“Mamafy ny feon’ny mozika” Liahona, jolay 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Mamafy ny feon’ny mozika
Afaka mitady fomba hizarana ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta nomen’ Andriamanitra antsika isika rehetra, ka mampitraka ny hafa any amin’izay misy antsika.
Fanehoana an-tsary nataon’i David Malan/Malan Creative
Naniry foana ny hilalao tao amin’ny ôrikesitra tao Temple Square aho, ilay ôrikesitra an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Mpitsoka kilarinety aho ary manana mari-pahaizana momba ny mozika, saingy tsy azo antenaina ny hahazoako izany tombontsoa izany.
Izaho rahateo any Nouvelle Zélande no mipetraka.
Ny Fanahy Masina anefa dia nampahatsiahy ahy fa afaka ny “ho faly” (Almà 29:3) aho amin’ny maha-mpisava lalana ahy teo amin’ny lafin’ny mozika ho an’ny Fiangonana tany Nouvelle Zélande sy teo amin’ny sehatra hafa. Ny antsoko voalohany fony aho 18 taona dia mpitarika hira tao amin’ny kilasin’ny ankizy madinika. Nanomboka tamin’izay dia voatahy aho hitarika sy hanao famokarana mozika teo anivon’ny tsatòka sy paroasy, ary koa hitendry pianô tao amin’ny Kilonga. Nizara mozika nanerana an’i Nouvelle Zélande sy tany Philippines aho ary nitendry pianô nandritra ny varavarana misokatra nahitana fampisehoana an-kira ho an’ny distrika iray an’ny Fiangonana tany Shanghai, Chine. Nihira tao anatin’ny fampiaraham-peon’olon-droa aho tany amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera ao Provo.
Nihazona ahy tao amin’ny Fiangonana ny hira nandritra ny ady mafy natrehako noho ny fitebitebena sy harerahan-tsaina nianjady tamiko. Rehefa nahatsapa aho fa tsy afaka nanao zavatra hafa, dia fantatro fa afaka miteny hoe “eny” aho raha mahakasika ny fanampiana eo amin’ny mozika. Manampy ahy hahita izao tontolo izao amin’ny alalan’ny maso ara-panahy ny hira.
Mamorona hira miaraka amin’ny vadiko sy ny zanako anankitelo aho. Izahay dia efa niaraka nanao fampisehoana tao amin’ny paroasy, namorona mozika atolotra ho an’ny fampitana fivoriana momba ny misiônera iray tany amin’ny Misiônan’i Auckland Nouvelle Zélande ary nihira nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka nampitaina an-jotra iray. Fantatro fa ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny hiran’ny Fiangonana dia manasa ny Fanahy Masina sy afaka manohina ny fon’ireo olona ao amin’ny fianakaviantsika sy ny paroasintsika.
Mbola manohy mitia ny ôrikesitra ao Temple Square avy lavitra aho saingy fantatro fa voatahy isika rehefa mikatsaka fahafahana manompo sy rehefa mitsaoka ny Tompo na aiza na aiza misy antsika sy amin’ny fomba izay ahafahantsika manao izany (jereo ny Salamo 150:6). Feno fankasitrahana aho fa afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ananantsika, tafiditra ao anatin’izany ny mozika. Voatahy isika ary mitahy ny hafa rehefa mizara ireo fanomezam-pahasoavana sy talenta ireo amin’ny zanak’ Andriamanitra sy “mampitraka ny hafa any amin’izay misy antsika.”