2025
Fomba tsotra hahatongavana tahaka an’i Kristy kokoa eo amin’ny fanompoantsika
Jolay 2025


“Fomba tsotra hahatongavana tahaka an’i Kristy kokoa eo amin’ny fanompoantsika,” Liahona, Jolay 2025.

Fomba tsotra hahatongavana tahaka an’i Kristy kokoa eo amin’ny fanompoantsika

Manodidina antsika rehetra eny ireo fahafahana manompo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy.

Fanehoana an-tsary an’i Jesoa Kristy mankahery zatovolahy iray

Fanehoana an-tsary nataon’i Jen Tolman

Ny asa fanompoana amin’ny maha-andraikitra masina azy dia tsy sarotra. Ny fanolorana fikarakarana sy fiahiana misimisy kokoa dia voabango ao anatin’ny fomba fanao fototra vitsivitsy, izay rehefa dinihina amim-pisainana tsara dia manampy eo amin’ny “fampitrakana ny masontsika ara-panahy hiaina amin’ny fomba mahenika kokoa ny lalàn’ny fitiavana.”

Toroina hevitra isika mba “hiahy ny olon[tsika] sy [h]amahana azy [ireo] amin’ny zavatra mikasika ny fahitsiana” (Môzià 23:18). Ireto ny sasany amin’ireo fomba manan-danja hanaovana fanompoana:

  • Manolora tanana azy ireo. Izany no fomba hisokafan’ny fahafahana manompo.

  • Ampahafantaro azy ireo fa miraharaha azy ireo ianao amin’ny alalan’ny famantarana ny momba azy ireo sy amin’ny alalan’ny fanehoana fiombonam-pihetseham-po.

  • Mivavaha mba hanana fahafahana manompo ary mikatsaha fitaomam-panahy mba hahafantarana ny filan’izy ireo.

  • Mifandraisa tsy tapaka amin’ireo olona ahafahana mifandray mba hahafahanao ho vonona hanompo.

Manodidina antsika rehetra eny ireo fahafahana manompo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy. Ireto misy ohatra miisa efatra izay manasongadina ny fanompoana tahaka ny an’i Kristy.

Fantaro ny momba ny hafa

Nosoratan’i Francisco Lázaro Campos de Sousa, Brezila

Nandritra ny fivorian’ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona iray dia nahatsapa faniriana ny hihaona amin’ny mpikambana iray tao amin’ny kôlejy izay tsy navitrika aho, olona iray izay tsy mbola nihaona tamiko. Indray andro rehefa avy niantsena aho dia nisy nanosika ahy handeha ho any an-tranony. Nisalasala aho, saingy niha-nitombo ilay fahatsapana hihaona aminy. Nampahafantatra ny tenako taminy aho ary nilaza ireo zavatra izay tonga tao an-tsaiko. Nolazaiko azy fa mila azy ny Tompo, ary mila ny Tompo izy.

Nizara ny alahelony noho ny fahatsapana ho manirery sy noho ireo zava-tsarotra hafa izy. “Hahita namana ao amin’ny kôlejy izay hanampy sy hanohana ianao,” hoy aho taminy. Nanaiky tamim-pahavononana ny fanasana nataoko izy ka nanatrika ny fivorian’ny andro Sabata.

Tsy fantatro izy tamin’ny voalohany, saingy ny Tompo dia nahafantatra azy sy nahatsapa ny tao am-pony. Nohamafisina indray ny faharesen-dahatro. Rehefa manompo ireo zanaky ny Raintsika isika sy mivavaka mba hahafantarana ny filan’izy ireo dia mitarika antsika ho any amin’izy ireo ny Tompo. Miaina ilay fifaliana avy amin’ny “[fampakarana] ny tanana izay miraviravy [isika] ary ny [fampatanjahana] ny lohalika malemy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5).

