“Mahita fifaliana ao anatin’ny dianao ao amin’ny filazantsara,” Liahona, Jolay 2025.
Mahita fifaliana ao anatin’ny dianao ao amin’ny filazantsara
Ny vokany lehibe indrindra avy amin’ny fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny dia fitahiana izay mitondra fahasambarana sy fifaliana.
Sarina mpikamban’ny Fiangonana feno fifaliana tany Thailand nalain’i Christina Smith
Fony aho mpitarika ny misiôna tany Japon taona maromaro lasa izay dia nanatrika fihaonambe iray natao nandritra ny faran’ny herinandro iray tany amin’ny tanàna ambanivohitra iray, tao anatin’ny iray amin’ireo faritra lavitra indrindra tao amin’ny misiôna nosahaninay. Ny filohan’ny distrika dia nandrindra ny mba hanaovako tafa sy dinika amin’ny lehilahy iray izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana herintaona talohan’izany ka nikatsaka ny handray fahazoan-dalana hidirana ny tempoly. Nanantena ny handray ny fanafiana masina ho an’ny tenany manokana amin’ny fotoana maha-feno herintaona ny nanaovana batisa azy izy na amin’ny fotoana manakaiky izany.
Nandritra ny resaka nifanaovanay dia nanoritsotritra ny halehiben’ny fankasitrahany noho ireo fitahiana maro dia maro noraisiny nandritra ilay taona taorian’ny batisany izy. Nankafy ny fanatrehana ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ireo fivoriana hafa isan-kerinandro izy. Lasa nandray anjara fatratra tao anatin’ireo fiaraha-mientan’ny sampana nisy azy izy. Ho ahy dia nampiseho fahatokiana tamin’ny fanekempihavanana izy vokatry ny fahatakarany ny tanjony ara-pilazantsara, izay ampahan-javatra tena manan-danja mandrafitra ny maha-izy azy amin’izao fotoana izao. Mpianatr’i Jesoa Kristy niova fo izay niaina fiovana mahery vaika tao am-po izy (jereo ny Môzià 5:2).
Nitodika tany amin’ny zavatra nifono fanantenana ny ambin’ny resadresakay. Niresaka momba ireo ôrdônansy sy ireo fanekempihavanana izay ho ampahan’ny zavatra hiainany any amin’ny tempoly izahay. Namaly araka ny tokony ho izy ny fanontaniana fametraka mahazatra mifandray amin’ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy.
Taorian’ny tafa sy dinika dia tsaroako ny nilazako tamin’ny filohan’ny distrika fa tena feno fankasitrahana aho nihaona tamin’ny lehilahy niavaka toy izany. Nolazaiko azy fa tena variana aho tamin’ny nahitan’ireo misiônera sy mpikambana, sy namahanan’izy ireo ara-panahy lehilahy manan-toetra miavaka sy mahavelom-panantenana toy izany.
Gaga aho rehefa nitantara ny filohan’ny distrika fa fony nanomboka nandray fampianarana avy tamin’ny misiônera sy nandeha tany am-piangonana io lehilahy io herintaona mahery lasa izay dia tsy nanan-kialofana sy tao anatin’ny toe-javatra sarotra—saika nampamoy fo—izy. Nofariparitan’ilay filohan’ny distrika avy eo ny fomba nitondran’ny fandalinan’ity rahalahy ity ny filazantsara sy ny fiovam-pony tao anatin’ny volana maro azy tany amin’ilay fiovany mahagaga ka nametraka azy teo amin’ny lalana mitondra any amin’ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana ka nahatsapany fananana tanjona sy nahatsapany fifaliana.
Nomen’ny filazantsara sary mazava mampiseho ny tanjon’ny fiainany izy. Nanome ny valin’ireo fanontaniana manan-danja eto amin’ny fiainana an-tany ireo fahamarinan’ny filazantsara tsotra sy sarobidy fa “Andriamanitra no Raintsika any An-danitra ary zanany isika. … Mahafantatra antsika manokana Andriamanitra ary tia antsika.” Ao anatin’ny drafiny “ny Ray any An-danitra dia … nanome fanomezam-pahasoavana maro sy fitarihana maro mba hanampiana antsika hiverina eo anatrehany.”
