandritra ny folo taona fanampiny mba hahazoana antoka fa hilaminana ara-bola, ary hanompo ao amin’ny paroasiko na any amin’ny tempoly.
Nanao ahoana raha nifikitra tamin’io drafitra nampilamin-tsaina io aho?
Ho nankafiziko ny nandany fotoana bebe kokoa niaraka tamin’ireo zafikeliko ary afaka nahazo toky aho fa hilamina ara-bola. Fa tsy ho niaina traikefa mampivelatra sy mamaly ireo fanontaniana lalin’ny fanahy ary manorina finoana aho. Sarotra ve? Eny. Mendrika ny natao ve? Eny dia eny!
Manolotra ny fijoroako ho vavolombelona aho fa “satria fantatry [ny Mpamonjy] tanteraka ny hery anaty ananantsika, dia hitondra antsika any amin’ny toerana izay tsy noeritreretintsika mihitsy Izy.” Matoky aho fa hitondra anao any amin’ireo toerana izay tsy mbola noeritreretinao mihitsy Izy, ary hampivelatra ny fanahy ny asa fanompoana ataonao. Avelao Andriamanitra hitarika anao handeha eo anilan’ny olona iray izay mila anao.
Mety ho hitanao fa mampianatra olon-dehibe hamaky teny ianao. Na manompo mpifindra monina angamba. Mety hitarika vondron’olona iray eo amin’ny fiarahamonina ianao mba hikarakara sy hikolokolo valan-java-boary ho an’ny fianakaviana. Rehefa mamela an’ Andriamanitra hanjaka isika dia hitondra antsika any amin’ny toerana izay ilàny antsika Izy ary any amin’ireo toerana izay tsy mbola noeritreretintsika mihitsy.
Nanambara ny Filoha Nelson fa isika dia “mandra[y] finoana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay mitaky finoana bebe kokoa.”
Fantatro fa marina izany. Noho ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainako, amin’ny famelana Azy hanoratra ny tantaram-piainako, dia nitombo ny finoako an’i Jesoa Kristy.
Ahoana ary izany no hamelanao Azy hanjaka?
Ahoana ny endrika hisehoan’izany ho an’ny tanora iray izay manohy fianarana ka te hanambady sy hanana fianakaviana? Nanazava ny Filoha Dallin H. Oaks, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, fa tsy hoe misafidy ny iray amin’ny fianakaviana na ny fianarana na ny asa akory. Hoy izy: “Ny fotoana no tokony hofidiantsika, ary mikatsaka ny fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo sy ny fampianaran’ireo mpanompony isika amin’ny fanaovana izany.”
Eto am-piresahana io lohahevitra io aho dia te haneho fihombonam-po amin’ireo izay manana faniriana marina sy maharitra ny hanambady sy hanan-janaka eto amin’ity fiainana ity sy ireo izay tokan-tena. Fantatro fa maro ireo mitaiza irery ny zanany noho ny fahafatesana na ny fisaraham-panambadiana. Fantatro ireo mpivady tsy tambo isaina izay manambady sy maniry ny hanan-janaka ary mijaly noho ny fahamombana sy ny fahafahan-jaza. Fantatro fa mijaly ianareo. Tianareo hiova ny fotoana. Tsy izany ilay drafitra tao an-tsainareo. Honena ny foko manoloana ny zavatra mahazo anareo.
Tsy mitovy ny tantaran’ny tsirairay
Nanovo fianarana aho, sady nahazo marim-pahaizana licence no nahazo marim-pahaizana momba ny lalàna. Nanambady aho teny antenatenan’ny fianarako momba ny lalàna. Niteraka ny zanako lahy voalohany aho taona iray taorian’ny nahazoako ny naoty takiana amin’ny fanadinana hahafahana ho tonga mpanao lalàna. Nanana zazakely aho, ary tia sy nikolokolo azy ireo izaho sy ny vadiko fony izahay roa samy niasa. Feno ny fotoanay, indraindray somebiseby ery; tototra izahay ary indraindray reraka. Nanohana azy aho ary nanohana ahy izy. Lohalaharanay ny fianakaviana ary mbola toy izany hatrany. Nikatsaka fanentanam-panahy izaho sy ny vadiko tamin’ireo safidy ireo sy tamin’ny fotoana. Izany no zavatra tsapanay fa tokony hataonay. Niezaka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka izahay.
