2025
Filankevitry ny fiarahan’olon-droa: Mamorona fahasambarana amim-piniavana ao anatin’ny fanambadiana
Jolay 2025


“Filankevitry ny fiarahan’olon-droa: Mamorona fahasambarana amim-piniavana ao anatin’ny fanambadiana,” Liahona, Jolay 2025.

Filankevitry ny fiarahan’olon-droa: Mamorona fahasambarana amim-piniavana ao anatin’ny fanambadiana

Ny mpivady, tahaka ireo misiônera, dia afaka mampiasa ny filankevitry ny mpiara-mitory mba hanatsarana ny fifandraisan’izy ireo.

fanehoana an-tsary vorona mipetraka eo amin’ny rantsankazo iray

Fony aho tanora mpianatra tany amin’ny oniversite nianatra momba ny filaminana sy ny fifandirana, dia tena liana tokoa tamin’izay mety ho dingana arahina azo ampiasaina mba hamahana fifandirana aho. Ny resaka iray nanova fiainana izay nifanaovako tamin’ny namana iray dia nampahafantatra ahy dingana arahina iray izay mbola tsy henoko velively teo aloha: filankevitry ny mpiara-mitory.

Rehefa nizara momba ny asa fitoriana nataony ilay namako dia nilaza tamiko fa ny filankevitry ny mpiara-mitory no fanaovana fanaraha-maso tsy tapaka izay ifampiresahan’ny misiônera miara-mitory ny fizotran’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fomba hivoarana. Hitan’ilay namako fa tena nanampy izany tamin’ny naha-misiônera azy ka nikasa ny hampiasa izany ao anatin’ny fanambadiany izy indray andro any. Nilentika lalina tao am-poko ilay hevitra. Namaky momba ny filankevitry ny mpiara-mitory tao amin’ny Torio ny filazantsarako aho ary niresaka tamin’ny misiônera hafa avy nahavita ny asa fitoriany mikasika ny traikefan’izy ireo mahakasika izany. Hitako ny fomba ahafahana mampiasa ny filankevitry ny mpiara-mitory izay mitovy amin’ny filankevitry ny mpianakavy mba hamahana sy hisorohana fifandirana manimba maro izay atrehintsika ao anatin’ny fifandraisantsika amin’izao fotoana izao.

Mbola tsy nivady akory izaho sy i James vadiko dia nanomboka nanao filankevitry ny fiarahan’olon-droa. Mbola tsaroako ny fivoriana voalohany nataonay. Tena nisokatra sy naneho hatsaram-panahy sy fahatakarana an-tsaina i James ary vonona ny handray amim-pahamatorana ilay eritreritro hany ka mahatsapa fahatokiana ny amin’ny fahafahanay manorina fanambadiana sambatra aho.

Amin’izao fotoana izao ao anatin’ilay fiainana iarahanay miaina dia manohy ny fanaovana mahazatra ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa isan-kerinandro izahay. Na dia tsy tonga lafatra aza ny fifandraisanay dia samy manaiky izahay fa ireo fivoriana maro efa notanterahinay dia nanampy anay hahita fifaliana lalina sy fahatontosan-javatra teo amin’ny fanambadianay mihoatra noho ny neritreretinay.

Fahitana ireo fahasamihafana ho toy ny fahafahana azo araraotina hanaovan-javatra

Andriamanitra dia nahary tontolo iray izay niverimberenany nozarazaraina sy nasiana zavatra maro samihafa ary “[nahita] fa tsara izany” (Genesisy 1:10, 12, 18, 21, 25). Izany fahasamihafana feno hatsarana izany dia hery mitarika iray izay miteraka traikefa sy fomba fijery maro eo anivon’ireo zanak’ Andriamanitra. Na dia mety hampatahotra aza ny fahatsapana fa na ireo mpivady feno fanolorantena aza dia mety hanana hevitra tsy mitovy mihitsy mikasika ireo lohahevitra manan-danja, dia tsy tokony hatahotra isika. Afaka misafidy ny hiatrika ireo fahasamihafana ireo amin’ny fomba feno fitiavana sy amin’ny saina mitondra zava-baovao ary amin’ny fomba mampivoatra izay mitondra any amin’ny vahaolana feno kokoa sy fifandraisana mifono fifaliana kokoa isika miaraka amin’ny Mpamonjy izay atao ho ohatra halaintsika tahaka.

