2025
Ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fiahiany an’ilay iray
Jolay 2025


“Ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fiahiany an’ilay iray,” Liahona, jolay 2025.

Ny fitiavan’ny Mpamonjy sy ny fiahiany an’ilay iray

Nangatahina isika mba hifankatia sy hifanompo tahaka ny ataon’i Jesoa Kristy—ny tsirairay.

fanehoana an-tsary ny mpivady iray mamangy rahalahy iray ao an-tranony

Sary nataon’i Alex Nabaum

Fotoana fohy taorian’ny batisako tamin’ny aogositra 1984 dia naheno mikasika ny hetsika iray mahafinaritra aho izay miaraka amin’ny mozika sy barbecue (fitonoan-kena ankalamanjana) tsy lavitra ny toerana nipetrahako tany Kwekwe, Zimbabwe. Feno fientanentanana ny handeha ho any izaho sy ireo namako saingy hatao andro Alahady izany. Tsy mpikamban’ny Fiangonana ireo namako.

Nilazako izy ireo hoe, “Handeha ho any am-piangonana aho saingy hitsaitsaika hivoaka aho aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo ary hiaraka aminareo.”

Hoy ireo namako, izay nahafantatra ny fahalemeko, “Raha izay no ataonao dia tsy hahatratra na inona na inona ianao. Efa tapitra ny barbecue amin’ny fotoana hahatongavanao.”

Tsy maintsy nanapa-kevitra aho. Moa ve aho handeha any am-piangonana sa handeha any amin’ny barbecue? Nisafidy ilay barbecue aho saingy nahafantatra ny alahady maraina fa nofoanana izany. Tamin’izay fotoana izay dia efa tara loatra raha handeha ho any am-piangonana ka dia nijanona fotsiny tao amin’ilay efitrano keliko nofaina aho.

Tany am-piandohan’ny tolakandro dia naheno feo aho nanao hoe: “Moa ve mipetraka ato i Eddie Dube?”

I John Newbold, filohan’ny sampana nisy ahy niaraka tamin’i Jean vadiny izany. Te hiafina tao ambanin’ny fandriako aho! Saingy talohan’ny nahafahako nanao zavatra dia efa nijoro teo akaikin’ilay lambam-baravarana nanasaraka ny efitranoko tamin’ny ambin’ny trano izy ireo.

“Ô ry Eddie!” hoy izy ireo, “nalahelo anao izahay tany am-piangonana androany.”

Niresaka fotoana kely izahay, ary rehefa lasa izy ireo dia niverimberina tao an-tsaiko ilay teny mifono hatsaram-panahy hoe, “Eddie a! Nalahelo anao izahay tany am-piangonana androany.” Feno fankasitrahana an’i John sy i Jean Newbold aho. Nanomboka tamin’izay andro izay dia voatahy aho satria nanampy ahy izy ireo hahita amin’ny fomba manokana ny fitiavan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika sy ny fiahiany an’ilay iray.

Tsirairay

Tonga tamin’ny naha-olona nitsangana tamin’ny maty azy teo anivon’ireo Nefita i Jesoa taorian’ny niarahany tamin’ny Ray. Tonga izy mba hampionona ny vahoaka. Nanasa azy ireo tamim-pitiavana Izy hoe:

“Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.

“… ary izany no nataony, rehefa nandroso tsirairay ireo ambara-pandroson’izy rehetra, ary hitany tamin’ny masony sy notsapainy tamin’ny tanany ary fantany marina tokoa ary vavolombelona manambara izy ireo fa Izy no Ilay efa nosoratan’ny mpaminany fa ho avy” (3 Nefia 11:14–15; nampiana fanamafisana).

Taty aoriana dia nasain’ny Mpamonjy izy ireo mba hitondra ireo rehetra marary sy malahelo na izay “ory na manao ahoana na manao ahoana izany … ary nositraniny ny tsirairay avy taminy arakaraka ny nitondrana azy teo anoloany” (3 Nefia 17:7, 9; nampiana fanamafisana). Avy eo dia “nalainy tsirairay ny ankizy madininy ary notsofiny rano izy ireo, nivavahany ny Ray ho azy ireo” (3 Nefia 17:21; nampiana fanamafisana).

Tena mampanetry tena ny fakana sary an-tsaina fa nisy olona niisa 2500 teo (jereo ny 3 Nefia 17:25). Noho izaho teraka sy lehibe tany Afrika dia matetika aho no maka sary an-tsaina ny Mpamonjy nijoro teo amin’ny masoandro mibaliaka, niandry ny hanasitrana, hampionona, hampahery, ary haneho fitiavana an’ireo rehetra izay nanatona Azy. Amin’ny maha-mpianany antsika dia nangatahina isika mba hanompo ireo manodidina antsika tahaka ny ataony—ny tsirairay.

Mandehana amim-pinoana

Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana na ny fiadidian’ny kôlejin’ny loholona ao amin’ny paroasy na sampana misy anao, rehefa nahazo fankatoavana avy tamin’ny eveka na ny filohan’ny sampana, dia nampiandraikitra anao olona manokana sy fianakaviana mba hotompoina. Ny sasany amin’izy ireo dia mety zara raha fantatrao. Mety hahatsapa ho sahiran-tsaina ianao ny hamangy na ny hiantso na ny handefa hafatra fohy amin’ny telefaonina ho azy ireo aza. Mety hiahiahy ianao sao tsy ho tian’izy ireo hiditra ao an-tranony ianao. Saingy efa nodinihin’ireo mpitarika ombam-bavaka ny mety ho dikan’izany andraikitra iantsorohana izany ho anao sy ireo fitahiana afaka ny ho azonao sy ho azon’ireo fianakaviana tompoinao. Noho izany dia mandehana amim-pinoana.