Manolora tanana

Nosoratan’i Ana Rodriguez Ramirez, Espaina

Indray andro tany amin’ny sahan’ny misiôna, nisy nibitsika ahy sy ny mpiara-mitory amiko mba hamangy rahavavy iray ao amin’ny paroasy. Nohetezanay hiendrika fo ny taratasy ary nanoratra hafatra maneho fitiavana teo amin’izany izahay mba hampahatsiahivana azy ny hasarobidiny.

Tonga tany an-tranony izahay ary nieritreritra fa tsy ho ao izy. Teo am-pametrahana ireo taratasy niendrika fo mihitsy izahay no tonga avy any ny fiarany nijanona teo amin’ny tranony. Niezaka niafina izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko mba hahatanterahan’ilay zavatra mahafinaritra tsy nampoizina, saingy tsy nahomby izany. Hitany izahay.

Nivoaka tamin-dranomaso tao anatin’ny fiarany ilay rahavavy. Nofihininy izahay ary nilaza izy hoe, “Ianareo roa no anjeliko. Eo foana ianareo rehefa tena ilaiko. Misaotra.”

Nampandrosoany izahay ary notantarainy taminay ilay andro lava dia lava nodiaviny izay niatrehany toe-javatra tena sarotra teo anivon’ny fianakaviana. Nihaino azy fotsiny izahay. Nozarainay taminy fa tena tia azy Andriamanitra ary tsy nanadino ny zavatra iainany Izy. Niaraka namaky soratra masina taminy izahay ka heniky ny Fanahy Masina ny tranony rehefa nandeha izahay.

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia “te … hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:9). Mametraka ny fitokiany amintsika Izy mba handray anjara ao amin’ilay asany lehibe, dia ilay fanompoana ambony sy masina kokoa izany. Rehefa manokana fotoana mba hahafantarana olona sy hihainoana azy ireo isika dia ampy fitaovana kokoa isika mba ho anjelin’ Andriamanitra ety an-tany.

Misoloa tena ny Mpamonjy

Nosoratan’i Talia Rodríguez, Suisse

Ny vavaka dia ampahan-javatra tena manan-danja ao anatin’ny fanompoana, tahaka ny Mpamonjy. Ny vavaka dia afaka hanombohana ny fikarohana ataontsika mba hahafantarana izay olona hotahina. Afaka manampy antsika hahatakatra ny sitrapon’ny lanitra mikasika ny fomba hitahiana izany. Ny vavaka koa dia dingana manan-danja eo amin’ny fianarana ny fomba hanatanterahana ny adidintsika.

I Mario vadiko dia tratran’ny COVID tany amin’ny voalohandohan’ny fotoana nipoiran’ny aretina talohan’ireo vaksiny. Nangataka an’i Moroni izay loholona iray tao amin’ny paroasinay ny eveka mba hanome tsodranon’ny fisoronana ho azy.

Noho izy tsy te hifindran’ilay virosy sy hanaparitaka izany any amin’ny fianakaviany, dia nila fanamafisana avy any an-danitra i Moroni talohan’ny nanatanterahany izany. Nandohalika nivavaka niaraka tamin’ny vadiny izy, niandry fanomezan-toky mifono fiadanana. Rehefa nahatsapa fiadanana izy ireo dia nilaza taminy ny vadiny hoe, “Mandehana miaraka amin’ny fiadianao ry Moroni.”

Rehefa niditra ny tranonay izy dia nahita miaramilan’ny Tompo iray izahay. Latsa-dranomasom-pifaliana ny vadiko rehefa nahita ilay rahalahy tonga tamim-pahasahiana mba hanome azy ny tsodrano niriny. Zavatra niainana tsy hay faritana izany.

Tonga tamin’ny alalan’ny mpanompony ny Mpamonjy, dia rahalahy Moroni malalantsika izany, izay nametraka ny tanany teo ambonin’ny lohan’i Mario ary nitsodrano azy tahaka ny ho nataon’i Kristy.

