2025
Mamaly ilay fanontaniana lehibe: Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?
Jolay 2025


“Mamaly ilay fanontaniana lehibe: Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Liahona, jolay 2025.

Avia, hanaraka Ahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76

Mamaly ilay fanontaniana lehibe: Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?

Inona no fiovana hoentin’ny fomba hamaliantsika io fanontaniana io any amin’ny fiainana ho avy?

fanehoana an-tsary an’i Jesoa Kristy

Sary nataon’i David B. Chamberlain

Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manolotra fahitana iray mifototra amin’i Kristy, izay manasa ny zanak’ Andriamanitra rehetra hisaintsaina ilay fanontaniana lalina hoe, “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” (Matio 22:42). Ny Loholona Neal A. Maxwell (1926–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny valintenintsika ka nilaza hoe: “Moa ve isika afaka mamaly amin’ny fiainantsika sy ny lelantsika hoe, –Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona–? (Matio 16:16.) Mandra-pitondrantsika fiovana kely any amin’ny farany, na inona na inona zavatra hafa holazaintsika na hataontsika.”

Rehefa nisaintsaina mikasika ny dikan’ny Jaona 5:29 i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon dia nahita fahitana avy any an-danitra izy ireo mikasika ny fitsanganan’ny zanak’ Andriamanitra amin’ny maty sy ireo fanjakam-boninahitra izay ho azon’izy ireo mifototra amin’ny fihetsika hasetrin’izy ireo eo anatrehan’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay.

Iza i Jesoa Kristy?

Ny fahitana voafaritra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76 dia manamafy fahamarinana manan-danja momba an’i Jesoa Kristy:

  • “Ny Tompo no Andriamanitra, ary ankoatra Azy dia tsy misy Mpamonjy” (andininy 1).

  • Izy dia “mamindra fo sy miantra ireo izay matahotra [Azy], ary finaritra ny hankalaza ireo izay manompo [Azy] amin’ny fahamarinana” (andininy 5).

  • “Fa tonga teo amin’izao tontolo izao Izy mba … hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra; mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra izay efa napetraky ny Ray ho ambany heriny sy efa nohariany” (andininy 41–42).

  • Ary tamin’ny farany i Jesoa Kristy dia “nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany” (andininy 69).

Vavolombelona manokana

Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba ny tena fisian’i Jesoa Kristy sy ny lanjany i Joseph sy i Sidney:

“Velona Izy!

“Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra; ary renay ny feo manambara fa Izy no Zanaka Lahitokan’ny Ray—

“Fa tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no ary sy nahariana ireo tontolo, ary ny mponina eo aminy dia ateraka ho zanakalahy sy ho zanakavavy ho an’ Andriamanitra” (andininy 22–24).

Zanaky ny fahaverezana

I Jesoa Kristy dia hamonjy “ny rehetra afa-tsy [ireo zanaky ny fahaverezana]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:44). Novalian’izy ireo tanteraka ilay fanontaniana hoe “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” tamin’ny alalan’ny fandavana ny Fanahy Masina sy ny fandavana sy ny fihantsiana an’i Jesoa Kristy sy ny heriny taorian’ny efa nanambaran’ny Ray Azy (jereo ny andininy 43). Rehefa nanao izany izy ireo dia efa “nanombo Azy ary namela Azy halam-baraka mibaribary” (andininy 35).

Voninahitra Telestialy

Ahoana no hamalian’ireo izay ao amin’ny fanjakana telestialy ny fanontaniana hoe “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Nisafidy ny handà ny filazantsara sy “ny tenivavolombelon’i Jesoa” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:82, 101) izy ireo, ary nandà ny filazantsarany amin’ny maha-“mpandainga, mpanompo sampy, mpanitsakitsa-bady, mpijangajanga ary izay rehetra tia sy manao lainga” (andininy 103).

Na izany aza dia mahazo ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo sy ambaratongam-boninahitra iray izay “manoatra noho ny fahatakaran’ny saina rehetra” (andininy 89). Manaja lalàna farafahakeliny anankiray ao amin’ny fanjakana telestialy izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana 88:36) izay mitaky ny rehetra mba “hampilefitra ny lohaliny, ary ny lela rehetra dia hanaiky ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana mandrakizay mandrakizay” (Fotopampianarana sy ny Fanekempihavanana 76:110).

Voninahitra Terestrialy

Ahoana no hamalian’ireo izay ao amin’ny fanjakana terestrialy ny fanontaniana hoe “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Na dia manana “tenivavolombelon’i Jesoa” aza izy ireo dia tsy “maherifo” eo anatrehan’izany; “koa tsy mahazo ny sabotroboninahitry ny fanjakan’ Andriamanitsika ireo” (andininy 79). Izy ireo dia voatahy “handray amin’ny maha-eo ny Zanaka, saingy tsy mandray amin’ny fahafenoan’ny Ray” (andininy 77).