Taona maro lasa izay dia niaraka tamin’ny filohan’ny tsatòka iray tany atsimo atsinanan’i Etazonia aho mba hitsidika fianakaviana maromaro talohan’ny fihaonamben’ny tsatòka iray. Rehefa tonga tany amin’ny tokantrano iray izahay dia nisy lehilahy nanao akanjo efa ratsiratsy nanatona anay.

“Inona no tadiavinareo?” hoy izy nivazavaza. “Tsy tiako hisy olona hiditra ato an-tranoko!”

Niahiahy aho rehefa lasa nandrahona ny fihetsik’ilay lehilahy. Te hisintona ilay filohan’ny tsatòka aho ary hihazakazaka hiverina eny amin’ny fiara! Saingy tony ilay filohan’ny tsatòka. “Miala tsiny izahay,” hoy izy. “Nieritreritra izahay fa efa nilaza taminao ny evekanao fa ho avy izahay.”

Nandritra ny fifampiresahan’izy ireo dia nahatsapa mafy ny Fanahy aho. Nanangona ny herim-poko aho ary nanatona ilay lehilahy ka niteny hoe, “Ry rahalahy malala, ny Filoha Thomas S. Monson [izy no mpaminany tamin’izany fotoana izany] no nanome andraikitra anay mba handeha aty. Tonga eto izahay mba hijery anao. Mitondra ny fitiavan’ny mpaminany anao aho.”

Nijery ny mason’ilay lehilahy aho ary nahatsikaritra fa nanganohano izy. Nanomboka nizara ny olany taminay izy. Tratran’ny fijalian-tsaina amam-panahy ny vadiny. Vao very asa izy. Tsy nanana sakafo hamahanana ireo zanany izy. Nanome toky an’ilay lehilahy ny filohan’ny tsatòka fa hanampy azy sy ny fianakaviany ny Fiangonana. Nahafinaritra ny fitsidihanay.

Herinandro maromaro taty aoriana dia nanontany vaovao tany amin’ny filohan’ny tsatòka aho. Nilaza tamiko izy fa ny evekan’io rahalahy io sy ny filankevitry ny paroasy dia nanampy azy ary nanomboka nihaona tamin’ireo misiônera izy sy ny vadiny izay tsy mpikamban’ny Fiangonana.

Ny fanompoana dia manomboka amin’ny alalan’ny fanoloran-tanana ny hafa amim-pinoana sy amim-pitiavana. Rehefa mandeha amim-pinoana isika sy matoky ny Tompo dia afaka mikatsaka fanambarana avy Aminy mikasika ny fikasany sy ny tanjony ao anatin’ny fifandraisantsika amin’ny zanany tsirairay. Hanampy antsika hahafantatra ny zavatra tokony holazaina sy hatao Izy ary hanome fitarihana antsika mikasika ny fomba “[hifampitondrana] ny enta-mavesatry ny tsirairay mba hanamaivana izany,” “hiara-malahelo amin’izay malahelo; … ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môzià 18:8–9). Rehefa manao izany isika dia hahafantatra ny halehiben’ny fitiavan’ny Mpamonjy an’ilay iray.

Akory ny halehiben’ny fifalianareo

Hatramin’ny androany dia mbola mifandray amin’i John sy i Jean Newbold aho. Nandritra ireo taona maro ireo dia nahatsapa fifaliana aho noho ny fitiavana izay natolotr’izy ireo ahy. Ary nahatsapa fifaliana izy ireo tamin’ny fahitana ny fivoarako tao amin’ny filazantsara. Izany no mety hitranga rehefa manompo isika. Isika sy ireo olona tompointsika dia lasa mifanakaiky kokoa sy mifandray kokoa amin’ny Mpamonjy.

Nampianatra ny Mpamonjy fa “lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra. …

“Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo hitory fibebahana amin’ity vahoaka ity ary mitondra olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo miaraka aminy ao amin’ny fanjakan’ny Raiko!” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10, 15; nampiana fanamafisana).

Raha toa ka tsy laharam-pahamehana ho anao ny fanompoana dia nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “afaka manao tsaratsara kokoa sy afaka ny ho tsaratsara kokoa noho ny hatramin’izay isika rehetra.” Manasa anareo aho mba hiova sy hanomboka hanao asa amin’ny fomba vaovao sy tsara kokoa. Mampanantena aho fa rehefa mirotsaka amin’ny fanompoana ianareo dia hahita vahaolana amin’ireo fanamby atrehanareo amin’izao fotoana izao.

Tena misy ilay fampanantenan’ny Mpamonjy hoe: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” (Matio 16:25).

Miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy dia afaka ny ho tonga ilay karazana rahalahy na rahavavy mpanompo izay tiany hahatongavanao ianao mba hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra, dia ny zanany tsirairay sy ilay iray sarobidy rehetra izany.