2025
Ny torohevitro ho an’ireo tanora momba ny fifankahafantarana kokoa amin’olona sy ny fanambadiana
Jolay 2025


“Ny torohevitro ho an’ireo tanora momba ny fifankahafantarana kokoa amin’olona sy ny fanambadiana,” Liahona, jolay 2025.

Tanora

Ny torohevitro ho tanora momba ny fifankahafantarana kokoa amin’olona sy ny fanambadiana

Ny fifankahafantarana kokoa amin’olona dia fomba iray hamantarana raha toa ny olona iray ka ilay olona tena izy mba hiaraka hanomboka dia maharitra amin’ny tena.

fanehoana an-tsary lehilahy iray sy vehivavy iray miresaka

Fanehoana an-tsary nataon’i Stephen Neilsen

Tiako ny mieritreritra ny fifankahafantarana kokoa amin’olona ho toy ny fitaovana.

Manampy anao hanatratra tanjona iray manokana ny fitaovana. Ny tanjon’ny fifankahafantarana kokoa amin’olona dia ny hampivelatra fifandraisana izay mitondra mankany amin’ny fanambadiana ary, raha itarina, dia ny hanatanteraka ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany.

Ny fifankahafantarana kokoa amin’olona dia fomba iray hamantarana raha toa ny olona iray ka ilay olona tena izy mba hiaraka hanomboka dia maharitra amin’ny tena. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidiana, hoe: “Ry namako tanora tokan-tena, manoro hevitra anareo izahay mba hampifantoka ny fiarahanareo amin’ny olona tsy mitovy fananahana aminareo amin’ireo lamin’ny fifankahafantarana bebe kokoa izay mety hivoatra mankany amin’ny fanambadiana.”

Rehefa miresaka momba ny “anton’ny” fifankahafantarana kokoa amin’olona isika dia miresaka momba ny fiarahana manorina fifandraisana maharitra. Miresaka momba ny fampifandraisana ny tenantsika sy ny fampifandraisana ny tenantsika sy ny hafa amin’ny Mpamonjy isika. Saingy indraindray, raha tsy mitandrina isika, dia mety hifantoka loatra amin’ny fandehanana manao fifankahafantarana kokoa amin’olona ka lasa zavatra mbola hoeritreretina any aoriana ny fanambadiana.

Te hanolotra torohevitra vitsivitsy ho anareo aho mikasika ny fomba ahafahanareo manatsara ny fifankahafantaranareo kokoa amin’olona. Ny ankamaroan’ny torohevitro dia avy amin’ny zavatra niainako manokana, ary manantena aho fa hanampy anareo izany.

Manao ny fifankahafantarana kokoa amin’olona amin’ny fomba voahevitra

Raha toa ka mba anontaniana ianao hoe manao ahoana ny fifakahafantaranao kokoa amin’olona, dia manantena aho fa ny hoe “ataoko amim-piniavana” no ho iray amin’ireo valinteny homenao. Mamelà ahy hanandrana haneho izany amin’ny alalan’ny ohatra iray.

Tany amin’ny toerana samy hafa mifanalavitra no nisy anay tao anatin’ny antsasaky ny fotoana mahery kely nanatanterahanay sy ny vadiko ny fifankahafantarana kokoa. Nihaona tamin’i Catherine aho fony izahay tany an-tsekoly tany Santiago, Chili. Nanomboka nanao fifankahafantarana kokoa izahay, saingy niverina nody tany Antofagasta izy talohan’ny nahavitako ny fianarako. Satria tianay hivelatra ny fifandraisanay, dia nanao dia amin’ny fiara fitateram-bahoaka nandritra ny adiny 20 nankany Antofagasta aho isaky ny Alakamisy tolakandro, dia niaraka tamin’i Catherine nandritra ny faran’ny herinandro (tafiditra ao anatin’izany ny fandehanana miangona), ary nandeha fiara fitateram-bahoaka nandritra ny adiny 20 indray niverina tany Santiago mba hamonjy ny fotoam-pianarako amin’ny 8 ora maraina ny alatsinainy.