Raha miainga avy amin’ny fomba fijery amin’ny lafiny ara-bola sy arak’asa, dia mety ho nety ny nanemotra ny fananan-janaka mandra-pitombina tsara kokoa ahy teo amin’ny asako. Saingy rehefa mamela ny Tompo hanoratra ny tantarantsika isika dia indraindray manao zavatra izay tsy tsy takatr’izao tontolo izao. Nampifandrindra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana, ny fikolokolona zanaka, ny fampiasana ny fiara manokana hitanterana ny hafa, ny ligy baseball ho an’ny ankizy, ny andraikitra ao amin’ny Fiangonana, ny fanohanana vady, ary ny fikasako arak’asa aho. Fampifandrindrana feno fifaliana izany ary tsy tiako ho novana. Nahatsapa fahatokian-tena izahay teo amin’ny lalanay satria navelanay hanjaka Andriamanitra.
Aoka ianao mba tsy ho diso fandray. Tsy manolotra sosokevitra aho hoe tokony hanaraka ny lalako ny olona rehetra. Tsy mitovy ny tantarantsika. Zaraiko ny ahy satria izany no fantatro. Na izany aza anefa, ny zavatra iray izay iraisantsika dia ny faharisihantsika: ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka.
Ny maha-reny ahy no laharam-pahamehako ambony indrindra. Fifaliana faratampony ho ahy izany. Nitsodrano ny ray aman-drenintsika voalohany Andriamanitra ary nandidy azy ireo mba “ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany” (Genesisy 1:28). Ny didy voalohany nomena an’i Adama sy i Eva dia “mikasika ny hery anaty ananan’izy ireo amin’ny maha-ray aman-dreny.”
Ny fironana voalohany ataoko dia ny maha-reny. Izany fironana izany dia tsy mifanohitra amin’ny fanovozako fianarana amim-pahazotoana. Nodidiana isika hikatsaka ny fianarana—ny sasany amin’izany dia tonga eo amin’ny fanovozantsika ny fianarana. Avy amin’ny maha-ray aman-dreny ihany koa izany, izay ianarantsika mba ho lasa tahaka an’ Andriamanitra rehefa mikolokolo ireo toetran’ny fitiavana sy ny fangorahana ary ny faharetana isika.
Ny famelana an’ Andriamanitra hanjaka dia ahitana ny fanasana Azy handray anjara amin’ny fotoanan’ny safidintsika.
Feno fankasitrahana mandrakizay aho fa nahazo fanentanam-panahy avy amin’ny Tompo sy fitarihana avy amin’ireo mpaminany mba hanampy ahy sy ny vadiko amin’ny fotoanan’ny safidinay ny handray zanaka ho ao amin’ny fianakavianay rehefa nanapa-kevitra ny amin’izany izahay. Tena feno fankasitrahana ery aho fa nanao asa araka ireo bitsiky ny Fanahy ary tsy namela ny fitaoman’izao tontolo izao, ny voninahitra na vola, hanakana ilay safidy ny hahatratra ny fahafahana masina ny hiteraka sy hitaiza zanaka.
Women with and without Children [Vehivavy manana sy tsy manan-janaka], nataon’i Caitlin Connolly, tsy azo adika
Ny tanjona nahariana antsika
Raha toa ka mijanona ho tsy manana sy mikolokolo zanaka ny lehilahy sy ny vehivavy dia mifarana ity traikefa eto an-tany ity. Manan-danja, arak’izany, ny tsy hanaovantsika an-tsirambina na ny fandavantsika ny andraikitra masin’ny maha-ray aman-dreny isika.
Maro be ireo tahirin-kevitry ny siansa asa-tsosialy maneho ny fiantraikany ratsy eo amin’ny firenena sy ny sivilizasiona izay manajanona ny fananan-janaka. Any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao dia latsaky ny roa isaky ny vehivavy ny salanisan’ny fiterahana zaza velona. Midika izany fa tsy manolo ny tenantsika isika.
Amin’ny maha-mpitarika anay ato amin’ny Fiangonana dia miahiahy ny amin’ny fironana vao haingana eo amin’ny fanambadiana sy ny fahaterahana izahay. Ao Etazonia, tao anatin’ny 30 taona lasa, dia nahitana fihenana valo ka hatramin’ny sivy isan-jato ny tahan’ny mponina efa nanambadiana. Ireo antontan’isa ireo dia “maneho olana maneran-tany.” Rehefa tsy manambady ny olona dia vitsy kokoa ny zaza teraka.
Vao haingana i Etazonia no nihoatra ilay “fetra izay ahitana fa maro kokoa ny isan’olon-dehibe tokan-tena tsy manan-janaka noho ny isan’ny olon-dehibe manambady aman-janaka, eo anivon’ny olon-dehibe 18–55 taona.”