Ny fitahiana toy izany izay azon’io lehilahy io dia afaka ny ho azonao sy ny zanak’ Andriamanitra rehetra koa amin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Ny tanjon’ny fiainana
Satria naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny filazantsarany, dia “[manana fahatakarana] ny tanjon’ny fiainana isika sy hoe iza isika,” hoy ny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard (1928–2023). Tao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona farany nataony teo anatrehan’ny Fiangonana, ny Filoha M. Russell Ballard, izay Filoha Mpisolo toerana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany, dia nilaza hoe:
“Fantatsika hoe iza Andriamanitra, fantatsika hoe iza ny Mpamonjy, noho ny fananantsika an’i Joseph, izay nandeha tany amin’ilay ala kely iray fony izy zatovolahy, nikatsaka ny famelana ny fahotany. …
“Talanjona aho, ary azoko antoka fa ny maro aminareo koa dia toy izany, noho isika voatahy amin’ny fahafantarana ny zavatra fantatsika mikasika ny tanjontsika eo amin’ny fiainana, sy ny antony maha-eto antsika, sy ny zavatra tokony hoezahintsika hatao sy hotanterahina eo amin’ny fiainantsika andavanandro.”
Ho an’ny mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, izany fahalalana izany dia ahitana ny fahatakarana ny “drafitra tonga lafatry” ny famonjen’ Andriamanitra. Noho ny fahafantarana izany koa amin’ny hoe “drafitra lehiben’ny fahasambarana,” sy “ny drafitry ny fanavotana,” ary “ny drafitry ny famindram-po” (Almà 42:8, 11, 15), dia “manaisotra ny zava-miafina eo amin’ny fiainana sy ny tsy fahazoana antoka ny amin’ny hoavintsika” izany. Ny tena manan-danja eo amin’izany drafitra izany dia ny “fotopampianaran’i Kristy” izay zava-dehibe ho an’ny tanjon’ny fiainana.
Noho ny fananantsika ny filazantsara dia fantatsika fa zanak’ Andriamanitra isika, sy nalefa tety an-tany mba hozahan-toetra sy hotefena ary homanina mba “hoentina hivoaka amin’ny fitsanganan’ireo nodimandry amin’ny maty amin’ny alalan’ny fandresena sy ny voninahitry ny Zanakondry” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:39). Isika dia mahafantatra ireo didy sy nomena fampianarana “ampy mba hahalalan[tsika] ny tsara amin’ny ratsy” (2 Nefia 2:5). Fantatsika fa eto an-tany isika mba hitia sy hanompo. Ary fantatsika fa niantso antsika mba handresy izao tontolo izao sy hanampy ny hafa hanao torak’izany koa ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 16:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:2) ho fanomanana ny Fiaviany fanindroany.
Rehefa mifantoka Aminy isika, dia hampatanjaka antsika mandritra ireo andro sarotra sy hitondra fananana lanja sy tanjona ho an’ny fiainantsika sy ny an’ny hafa ilay antsoin’i Joseph Smith hoe “ilay feon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy Tompo izay mitondra fifaliana”.
Every Knee Shall Bow [Handohalika ny lohalika rehetra], nataon’i Dan Wilson, tsy azo adika
Fankatoavana, fitahiana, fifaliana
Nomen’ Andriamanitra ny safidim-pitondrantena isika mba hahatonga antsika ho tompon’andraikitra amin’ireo safidy ataontsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78; 2 Nefia 2:16). Anisan’ny mandrafitra ny “fifanoherana amin’ny zava-drehetra” (2 Nefia 2:11) ny famelana an’i Satana haka fanahy antsika mba tsy hampiasa araka ny tokony ho izy ny fahafahantsika misafidy.