Rehefa samy mirotsaka manaraka izany fomba ambony sy masina kokoa izany isika dia mahatakatra fa tsy ilaina na ny fifandirana na ny fandefindeferana eo anatrehan’ny hevitry ny tsirairay, ary ny fahafaha-miaraka dia tsy mitovy amin’ny fifanahafana. Rehefa arahina fampiharana dia hanomboka ho toy ny fahafahana mifandray ireo fahasamihafana fa tsy sakana. Ny fifandirana dia hosoloina fiaraha-miasa sy fahatokiana ary fitiavana.

Ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa, vontosana fitiavana tahaka ny an’i Kristy, dia afaka manampy anao hanova ny fifandirana ho fitahiana ao anatin’ny fifandraisanareo manokana. Ireto misy torohevitra efatra azonao hanombohana izany.

Manao filankevitry ny fiarahan’olon-droa anareo manokana

1. Manolora tena

Hevero ny hiaraka hanapa-kevitra ny hanatsara ny fifandraisanareo amin’ny alalan’ny fanatanterahana filankevitry ny fiarahan’olon-droa tsy tapaka, na dia fanandramana fotsiny aza izany mandritra ny fe-potoana voafaritra iray. Tsy hahomby ilay dingana arahina raha tsy misy ny fandraisana anjara feno avy amin’ny olona roa miaraka.

2. Mamoròna fandaharam-potoana

Ny fifandraisanareo dia manana ny tanjany sy ny tsy fahalavorariany ary ny zavatra ilainy manokana. Fantaro miaraka amin’izany ao an-tsaina ireo lohahevitra izay tsapa fa manan-danja mba horesahina mandritra ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa ataonareo, toy ny fifankatiavan’ny mpivady, na ireo toetra entina hitaizana ny zanaka amin’ny maha-ray aman-dreny, na ny fandrindram-potoana na ny fitantanam-bola.

Amin’ny alalan’ny fanomezana toerana ho an’ireo lohahevitra ireo ao amin’ny fandaharam-potoananareo, dia hanokana toerana ho an’ireo eritreritra sy fahatsapana ianareo, izay raha tsy izany, dia mety tsy hitranga raha tsy amin’ny fotoana isian’ny fahasorenana na tsy hitranga mihitsy aza.

3. Manokàna fotoana iray manokana ary miomàna

Hevero ny hanokana fotoana manokana ho an’ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa ataonareo. Manapaha hevitra mikasika ny andro tena mety aminareo ary manolora tena hanatrika izany avy eo, ka ho vonona ny hihaino amim-pitiavana, hizara amin-kahalalahana ary haneho hatsaram-panahy. Azonareo atao koa ny mirakitra an-tsoratra ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa nataonareo. Ireo zavatra noraisintsika an-tsoratra tamin’ny herinandro lasa dia manampy antsika eo am-panomanantsika ny fivoriana manaraka.

Ny fandraisana an-tsoratra, araka ny tenin’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985), dia hanampy anao hahatsiaro “ny fandresenao fahoriana, ny fiarenanao taorian’ny fahalavoana iray, ny fivoaranao raha toy ny hoe maizina avokoa ny zava-drehetra, [ary] ny fifalianao rehefa [mahomby] ianao.” Izaho sy i James dia tena feno fankasitrahana noho ny firaketanay an-tsoratra ny fivoriana filankevitry ny fiarahan’olon-droa nataonay nandritra ny taona maro izay niisa 800 latsaka kely. Tena fifaliana ny nanao jery todika sy nahita ny lalana nodiavinay!

