“Mbola hahita ny zafikelintsika indray ve isika?” Liahona, jolay 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Mbola hahita ny zafikelintsika indray ve isika?
Ny fanapahan-kevitray hanaiky fanasana iray avy amin’ny Filoha Nelson dia nitarika tany amin’ny fahagagana tsy nampoizina iray.
Fanehoana an-tsary nataon’i David Malan/Malan Creative
Maty ny zanakay lahimatoa tamin’ny 1999. Namela vady sy zanakavavy herintaona iray izy ary izahay dia nanana fifandraisana nahafinaritra sy fifaneraserana isan-kerinandro nahafinaritra tamin’io zafikelinay io.
Noho ny toe-javatra nampalahelo niseho dia tamin’ny tsingerintaona fahatelo nahaterahan’ilay zafikelinay no fotoana farany nifaneraseranay taminy. Nandritra ny taona maro dia nivavaka sy nifady hanina ary nanantena izahay fa ho afaka ny hahita azy indray.
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2018 dia nanolotra fanasana niaraka tamin’ny fampanantenana ny Filoha Russell M. Nelson: “Mamporisika anareo aho mba hanamboatra fotoana hihaonana matetika amin’ny Tompo, mba ho ao amin’ny tranony masina, ary hihazona izany fotoana izany tsy hiovaova ary amim-pifaliana. Mampanantena anareo aho fa hitondra ireo fahagagana izay fantany fa ilainareo ny Tompo rehefa manolo-tena hanompo sy hitsaoka Azy any amin’ny tempoliny ianareo.”
Rehefa nandre ireo teny ireo aho dia nahatsapa fa niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Ray any An-danitra. Noho izany izaho sy ny vadiko dia nanolo-tena ny hanomboka handeha ho any amin’ny tempoly isaky ny talata ary hitandrina izany fanolorantena izany “tsy hiovaova ary amim-pifaliana.”
Indray andro tamin’ny 2019 dia nandefa hafatra tsy nampoizina an-jotra tamiko ilay zafikelinay vavy izay 21 taona tamin’izany. Nandeha miadana ny fifandraisanay tamin’ny voalohany saingy rehefa nitohy ny fandefasany hafatra dia nanomboka nametraka fanontaniana izy izay nanokatra fantsona ifampiresahana nahatalanjona. Navelany niditra kely teo amin’ny fiainany izahay tamin’ny voalohany ary matetika avy eo.
Tamin’ny taona 2021 dia nanasa azy izahay mba hiaraka hankalaza ny Thanksgiving amin’ny fianakavianay. Nanaiky izy ary nanana fotoana nahafinaritra nahafantarana azy izahay. Mora nifandray tamin’ireo nenitoany sy ny dadatoany ary ireo zanaky ny iray tampo amin’ny rainy izy. Tiany ho lasa fomba fanao ilay fitsidihana ataony isaky ny Thanksgiving.
Herintaona taty aoriana dia nisy zanakalahy iray izay tsy nifandray taminay intsony niverina nifandray taminay indray. Tamin’ny martsa 2024, dia sambany teo amin’ny fiainam-pianakavianay no nisy fihaonam-pianakaviana izay nahitana ny zanaka velona rehetra sy ny vadin’izy ireo ary ireo zafikely rehetra izay niisa 16.
Nino foana aho fa miteny ho an’ny Tompo ny mpaminany. Mino aho fa tonga io fahagagana tena nilaina io noho ny fitarihana sy ny fampanantenana nambaran’ny Filoha Nelson.
Tsy niankina tamin’io fahaganana io ary tsy miankina amin’io fahagagana io ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ny fitiavako ny Raiko any An-danitra sy ny Zanany Lahy. Talanjona anefa aho fa tena ho ahy manokana ilay fitiavan’Izy ireo ary tena mahery vaika ny fampanantenan’Izy Ireo izay tonga amin’ny alalan’ny mpaminany.