Ampio izy ireo handray ireo fitahian’ny fanekempihavanana

Nosoratan’i Geiziane Morais Freitas Duarte, Brezila

Indray mandeha aho nanompo rahavavy iray izay nijanona tsy niangona. Rehefa namangy azy aho dia nizara ny halehiben’ny fitiavan’ny Mpamonjy azy sy ny fianakaviany. Nasaiko foana izy ireo mba handeha hiangona ny alahady manaraka. Naharitra ela io fomba natao io saingy tsy tonga mihitsy izy ireo. Nahatsapa ho kivy aho. Nahery ilay fakam-panahy hilavo lefona. Saingy isaky ny nitsidika ny tokantranon’izy ireo izaho sy ny mpiara-manompo tamiko dia nahita sombin-javatra masina. Nalainay sary an-tsaina foana izy ireo hoe, any amin’ny tempoly, manao akanjo fotsy. Fantatray fa nila niezaka hatrany izahay.

Taorian’ny vavaka sy famangiana maro dia tonga ihany ilay andro tamin’ny farany. Tonga niangona ilay fianakaviana! Niverina foana izy ireo isan-kerinandro. Niasa mafy ilay fianakaviana mba hampitomboana ny finoan’izy ireo sy hidirana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Lasa niharihary fa nampatanjaka azy ireo ny filazantsara.

Tamin’ny farany dia nahazo fanasana hanatrika ny famehezana azy ireo tany amin’ny tempoly aho. Rehefa nanatrika ilay ôrdônansy masina aho dia tsy nahafehy ny tenako fa latsa-dranomasom-pifaliana. Fahagagana izany.

Indraindray te hilavo lefona aho. Saingy isaky ny namangy azy ireo aho dia nahita ny tempoly. Nasehon’ Andriamanitra ahy ny sombin’ny drafiny ho an’ity fianakaviana ity. Nampiasainy ho fitaovana aho mba hifandray tsy tapaka amin’izy ireo. Feno fankasitrahana Azy aho noho ny nanehoany tamiko ilay fahitana marina momba ny fanompoana.

Manaraka ny lamin’i Kristy

Ny fifaliana avy amin’ny fanompoana sy ny heriny dia hita rehefa lasa fitahiana eo amin’ny fiainan’ny olona iray isika, ka manompo azy ireo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy. Ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany Camille N. Johnson dia nampianatra fa “isaky ny manao zavatra ianao mba hitondrana fanampiana ho an’ny hafa—ara-nofo na ara-panahy— … dia mitondra ny fitiavan’i Jesoa Kristy ho azy ireo ianao. Fantatro fa rehefa manao izany ianao dia hahazo ny fanampiana ilainao ao Aminy.”

Lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy isika ao anatin’ny fanompoana ataontsika rehefa mitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana eo amin’ny ezaka ataontsika. Manaraka ny bitsika isika, mahafantatra ireo izay tompointsika, mivavaka ho azy ireo, manampy azy ireo hanao sy hitandrina fanekempihavanana ary mikiry amin’ny ezaka ataontsika.

Ny fanompoan’ny Mpamonjy—ny tsirairay—dia lamina tsara iray ho an’ny fanompoana ataontsika (jereo ny 3 Nefia 11:15). Nampianatra ny Loholona Juan Pablo Villar ao amin’ny Fitopololahy hoe: “Raha manaraka an’i Jesoa Kristy isika—ilay Tompon’ny fanompoana, ary manompo ny hafa tahaka ny ho nataony—dia hampatanjaka sy hanome hery antsika Izy. Afaka mitahy ny fiainan’ny hafa isika sy mahita fiadanana sy fifaliana ho antsika amin’ny alalan’ny fanompoana ataontsika.”

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland, “Miaraka amin’izy ireo sy manatanjaka azy,” Liahona, mey 2018, 102.

  2. Camille N. Johnson, “En tant que filles de Dieu ayant contracté des alliances, nous sommes un canal par lequel Jésus-Christ apporte son soulagement” (Réunion spirituelle mondiale de la Société de Secours de 2024), Médiathèque de l’Évangile.

  3. Juan Pablo Villar, “We Follow the Master Minister,” Liahona, ôkt. 2024, 13.