“Resin-tory tamin’ny alalan’ny Tompo,” Liahona, jolay 2025.
Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany
Resin-tory tamin’ny alalan’ny Tompo
Nanampy ilay zanakay lahy mba ho tony sy nampahery ahy tamin’ny fotoana nilako mafy izany Andriamanitra.
Fanehoana an-tsary nataon’i David Malan/Malan Creative
Fony feno 10 volana i Caden zanakay voalohany dia sambany napetrakay sy i David vadiko mba hokarakarain’ny ray aman-dreniko izy. Nandeha nisakafo hariva izahay ary avy eo nandeha tany amin’ny trano fijerena sarimihetsika. Rehefa azonay ny poakatsaka ka nipetraka izahay dia niantso ny reniko.
Tsy niaina ilay zazakelinay ary nisy fiara mpitondra marary efa an-dalana ho any aminay!
Nikoropaka nody tamin’ny fiara izahay ary nihazakazaka niditra ka nahita an’i Caden teny an-tsandrin’ny reniko izay nitsiky tamin’ireo mpanampy mpitsabo. Tsy naninona izy, saingy nifanintona.
Tsy afaka namaritra ny anton’ilay fanintona ny dokotera na ireo fanintona roa nifanesy, saingy nanome fanafody izy ireo mba hanampiana azy. Tena kivy aho tamin’ny naha-reny vao voalohany ahy. Toa tsy naninona i Caden, saingy nanozongozona ny finoako ilay zavatra niainana. Difotry ny adin-tsaina sy ny ahiahy aho.
Roa taona taty aoriana dia nanoro hevitra ny hampiasana ny électroencéphalogramme (EEG) eo amin’i Caden ny dokotera mpahaihozatatitra (neurologue) iray, fitsapana iray izay handrefy ny fiasan’ny atidohany rehefa matory izy. Raha toa ka tsara ny vokany dia afaka mijanona tsy mihinana fanafody hiarovana amin’ny fanintona izy.
Niahiahy mikasika ilay fitsapana aho satria efa nitsahatra tsy natory antoandro herintaona talohan’izany i Caden. Ahoana no fomba ahafahanay mampatory azy miaraka amin’ireo électrodes manerana ny lohany ao anatin’ny biraon’ny dokotera izay rempotry ny asa?
Ny alina talohan’ilay fitsapana dia nomen’i David tsodranon’ny fisoronana i Caden. Rehefa nanomboka ilay tsodrano dia nahatsapa ny fanatrehan’ny Fanahy izay nahery vaika aho. Fantatro fa hilamina ny zava-drehetra. Izay no fotoana voalohany nahatsapako fiadanana hatramin’ilay fanintona voalohany nahazo an’i Caden.
Ny ampitson’io dia nametaka électrodes teo amin’ny lohan’i Caden ny dokotera. Avy eo dia nampandrianay teo amin’ny latabatra fitiliana izy ary novonoinay ireo jiro.
Resin-tory izy tao anatin’ny minitra vitsy. Mety tsy toy ny fahagagana izany, saingy tsy natory antoandro irery izy nandritra ny herintaona mahery.
Tsy nanadino anay ny Ray any An-danitra. Ny Fanahiny dia tao amin’ny biraon’io dokotera io, nampitony an’i Caden ary nankahery azy. Niova ny fihetsiko teo anatrehan’ny fitsapana sy ny tsodranon’ny fisoronana tamin’io andro io. Fantatro fa misy ny herin’ny fisoronana.
Efa tanora tokan-tena i Caden amin’izao fotoana izao. Tsy nifanintona intsony izy taorian’ilay fanintona nahazo azy fony zazakely. Niatrika olana hafa izy saingy nandresy ny ankamaroan’izany. Fantatro fa manohy miambina azy ny Tompo ary mampitony ny tahotro (jereo ny Lioka 8:50).