4. Ataovy tsy tapaka izany

Mety ho hafahafa na hampatahotahotra ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa amin’ny voalohany saingy ho mora kokoa izany rehefa ampiharina. Amin’ny alalan’ny fanaraha-maso tsy tapaka dia ho hitanao sy ny vadinao ireo olana madinika alohan’ny hahatongavan’izany ho olana lehibe.

Mampihomehy fa ny iray tamin’ireo fifandirana nampalahelo indrindra nisy teo amiko sy i James hatramin’izay dia nitranga nandritra ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa. Niitatra haingana sy tsy nampoizina nihoatra ny fifampiresahana voasaina tsara ilay fifandirana, ary naratra izahay tao anatin’izany. Saingy izany fifandirana nahavaky fo izany izay nanomboka tao anatin’ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa dia voavaha koa tao anatin’ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa. Fantatray fa hanana fahafahana iray hafa hiresahana izahay ny herinandro manaraka sy ny manaraka izany.

Noho izany taorian’ny herinandro iray nisaintsainana sy nitoniana dia nanandrana indray izahay, ary voavahanay ny fifandirana nisy teo aminay tamin’ny farany. Tsapako tamin’ny fomba mahery vaika ilay “fiadanan’ny tena manokana sy ilay herin’ny fahavitrihana ara-panahy” izay nampanantenaina antsika rehefa mamaha fifandirana araka ny fomban’ny Mpamonjy isika. Ny fifandirana rehetra vahantsika amin’ny alalan’ny saina mitondra zava-baovao sy fitiavana dia hanosika antsika handroso ary hampisy fitarihana bebe kokoa avy amin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny fifandraisantsika amin’ny vadintsika.

Mety misy fotoana ahatsapanao ho toy ny tsy manana olana eo amin’ny fifandraisanao amin’ny vadinao, noho izany dia mety ho alaim-panahy tsy hanao ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa ianao. Nanapa-kevitra izaho sy ny vadiko fa tsy hanao izany. Amin’ireny fotoana ireny no mety hahatonga ny filankevitry ny fiarahan’olon-droa ho fotoam-pifaliana madio, rehefa miresaka momba ny zavatra mety isika, miara-mihomehy, mizara eritreritra lalina, ary mandrafitra fahatsiarovana.

Ilay fampanantenana

Noharian’ny Ray any An-danitra mba hiavaka isika tsirairay ary avy eo dia narindrany isika mba ho tafiditra ao anatin’ireo fifandraisana. Manantena antsika Izy mba hamaha ny zavatra tsy mampitovy hevitra antsika tsy ao anatin’ny fifandirana (jereo ny 3 Nefia 11:29) fa ao anatin’ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy satria fantany fa hampifanakaiky antsika kokoa izany sy hampanakaiky antsika kokoa Aminy (jereo ny Matio 5:9; Môrônia 7:48).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampiantsoroka antsika izao andraikitra manaraka izao miaraka amin’ny fampanantenana iray: “Aoka isika hampiseho fa misy fomba amim-pilaminana, feno fanajana hamahana olana sarotra ary fomba mitondra fahazavana hamahana ireo tsy fitovian-kevitra. Rehefa mampiseho ilay fiantrana izay asehon’ireo mpanara-dia marin’i Jesoa Kristy ianao, dia hampitombo ny ezaka ataonao mihoatra noho izay eritreritra ambony indrindra ao an-tsainao ny Tompo.”

Afaka mandroso hatrany eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, feno fahatokian-tena eo anatrehan’izany fanomezan-toky avy amin’ny mpaminany malalantsika izany. Afaka mamaha ny fifandirantsika miaraka amin’ny saina mitondra zava-baovao sy miaraka amin’ny fangorahana isika, ary “manana ny fo[ntsika] mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny [fifankatiavantsika samy isika]” (Môzià 18:21).