Jolay 2025 Ireo lahatsoratra misy ato Gary E. StevensonMahità fifaliana ao anatin’ny dian’ny filazantsara ataonaoNy Loholona Stevenson dia manasa ny Olomasin’ny Andro Farany haka anjara amin’ny vokatry ny filazantsara sy hahatsapa fifaliana eto amin’ity fiainana ity eo am-panaovan’izy ireo ilay dia mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Edward DubeNy fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fiahiany an’ilay irayMampianatra ny Loholona Dube fa isika dia nangatahina mba hifankatia sy hifanompo tahaka ny ataon’i Jesoa Kristy—ny tsirairay. Vehivavy manao fanekempihavananaFiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tanyMikarakara: Tetikasa maneran-tany mba hanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizyRehefa miara-miasa amin’ireo fikambanana ny Fiangonana mba hikarakarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy, dia afaka manatanteraka ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana mba hitondra fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy isika tsirairay avy. Fomba tsotra hahatongavana tahaka an’i Kristy bebe kokoa eo amin’ny fanompoantsikaMitantara ny zavatra niainany ny mpikambana miisa efatra. Trevor HinckleyManompo an’ireo izay tsy mahazaka fofon-javatra manitraTianay ny olona rehetra mba ho afaka ny handeha any am-piangonana sy any amin’ny tempoly, saingy ny tsy fahazakana fofon-javatra simika dia mety hanasarotra izany. Ireto misy hevitra mety hanampy. Emily Judson SinkovicFilankevitry ny fiarahan’olon-droa: Mamorona fahasambarana amim-piniavana ao anatin’ny fanambadianaRehefa arahina fampiharana dia hanomboka ho toy ny fahafahana mifandray ireo fahasamihafana fa tsy sakana. Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany Brookie DickersonMbola hahita ny zafikelintsika indray ve isika?Nahazo fitahiana avy amin’ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanaiky ny fanasan’ny Filoha Nelson mba handeha tsy tapaka any amin’ny tempoly ny mpanoratra sy ny vadiny. Gary M. JohnsonNy finoan-drahavavy MuñozNizara tantara mahagaga iray momba ny finoana sy ny fahasitranana nandritra ny asa fanompoany tany Colombie ny lehilahy iray efa misiônera taloha. Robert DilMamafy ny feon’ny mozikaMijoro ho vavolombelona ny mpanoratra fa voatahy isika rehefa mikatsaka fahafahana mba hanompoana sy hiderana ny Tompo na aiza na aiza misy antsika sy amin’izay fomba ahafahantsika manao izany. Chantele SedgwickResin-tory tamin’ny alalan’ny TompoNiova ny fihetsik’ilay mpanoratra teo anatrehan’ny fitsapana sy ny tsodrano rehefa nitony ilay zanany kely ary nahatsapa fampaherezana izy taorian’ny tsodranon’ny fisoronana iray. Junya MizoguchiMahatsapa fiadanana ao am-poko ahoNy fanapahan-kevitr’ilay mpanoratra mba hanandriana ny antsony ao amin’ny Fiangonana na dia teo aza ireo andraikitra nitaky ny fotoanany nandritra ny fianarany ho mpitsabo mpanampy dia nitahy azy taty aoriana tao an-tokantranony sy teo amin’ny asany. Avia, hanaraka Ahy Nathan H. WilliamsMamaly ilay fanontaniana lehibe: Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia manasa antsika hisaintsaina io fanontaniana lalina io. Tanora Ricardo P. GiménezNy torohevitro ho an’ireo tanora momba ny fifankahafantarana kokoa amin’olona sy ny fanambadianaMizara torohevitra mikasika ny tokony hanaovan-javatra amim-piniavana momba ny fifankahafantarana kokoa amin’olona sy ny fanambadiana ny Loholona Giménez. Taratasy ho an’ireo izay sahirana eo amin’ny famelana ny hafaMizara ny faniriany hamela olona iray izay nandratra ny tena ny tanora iray. Andian-dahatsoratra mitohy Tantara avy ao amin’ny Saints, Boky 4Fandosirana niala tany VietnamNifikitra tamin’ny finoan’izy ireo ireo Olomasina tany Vietnam rehefa nandositra ny ady. Zavakanto momba ny tantaran’ny FiangonanaTranon-dry JohnsonSary nataon’ny mpahaikanto iray ahitana ny tranon-dry Johnson tany Hiram, Ohio, États-Unis