I Jesoa Kristy sy ny filazantsarany maharitra mandrakizay dia tsy manosika antsika fotsiny mba hahafantatra fa mba hanao zavatra sy ho lasa olona tsara kokoa koa. Mba handraisana ny fahafenoan’ny Ray sy ny Zanaka dia tsy maintsy mandray ireo ôrdônansin’ny tempoly ny olona iray sy mahatoky amin’ireo fanekempihavanana ireo. Nanazava ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Raha mahazo ny fahafenoan’ny fisoronan’ Andriamanitra ny lehilahy iray dia tsy maintsy mahazo izany amin’ny fomba nahazoan’i Jesoa Kristy izany, izay tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy rehetra sy ny fankatoavana ireo ôrdônansin’ny tranon’ny Tompo.” Tsy vonona ny handray ny fahafenoan’ny Ray ireo olona terestrialy.

Voninahitra Selestialy

Ahoana no hamalian’ireo izay ao amin’ny fanjakana selestialy ny fanontaniana hoe “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” Nandray “ny tenivavolombelon’i Jesoa” izy ireo; nino “ny anarany” izy ireo; “natao batisa araka ny fomban’ny fandevenana Azy [izy ireo], rehefa nalevina tao anaty rano tamin’ny anarany” (andininy 51). Izy ireo dia mitandrina “ny didy [mba] hahazoana manasa sy manadio azy ireo amin’ny fahotany rehetra, ka handray ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ilay atokana sy fehezina ho amin’izany hery izany” (andininy 52). “Mandresy amin’ny finoana [an’i Jesoa Kristy Tompo izy ireo], sy fehezin’ny Fanahy Masin’ny fampanantenana” (andininy 53). Izy ireo dia “natao fanaperana tamin’ny alalan’i Jesoa, ilay mpanalalan’ny fanekempihavanana vaovao, izay nanatontosa ity sorompanavotana fanaperana ity tamin’ny alalan’ny fandatsahana ny rany ihany” (andininy 69).

I Jesoa Kristy dia mahatakatra ny anjara asany eo amin’ny drafitry ny fahasambarana an’ny Ray any An-danitra: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako” (Jaona 14:6). Tsy misy olona mandray ny voninahitra selestialy na ny fahafenoan’ny Ray raha tsy manaiky ny zavatra rehetra atolotry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:37–38): ny fitiavany, ny famindram-pony, ny hatsaram-panahiny, ireo mpanompony, ny fahamarinany, ireo didiny, ireo ôrdônansiny ary ireo fanekempihavanany.

Nanamafy ny anjara asan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fanampiana ny zanak’ Andriamanitra handray ny fiainana mandrakizay ny Filoha Russell M. Nelson: “Ny tanjon’ny Fiangonana hatrizay dia ny hanampy ireo mpikambana rehetra mba hampitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny Sorompanavotany, sy mba hanampy azy ireo hanao ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, ary mba hanamafy orina sy hamehy ny fianakavian’izy ireo.”

Namporisika antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hanao ny fanjakana selestialy ho tanjontsika mandrakizay, ka “[hieritreritra] tsara ny toerana hametrahan’ny fanapahan-kevitra tsirairay izay raisin[tsika] eto ambonin’ny tany antsika any amin’ny tontolo ho avy.” Amin’ny alalan’ny famaliana io fanasana io dia ho vonona ny hamaly ilay fanontaniana lehibe hoe, “Ahoana no hevitrareo ny amin’i Kristy?” isika.

Ny fahitana mikasika ireo ambaratongam-boninahitra dia manome toky antsika fa tsy vitan’ny hoe misy ny fahafahana misafidy fa tena manan-danja koa ny safidy. Mampahatsiahy antsika koa izany fa noho i Jesoa Kristy dia “[havotana] … amin’ny fahalavoana” isika ary “efa tonga afaka mandrakizay … hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehiben’ny olon-drehetra, na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana” (2 Nefia 2:26–27). Inona no hosafidinao? Ny hoavintsika eto amin’ity fiainana ity sy ilay hoavintsika mandrakizay dia mazava toy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Fanamarihana

  1. Neal A. Maxwell, “Answer Me,” Ensign, nôv. 1988, 32.

  2. Jereo ny Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, nôv. 2000, 32–34; Liahona, jan. 2001, 40–43.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2011), 419.

  4. Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7.

  5. Russell M. Nelson, “Saino amin’ny fomba selestialy!,” Liahona, nôv. 2023, 118.

  6. Jereo ny Thomas S. Monson, “Be of Good Cheer,” Liahona, mey 2009, 92.