Niresaka amin’ny telefaonina izahay tamin’ireo andro tsy nahafahanay nihaona. Noho izahay tsy nanana finday tamin’izany fotoana izany dia nividy fahana ahafahana miresaka amin’ny telefaonina aho izay nanome fahafahana ahy hanao antso tsy misy fetra amin’ny alalan’ny telefaonina ampiasain’ny sarambaben’olona. Nandany ora maro nijanona tao anatin’ny trano kely fanaovana antso an-tariby aho, ary rehefa nisy olona hafa nila nampiasa izany, dia tsy maintsy notapahiko ny fifampiresahana ary niantso an’i Catherine indray raha vao vita ny azy ireo.

Nandritra izany zavatra niainana izany sy noho ireo sakantsakana maro tao anatin’ny fifandraisanay dia tsy maintsy nianatra ny nanao zavatra tamim-piniavana aho mahakasika ny fomba fifandraisako tamin’i Catherine.

Manasa anareo aho mba hanao ny fifankahafantarana kokoa amin’olona amin’ny fomba voahevitra sy amim-piniavana. Nangataka antsika ny Filoha Russell M. Nelson mba hanao zavatra amin’ny nahim-po eo anatrehan’ny fikatsahantsika ho mpianatra. Afaka mikatsaka ny hanao zavatra amim-piniavana koa isika ao anatin’ny fomba fifankahafantarantsika kokoa amin’olona.

Tokony hametraka fanontaniana manan-danja isika:

  • Inona no eritreritrao momba ny fiainana, ny fianakaviana, ary ny zava-dehibe indrindra, momba ny Mpamonjy?

  • Fantatro ny karazana zavatra tianao sy tsy tianao hatao saingy inona no zavatra tsapanao momba ny filazantsara?

  • Inona avy ireo fenitra sy fitsipi-pitondrantena arahinao?

Ny fametrahana fanontaniana natao tamim-piniavana dia tokony hampiarahana amina fanaovana zavatra isan-karazany amim-piniavana. Mialà voly saingy ataovy izay hiarahana manao zavatra ara-panahy koa. Manaova zavatra izay hanampy anareo hifampahatakatra an-tsaina sy hifankahalala marina.

fanehoana an-tsary ny peratra ifanolorana amin’ny fanambadiana

Finoana toy izay tahotra

Rehefa avy nifankahafantatra kokoa nandritra fotoana elaela ianareo dia mety ho toy ny fanapahan-kevitra mampatahotra ny hisafidy ny hanambady. Nitohy hatrany amin’ilay fotoana nivadianay sy i Catherine ny fahasahiranan-tsaiko!

Mety ho fanapahan-kevitra sarotra ny fisafidianana ny hanambady, saingy tsy fanapahan-kevitra raisinao indray mandeha fotsiny izany. Ny fisafidianana ny hanambady dia midika hoe fisafidianana ny hanolo-tena indray amin’ilay vadinao mandrakizay mandritra ny fiainanao sy fiarahana manamafy orina izany fanolorantena izany.

Rehefa manana fanontaniana momba ny fanambadiana na ny filazantsara ianao dia tokony “handinika izany ao an-tsainao ianao; rehefa izany dia tokony hanontany [ny Tompo] ianao raha marina izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 9:8). Tokony hanontany ny tenanao koa ianao hoe, “Moa ve aho vonona ny hisafidy ny hirotsaka ao anatin’izany mandritra ny androm-piainako sisa?”