Tena manan-danja ny ankizy amin’ny fihazonana ny sivilizasiona. Tena manan-danja izy ireo ho an’ilay drafitry ny fahasambarana be voninahitra. Ny didy ho antsika mba hitombo sy hameno ny tany “dia mbola mijanona ho manan-kery.”
Sombiny avy amin’ny Us with Them and Them with Us (Isika miaraka amin’izy ireo ary izy ireo miaraka amintsika), nataon’i Caitlin Connolly, tsy azo adika
Avelao ny Tompo hanoratra ny tantaram-piainanao
Fantatro fa ny faniriana marina avy amin’ny fo maro dia ny hanambady sy hitaiza zanaka. Kanefa maro no tokan-tena na mijaly noho ny fahamombana. Ilay namako akaiky indrindra, izay tsy mbola nanambady sy nanan-janaka azy manokana dia nitia sy nikarakara ireo izay ahy. Tsy solon’ny zanaka izay azy manokana izany. Porofo izany fa mbola mijanona mankany amin’ny maha-reny ny fironany.
Ny zanako lahy sy ny vinantovaviko dia nandalo fanamby miverimberina amin’ny fahafahan-jaza. Marina ny fanirian’izy ireo. Mikatsaka ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainany izy ireo. Tsarovy fa rehefa mangataka amim-pinoana isika mba hamela an’i Jesoa Kristy ho mpanoratra sy mpanefa ny tantaram-piainantsika, dia tsy maintsy vonona ny hanaraka drafitra tsy mampilamin-tsaina isika ao anatin’ny fanantenana drafitra iray izay, na dia feno fanaintainana aza, dia ho lehibe kokoa amin’ny farany ary selestialy kokoa noho izay azontsika eritreretina.
Anisan’ireo namako malala ny mpivady tsy manan-janaka izay nanambady taty aoriana teo amin’ny fiainana ary nijaly noho ny fahamombana. Nanontany tamim-pinoana izy ireo raha toa ka tokony hanangana zanaka. Raha tokony ho zazakely dia nahatsapa izy ireo fa tokony hanangana mpirahavavy efatra—5 ka hatramin’ny 17 taona. Azo antoka ary tsy isalasalana, fa tsy izany ilay drafitra napetrak’izy ireo tao an-tsaina ho an’ny tenany. Fa endrey! Tena nahatalanjona ny tantaram-piainana iray izay nosoratan’ny Mpamonjy niaraka tamin’izy ireo.
Na inona na inona toe-javatra iainantsika manokana, dia anisan’ny fianakavian’ Andriamanitra avokoa isika rehetra, mpikambana ao amin’ny fianakaviana iray eto an-tany, ary miomana ny ho ray aman-dreny mandrakizay. Ireo fitahian’ny fisandratana izay azo tanterahina ho antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia ahitana ny taranaka. Noho izany, na vita famehezana sy miteraka eto amin’ity fiainana ity na any amin’ny fiainana ho avy isika, ny tanjontsika dia ny fisandratana—izay afaka ny ho antsika raha manao sy mitandrina fanekempihavanana isika. Rehefa miditra ao amin’ny fifandraisana amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana isika dia voafatotra mivantana Aminy, ary tsy irery na oviana na oviana isika. Tahiana amin’ny “fatram-pitiavana sy famindram-po betsaka kokoa” isika.
Amin’ny maha-vahoakan’ny fanekempihavanana antsika dia manao drafitra sy miomana ho amin’ny fanambadiana isika ary hiteraka sy hikolokolo zanaka. Endrey ny maha-antso masina izany! Mitia, mitarika, manompo ary mitaiza isika mba hanehoantsika ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy ireo zanany isika—satria tiantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Izy.
Fotoana be voninahitra izao hiainana sy hanaovana fanekempihavanana ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny fahatakarana ny anjara asantsika sy ny tanjontsika ary ny andraikitsika ao amin’ny drafitry ny fahasambarana dia mampisandratra, manome toky ary mahafaly. Ny fahafantarana fa manana mpaminany velona isika izay manomana antsika amin’ny zavatra ho avy dia mitondra fiadanana ho ahy, eny, fanantenana mihitsy aza ao anatin’ny fisalasalana. Manome fahatokian-tena ahy ny fifandraisako amin’ Andriamanitra araka ny fanekempihavanana. Ao amin’i Jesoa Kristy no fahatokian-tenako ao amin’ny fanekempihavanana.
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Izy, fa ny fitiavany antsika dia miseho amin’ny fahavononany hanolotra ny ainy sy ny Sorompanavotany ho antsika tsirairay avy.