2025
Taratasy ho an’ireo izay sahirana eo amin’ny famelana ny hafa
Jolay 2025


“Taratasy ho an’ireo izay sahirana eo amin’ny famelana ny hafa,” Liahona, jolay 2025.

Tanora

Taratasy ho an’ireo izay sahirana eo amin’ny famelana ny hafa

Voaratra aho taloha ary tsy maintsy nianatra ny fomba hamelana heloka.

vehivavy iray mitazona fo

Ry namana malala,

Ny fahatsapana ho voaratra na ny fahatsapana fahatafintohinana dia toy ny zavatra iainan’ny olona rehetra. Matetika ny olona manodidina antsika dia miteny na manao zavatra izay mahatonga antsika hahatsapa ho tezitra, na hahatsapa ho tsy raharahiana, na hahatsapa fahatafintohinana, na hahatsapa fanambaniana, na hahatsapa tsy fankasitrahana.

Taona maro lasa izay dia nisy olona nandratra ahy tany am-piangonana. Tezitra aho ary tiako haneho fialan-tsiny tamiko izany olona izany, saingy tsy nanao izany mihitsy izy. Niezaka nanadino ny zava-nitranga aho, nieritreritra fa hanjavona fotsiny ny alahelo sy ny hatezerana.

Saingy niaraka tamiko teny nandritra ny taona maro izany fahatsapana hatezerana izany. Tsy nety niala ilay lolom-po nananako tamin’io olona io.

Noresahiko tamin’ny namana iray ny momba izany toe-javatra izany indray andro. Nisy eritreritra tonga tao am-poko:

Mamelà.

Nibitsika tamiko ny Fanahy mba hamela io olona izay nanotrehako hatezerana mafy io. Gaga aho.

Ahoana no tokony hamelako io olona io? Izaho ilay noratraina, noho izany dia mendrika ny hangatahana famelana aho sa tsy izany?

Sahiran-tsaina aho teo anatrehan’io bitsika io nandritra ny fotoana ela. Kanefa nisaintsaina ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy sy ny fampianarany momba ny famelan-keloka aho:

“Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo izay any an-danitra:

“Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.”(Matio 6:14–15).

Na dia teo amin’ny hazo fijaliana aza dia nitalaho tamin’ny Rainy ny Mpamonjy mba hamela ireo miaramila izay nanombo Azy (jereo ny Lioka 23:34).

Tsaroako koa ny fanasan’ny Filoha Russell M. Nelson mba “hampihatra ny fanetrentena, sy ny herim-po, ary ny tanjaka ilaina hamelana heloka sy hikatsahana famelan-keloka. …

“… Raha toa tsy ho vita ny hamela heloka amin’izao fotoana izao dia mangataha hery amin’ny alalan’ny ran’ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanampy anareo.”

Nivavaka mafy aho niaraka tamin’izany rehetra izany tao an-tsaiko. Nivavaka tamin’ny Raiko any An-danitra aho ka nilaza hoe: “Raha ny hamelako io olona io no sitrakao dia sokafy ny varavarana ka ampio aho hanatanteraka izany satria tsy manana ny hery hanaovana izany irery aho.”

Ny ampitson’izany tany am-piangonana dia nifanehitra tamin’ilay olona nandratra ahy aho. Rehefa notarihin’ny Fanahy aho dia nahatsapa fa tokony hangataka famelan-keloka aminy. Niala tsiny aho noho ny tsy naha-namana tsara ahy indraindray ary nanontany azy aho raha afaka mamela ahy izy. Namela ahy izy ary nangataka ahy mba hamela ny zavatra nataony avy eo. Namela azy aho.

Maivamaivana aho tafavoaka tao anatin’izany zavatra niainana izany. Tsy tonga dia nanjavona indray mandeha ilay ratram-poko, saingy nahatsapa ho nahazo aina kokoa aho. Afaka tamin’ilay alahelo sy fahoriana izay nampijaly ahy nandritra ny fotoana ela aho. Afaka nandroso tamim-piadanana aho.

Indraindray toy ny tsy ho azo tanterahina ny mamela. Saingy ny fihazonana hatezerana dia vao mainka mandratra antsika kokoa. Tsy tian’ny Ray any An-danitra isika hanohy hizaka ny alahelo sy ny fahoriana ary ny hatezerana izay efa nefain’i Jesoa tamim-pijaliana mba tsy hizakantsika izany intsony. Satria tia antsika Izy dia tiany hahatsapa fifaliana isika.

Ry namako, aoka ianao ho vonona ny hamoy ireo enta-mavesatra izay lanjainao. Omeo ny Mpamonjy izany ary avelao hiditra eo amin’ny fiainanao ny fitiavany. Aza misafidy ny hanohy handratra. Fa safidio Izy.

Nijoro ho vavolombelona ny Rahavavy Kristin M. Yee, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Mitaky antsika hamela ny Tompo mba ho soa ho antsika. Saingy tsy mangataka antsika hanao izany Izy raha tsy miaraka amin’ny fanampiany sy ny fitiavany ary ny fahatakarany. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo, dia samy afaka mandray ny hery mampatanjaka sy ny fitarihana ary ny fanampiana ilaintsika mba hamela sy ho voavela isika.”

Ry namako malala, tena tiana ianao. Mety tsy hitovy amin’ny ahy ny lalan’ny famelana heloka hodiavinao. Saingy noho isika rehetra zanak’ Andriamanitra sy tena tiana dia hiahy antsika tsirairay Izy araka izay zavatra ilaintsika manokana. Hampiseho antsika ny fomba hahazoana fahasitranana Izy na dia mitaky fotoana aza izany.

Manantena aho fa mikatsaka ny famelan-keloka izay ilain’ny fanahinao mafy ianao. Manantena aho fa nanampy anao ny teniko, fa ny zava-dehibe kokoa, dia manantena aho fa ny Fanahy dia nijoro ho vavolombelona taminao ny amin’ny fahamarinana fa afaka mitondra fiadanana sy fanamaivanana ary fahasitranana ho antsika ny Mpamonjy.

Amim-pitiavana,

Ilay namanao