Rehefa nanambady aho dia nisy olona sasany nanontany ahy raha toa ka natahotra aho sao hiafara amin’ny fisaraham-panambadiana tahaka ny ray aman-dreniko. Tsia foana ny valinteniko. Rehefa nanambady aho dia nanapa-kevitra fa hanao izay azoko atao mba hampahomby ny fanambadiako. Izany dia nidika hoe nisafidy ny hanaraka ny Mpamonjy isan’andro aho sy hanambady amim-pifaliana ny vadiko. Nisafidy ny tsy hamela ny fahatahorana ny fisaraham-panambadiana hampanalavitra ahy amin’ilay fanapahan-kevitra tsara sy marina aho.

Hoy ny Filoha Jeffrey R. Holland, Filoha mpisolo toerana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha vao misy tsela-kevitra tena mazava dia tandremo sao alaim-panahy hihemotra eo anatrehan’ny zavatra tsara. Raha tsara izany tamin’ny fotoana nivavahanao mikasika izany ka natoky sy niaina ho an’izany ianao dia tsara izany amin’izao fotoana izao. Atreho ireo ahiahinao. Fehezo ny tahotrao. –Koa aza manary ny fahasahianareo.–”

Aza miandry fahasambarana

Raha ny marina dia maro aminareo no manana faniriana tena tsara sy avy amin’ny fo mba hahita vady. Fantatrareo fa safidy tsara izany, rehefa sahirana ianareo eo amin’ny fitadiavana olona iray afaka miaraka aminareo dia mahatsapa ho mikatso ianareo eo amin’ny fivoaranareo eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana.

Hoy Rahavavy Kristen M. Oaks mikasika izany hoe: “Raha toa ianao ka mahita ny tenanao eo am-piandrasana ilay fotoana hanananao fahafahana hiroso amin’ny fanambadiana, dia atsaharo ny fiandrasana ary manomboha miomana. Omano amin’ny fiainana ny tenanao, amin’ny alalan’ny fianarana, ny fananana traikefa, ary ny fanaovana drafitra. Aza miandry ny fahasambarana atototra eo aminao. Mikatsaha fahafahana manao asa fanompoana sy mianatra. Fa ny manan-danja indrindra dia matokia ny Tompo, –amin’ny fiantsoana ny anaran’ny Tompo isan’andro sy amin’ny fiorenana mafy tokoa amin’ny finoana an’ilay hoavy– [Môzià 4:11]. Mampanantena anareo aho fa rehefa manao izany ianareo dia ho tonga aminareo ny fahasambarana.”

Tsy tapitra ny dianao eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana satria tsy mbola manambady ianao. Mbola manana ilay fifandraisanao mifono fanekempihavanana amin’ny Mpamonjy ianao. Raha sahirana ianao miatrika fandavana, na fanirery, na tahotra, dia ento ao anatin’ny fahasahirananao Izy. Hamonjy anao Izy. Hanampy anao Izy.

Ho an’ny sasany dia mety tsy hisy vokany eo no ho eo ny fifankahafantarana kokoa amin’olona mba hahitana vady mandrakizay. Mety hisy vokany kosa izany ho an’ny hafa. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana dia fantatro fa Andriamanitra dia hanatanteraka ny fampanantenana rehetra nataony tamintsika raha toa isika ka manao zavatra amim-piniavana sy matoky Azy.

Na aiza na aiza misy anao eto amin’izao tontolo izao, na inona na inona mitranga na tsy mitranga eo amin’ny fiainanao, noho i Jesoa Kristy, dia afaka manana fifaliana ianao ao anatin’ny toe-javatra rehetra. Izy sy ny fampianarany foana no valiny.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Mijoroa amin’ny fahamarinana” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora, 21 mey 2023), Médiathèque de l’Évangile.

  2. “Eo am-pikatsahantsika ny ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia vao mainka tokony ho avy amin’ny nahim-po kokoa ny ezaka ataontsika hihainoana Azy” (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89).

  3. Jeffrey R. Holland, “Cast Not Away Therefore Your Confidence” (Brigham Young University devotional, 2 mar. 1999), 4, speeches.byu.edu.

  4. Kristen M. Oaks, “Mijoroa amin’ny fahamarinana,” Médiathèque de l’Évangile.