2025
Mahatsapa fiadanana ao am-poko aho
Jolay 2025


“Mahatsapa fiadanana ao am-poko aho,” Liahona, jolay 2025.

Fanehoana ny finoana

Mahatsapa fiadanana ao am-poko aho

Fony aho nianatra mba ho mpitsabo mpanampy dia nahatsapa fa tsy nanana fotoana ampy ho an’ny antsoko tao am-piangonana sy ny fianarako aho. Saingy nianatra aho fony zatovo fa ny fanompoana sy ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia mitondra any amin’ny fiainana feno fifaliana.

fianakaviana miara-mandeha eny an-dalana

Sary nalain’i Christina Smith

Tany am-piandohan’ny fotoana naha-zatovo ahy dia nieritreritra ny hanala ny tenako ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho. Fa tamin’izany fotoana izany koa dia tsapako fa tsy nanaraka ireo fampianarana rehetra tao amin’ny Fiangonana aho. Nanapa-kevitra aho fa raha hanala ny tenako ao amin’ny Fiangonana dia tiako handry tsara ny saiko momba izany.

Noho izany dia nanapa-kevitra aho fa hiezaka ny hankatò ny zavatra rehetra ampianarin’ny filazantsara. Noho izany raha toa ka tsapako ao anatiko fa tsy mitombina ireo fampianarana dia afaka ny hiala tsy misy fanenenana aho.

Niezaka nankatò tamin’ny “[heriko sy ny saiko ary ny tanjako rehetra]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 4:2) ny zavatra nampianarin’ny Tompo aho ary nijery ny ho vokany. Tao anatin’izany zavatra niainana izany dia nomena fotoana niainana fifaliana lehibe saika tsy mbola niainako hatrizay aho. Rehefa nijanona tao amin’ny Fiangonana aho dia nahatsapa fa afaka miaina fiainana feno fifaliana, noho ny fahafantarana ny atao hoe fifaliana marina.

Taorian’izany zavatra niainana izany dia nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fitoriana ny filazantsara aho sy hizara ny fiadanana tsapako tao am-poko. Na inona na inona fitsapana natrehiko, dia nianatra aho fa raha mivavaka amin’ Andriamanitra dia hanohana ahy Izy, sy hanome fanantenana ahy, ary hanampy ahy hahatakatra ny anton’ireo zava-manahirana ahy.

Inona no tokony hataoko?

Taorian’ny asa fitoriana nataoko, rehefa nianatra mba ho mpitsabo mpanampy aho dia nandany fotoana maro isan’andro mba hanarahana fiofanana arak’asa. Aorian’izany dia manao enti-mody mandra-patongan’ny amin’ny 2 ora na amin’ny 3 ora maraina aho. Matory kely avy eo alohan’ny hanarahana fiofanana arak’asa misimisy indray ny ampitson’iny.

Nanompo tamin’ny naha-Filohan’ny zatovolahy ahy aho tamin’izany fotoana izany. Sarotra tamiko ny nianatra sady nanatanteraka ny antsoko tao amin’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany. Fantatro anefa fa raha miala amin’ilay antsoko aho dia tsy ho afaka ny hampianatra ny zatovolahy mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny lalan’ Andriamanitra na hahazo ireo fitahiana izay nomaniny ho ahy.

“Inona no tokony hataoko?” Nanontany ny Ray any An-danitra aho. “Mikorontana ny vatako sy ny saiko ary tsapako fa tsy manao ilay karazana asa tianao hampanaovina ahy aho.”

Nahazo fampaherezana aho taorian’ny vavaka nataoko. Tsapako fa niteny tamiko Andriamanitra hoe, “Izao fotoana handanianao fotoana mba hiasana mafy izao dia manan-danja ho anao. Mety manahirana ilay fandaharam-potoananao izay tena feno saingy raha resinao izao fitsapana izao dia hampiasaiko mba hitahy sy hanampy olona maro hafa ianao any aoriana.”

Io valinteny io dia nanome ahy fahatokiana fa manana tanjona aho ary raha miaritra aho dia ho afaka ny hanao asa iray manokana any aoriana.

Niaiky teo anatrehan’ireo zatovolahy aho fa tena sarotra tamiko ny fianarana. Saingy nolazaiko azy ireo koa fa ny Fiangonana sy ny filazantsara dia manan-danja ary tokony ho ivon’ny fiainantsika na dia ao anatin’ny fahasarotana aza. Naneho ny fitiavako azy ireo aho ary nilaza tamin’izy ireo fa niezaka mafy nanatanteraka ny antsoko aho satria manan-danja toy ny fianarako koa izy ireo. Latsa-dranomaso izy ireo rehefa nanohina ny fony ny fahamarinan’ireo zavatra ireo.

Voatahy noho ny fanompoana

Rehefa nanohy nanompo ny zatovolahy sy nampianatra azy ireo ny filazantsara aho dia nieritreritra mafy mikasika ireo zavatra sarotra tsapan’izy ireo amin’ny maha-zatovo azy ireo rehefa mamonjy fiangonana sy mianatra ny filazantsara. Nifantoka tamin’ny fahasalaman’ny sain’izy ireo aho ary nanampy azy ireo teo amin’ireo zavatra ilain’ny tsirairay tamin’izy ireo.

Ny fanompoana ny zatovolahy dia nanampy ahy hanana fahafahana handinika sy hahatsikaritra fiovana madinika eny amin’ny olona. Amin’izao fotoana hiasako amin’ny maha-mpitsabo mpanampy ahy sy hikarakarako marary am-polony izao dia ampiasaiko izany fahaiza-manao izany rehefa mifanerasera amin’ny hafa.

Milaza amiko ireo mpiara-miasa hoe, “Milaza io marary io fa tena takatrao ny tsapany.” Na mety hilaza ny marary iray hoe, “Hitako fa tena mora iresahana ianao.”

fianakaviana mivory manodidina ny latabatra

Nitahy ahy tao an-trano koa ny fanompoana ao anatin’ny antso ao amin’ny Fiangonana. Nianatra nanao ho lohalaharana ny vadiko aho rehefa nianatra ny tsy ho tia tena loatra.

“Raha toa ka ny Ray any An-danitra aho,” hoy aho nanontany tena, dia “ahoana no fomba hataony mba hanamafisana orina ity fianakaviana ity, ary inona no tokony hataoko mba hanatanterahana izany?”

Noho izaho nandalina ny filazantsara tamin’ny foko manontolo dia fantatro ny fomba sy ny antony hampianarana ny zanako fa manan-danja ny Fiangonana. Fantatray sy ny vadiko ny fomba hamahanana ara-panahy ny fianakavianay satria manao ho fototry ny fampianaranay ny fampianaran’ny Mpamonjy izahay.

fianakaviana mivavaka

Mahatsapa fanantenana sy fiadanana ao am-poko aho amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ny Tompo sy ny fihainoana ny bitsiny. Teo anilako izy nandritra ilay dia iray manontolo ary nitahy ahy tamin’ny alalan’ny fankatoavako sy ny antsoko mba hitahy sy hanampy ny hafa. Na inona na inona fitsapana atrehina dia te hiaina ny fiainako amin’ny fomba izay ahafahako manao izay zavatra irin’i Jesoa Kristy aho (jereo ny 2 Nefia 32:3).