2025
Ny finoan-drahavavy Muñoz
Jolay 2025


“Ny finoan-drahavavy Muñoz” Liahona, jolay 2025.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ny finoan-drahavavy Muñoz

“Fahagagana! Fahagagana!” hoy ilay ankizilahy nihiakiaka rehefa nihazakazaka nidina ny arabe izy.

fanehoana an-tsary ny zatovolahy iray manatona misiônera anankiroa

Fanehoana an-tsary nataon’i David Malan/Malan Creative

Tamin’ny 1967 dia anisan’ny anankiroa tamin’ireo misiônera niisa 20 voalohany nanompo tany Colombie izaho sy i Elder William Danner. Tsy nahita fahombiazana firy izahay mandra-pahatongan’ny lehilahy iray nantsoina hoe Raúl izay nampianarin’ny misiônera hafa, ka nampahafantatra anay ny fianakaviana Muñoz. Nahery ny Fanahy rehefa nampianatra ilay fianakaviana izahay, ka nijoro ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Famerenana amin’ny laoniny.

“Fantatro fa milaza ny marina ireo tovolahy ireo,” hoy i Raúl. “Manana ny fisoronana mitovy amin’ilay nananan’i Jesoa Kristy izy ireo. Afaka miakatra any ambony rihana izy ireo izao ary manasitrana an’i Margarita zanakareo vavy jamba.”

Nijery ahy rahavavy Muñoz ary nanontany hoe, “Marina ve izany?”

Tonga dia kenda aho. Tsy mbola nosedraina toy izany mihitsy ny fijoroana ho vavolombelona nananako hatrizay. Fantatro fa ny fahagagana toy izany dia hitaky finoana matanjaka. Nahafantatra izaho sy ilay mpiara-mitory tamiko avy eo fa nilaza tamin’ny fianakaviana ireo mpitsabo maso fa tsy hahita intsony i Margarita, izay lasa tsy nahita enim-bolana lasa izay taorian’ny loza iray.

“Manana fisoronana mitovy amin’ny an’i Jesoa Kristy ianareo,” hoy Rahavavy Muñoz. “Jamba ny zanako vavy. Andao isika hiakatra ary hanasitrana azy.”

Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany velively aho. Tahaka ny vadin’i Lamônia Mpanjaka izy izay nilaza tamin’i Amôna hoe: “Mino aho fa izany dia ho araka izay efa nolazainao” (Almà 19:9).

Nohosoran’i Elder Danner menaka i Margarita ary nofeheziny ilay fanosorana. Taitra aho fa tsy avy amiko ireo teny naloaky ny vavako: “Ho sitrana ianao ary hahita indray.” Nahatsapa ny tokony hanononana tsodrano hafa koa aho ka tafiditra tao anatin’izany ny hoe hanampy amin’ny fanorenana ny Fiangonana any Colombie ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Taorian’izay dia nanontany tena aho raha toa ka nanao fampanantenana izay tsy ho tanteraka.

Ny ampitson’io dia nihazakazaka nidina ny arabe nankeny aminay ilay zatovolahy tao amin’ny fianakaviana nihiakiaka hoe, “Fahagagana! Fahagagana! Mahita ny anabaviko!”

Nanao batisa olona niisa 13 izahay tamin’io herinandro io.

Lasa mpikamban’ny Fiangonana mahatoky rahalahy sy rahavavy Muñoz. Ny hery mitarika nananan’izy ireo, anisan’izany ny asan-drahalahy Muñoz izay lehiben’ny fadin-tseranana tany Colombie, dia nanampy tamin’ny fanapariahana ny filazantsara tany. Nisy zanakavavy iray nanao asa fitoriana ary ny anadahiny lasa eveka. Nahita foana i Margarita nandritra ny androm-piainany sisa.

Hoy i Jesoa Kristy mikasika ireo izay manam-pinoana Azy: “Amin’ny anarako no hampahiratany ny mason’ny jamba” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:69). Fantatro fa “ny zava-drehetra dia hain’ny mino” ny Mpamonjy (Marka 9:23).