Saingy noho ny “[fahalalan’i Jesoa Kristy Tompo] ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany” amin’izao androntsika izao, dia niantso ny Mpaminany Joseph Smith izy, “niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana1:17). Izany lamina entin’ny Tompo hanambarana ny didiny sy ny sitrapony amin’ny mpaminaniny izany dia mitohy amin’izao androntsika izao amin’ny alalan’ny Filoha Russell M. Nelson—sy noho ny antony mitovy amin’izany ihany. Andriamanitra dia maniry ny hitarika antsika ho any amin’ny fahasambarana eto amin’ity fiainana ity sy ho any amin’ny voninahitra selestialy any amin’ny fiainana ho avy.
Ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra dia tokony ho tonga avy amin’ny fanolorantenantsika Aminy sy ny fitiavantsika Azy. I Jesoa Kristy Tompo mihitsy no nanambara fa ny mitia an’ Andriamanitra no “didy lehibe sady voalohany” (jereo ny Matio 22:37–38). Nanome hevi-baovao misimisy kokoa izy rehefa nanambara hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15).
Misy valisoa avy amin’ny fitiavana ny Tompo sy ny fitandremana ny didiny. Tato amin’ity fotoampitantanana ity Izy dia namariparitra “lalàna navoaka tsy azo novana tany an-danitra … , izay ifotoran’ny fitahiana rehetra—
“Ary rehefa mahazo fitahiana avy amin’ Andriamanitra isika, izany dia noho ny fankatoavana ny lalàna izay ifotorany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:20–21).
Noho izany, ny vokany lehibe indrindra avy amin’ny fanehoana ny fitiavantsika ny Tompo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny dia fitahiana izay mitondra fahasambarana sy fifaliana.
Manome antsika fahazavana ny fijerena ny fiainana amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny fanambarana maoderina. Miaraka amin’ny fomba fijery mazava ny maha-avy amin’ Andriamanitra antsika sy ny anjarantsika araka an’ Andriamanitra, dia fantatsika fa “ireo zavatra izay hahatonga ny fiainan[tsika] eto an-tany ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana ihany no ireo zavatra izay hahatonga ny fiainan[tsika] mandritra ny mandrakizay ho tsara indrindra araka izay azony ahatongavana!”
Teny famaranana
Hamarana amin’ny alalan’ny zavatra nanombohako aho, izay nitantarako ny zavatra niainako taona maro lasa izay niaraka tamin’ny olona iray vao niova fo tany Japon. Nahita ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izy tamin’ny alalan’ny fahavitrihany sy ny fahavitrihan’ireo misiônera sy mpikambana. Teo am-pahitana ny filazantsara izy dia nahita koa ny tanjony izay nampivelatra ny fahitany. Nahita ilay drafitra lehiben’ny fahasambarana koa izy. Ny fankatoavana ireo fanekempihavanan’ny filazantsara ao anatin’ilay drafitra dia nitondra fitahiana sy fifaliana ho azy izay nampivoatra azy ara-batana sy ara-panahy.
Ilay dia nataony izay nitondra azy ho lasa mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia nanome fahafahana azy ho lasa vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namariparitra ilay fifaliana toy izao manaraka izao:
“Noho ilay drafitra feno fitiavan’ny Ray any An-danitra ho an’ny zanany tsirairay, ary noho ilay fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa nanirahana manavotra nataony, dia afaka ny, ary tokony mihitsy aza, ho vahoaka feno fifaliana indrindra eto an-tany isika! Na dia mifofofofo eo amintsika aza ny tafiotry ny fiainana ao amin’ity tontolo mikorontana matetika ity, dia afaka mamboly fahatsapana fifaliana sy fiadanana anaty mitombo hatrany sy mitoetra isika noho ny fanantenantsika ao amin’i Kristy sy ny fahatakarantsika ny toerantsika manokana ao amin’ilay drafitry ny fahasambarana mahafinaritra.”
Manolotra ny fankasitrahako ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny aho ka tafiditra ao anatin’izany ny drafitra lehiben’ny fahasambarana izay zava-dehibe mandrafitra izany ary manolotra ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba izany. Manasa anareo aho mba haka anjara amin’ny vokatry ny filazantsara ka hahatsapa fifaliana bebe kokoa eo amin’ny dianareo mankany amin’ny fiainana mandrakizay.