“Manompo an’ireo izay tsy mahazaka fofon-javatra manitra,” Liahona, jolay 2025.
Manompo an’ireo izay tsy mahazaka fofon-javatra manitra
Ny fanomezan-toerana sahaza dia mitaky fahaiza-mandanjalanja sy fangorahana avy amin’ny olona rehetra voakasik’izany.
Sary nataon’i Elia Sampo
Ny fanasan’ny Mpamonjy dia ny mba “hanatonan[tsika] rehetra Azy sy hananana anjara amin’ny hatsaram-pony; ary tsy mandà izay manatona Azy Izy” (2 Nefia 26:33). Ny fomba iray manan-danja hanatonantsika ny Mpamonjy dia amin’ny fanatrehana fivoriam-piangonana sy ny fandraisana anjara amin’ireo fiaraha-mientana ataon’ny Fiangonana. Indraindray ny fanatrehana fivoriam-piangonana dia mety ho fanamby iray noho ny antony samihafa. Mety ho fahasarotana manokana ho an’ny olona iray izay miaina ao anatin’ny fahasembanana, na tsy fahazakana karazan-javatra, na olana ara-pahasalamana hafa izany.
Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia tiantsika ny olona rehetra hahatsapa ho voaray tsara sy ho afaka ny hanatrika fivoriam-piangonana sy fiaraha-mientana. Ohatra, maneho ny fieritreretantsika ireo olona izay tsy mahazaka karazana sakafo isika amin’ny alalan’ny fanomanana fanasan’ny Tompo izay ahitana ny fahafahana misafidy mofo tsy misy gluten. Izany dia manolotra fomba iray ahafahan’ireo olona ireo mandray ny fanasan’ny Tompo sy manavao ireo fanekempihavanana masina amin’ny Tompo.
Ny mpikambana sasany dia manana fahasarotana eo amin’ny fanatrehana fivoriam-piangonana na fivoriam-pokonolona noho ny tsy fahazakana fofon-javatra simika toy ny ranomanitra. Ny olona izay manana olana ara-pahasalamana toy ny asthme, na tsy mahazaka fofon-javatra manitra, na zavatra simika isankarazany dia mora andairan’ny tsy fahazakana fofon-javatra simika ary mety hisy fiantraikany eo amin’izy ireo izany. Toy ny tsy fahazakana karazan-tsakafo ihany dia tsy afaka ny hilaza ianao fa tsy mahazaka zavatra simika ny olona iray amin’ny alalan’ny fijerena fotsiny azy. Vokatr’izany dia lasa tsy misy mahita matetika io olana ara-pahasalamana io, kanefa misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fahafahan’ilay olona manao zavatra mahazatra eo amin’ny fiainana izany.
Soritr’aretina
Miovaova ny soritr’aretina ary mety hahitana loiloy, hafaninana, aretin’an-doha, harerahana, fitebitebena, olana ara-pisefoana, fahararian’ny tratra sy ny tenda, sy ny maro hafa.
Ny soritr’aretina dia manomboka any amin’ny tsy dia atahorana mankany amin’ny tena atahorana. Raha mety tratran’ny aretin’an-doha izay misinda ora vitsivitsy aty aoriana fotsiny ny olona iray, ny olona iray hafa kosa mety hisehoan’aretina mafy izay maharitra andro maro na mitaky ny handehanana haingana any amin’ny hôpitaly.
Ny tsy fahazakan-javatra simika dia mety hanakorontana ny fiainan’ny olona iray sy hiteraka fahatsapana ho mitoka-monina. Nisy mpikambana iray izay miaina fisehoana soritr’aretina mafy nanazava hoe: “Ireo zavatra atao isan’andro, toy ny fiantsenana, ny famangiana namana, ny fanatrehana ireo fivoriam-piangonana, na ny fisakafoana any ivelany dia mety ho lasa fanamby mampatahotra. Izany dia mitarika any amin’ny fahatsapana fahasorenana, fihatahana amin’ny hafa, ary fanirery lehibe. Ankoatra izany dia matetika izahay no mahatsapa ho tsy azon’ireo olona manodidina anay sy tsaratsarain’izy ireo izay tsy afaka -mahita- ny aretinay ary mihevitra fa tia tena sy mampihomehy izahay satria -tsy tia[nay] ilay fofona.-”
Ny raim-pianakaviana iray sy ny zanany lahy dia voan’ny asthme henjana izay mihetsika amin’ny alalan’ny fofon-javatra simika. Niomana ny hiteny mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ilay zanakalahy talohan’ny handehanany hanao asa fitoriana. Herinandro talohan’ny hanaovany ny lahateniny dia nilaza tamin’ny mpikambana ny eveka fa nanana olana ara-pisefoana mafy ilay zatovolahy satria sendra ny fofona ranomanitra mahery ka nangataka ny mpikambana izy mba hahatsiaro izany rehefa handeha hiangona ny herinandro manaraka. Izany dia niteraka Alahady faran’izay tsara indrindra hatrizay ho an’ilay ray sy ilay zanakalahy tany am-piangonana.
Fanomezan-toerana sahaza
Rehefa any am-piangonana dia afaka misafidy ny hipetraka lavitra ny olona hafa ny olona iray izay tsy mahazaka loatra fofon-javatra simika. Ho an’ny hafa dia mety ilaina ny fandrindran-javatra lehibe kokoa, toy ny fanaovana saron-tava misy fitaovam-piainana, na ny fitondrana fitaovana mpanadio rivotra any am-piangonana, na ny fijerena ny fivoriana fanasan’ny Tompo an-jotra.
Na manao ahoana na manao ahoana tsy fahazakan’olona fofon-javatra simika dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa tena olana misy izany. Ny fanomezan-toerana sahaza dia mitaky fahaiza-mandanjalanja sy fangorahana avy amin’ny olona rehetra voakasik’izany. Mampiasa ranomanitra na ranon-javatra manitra hafa ny olona noho ny antony maro, noho ny fankafizan-javatra iray na noho ny lafin’ny fahadiovana ara-batana. Hilaina ny fifanajana sy ny fanehoana fahatakarana an-tsaina mba hiatrehana ny filan’ny olona rehetra voakasik’izany.
Raha tsy mahazaka zavatra simika ianao dia miresaha amin’ny mpikambana iray ao amin’ny episkôpà azafady. Na dia mety tsy ho azo tanterahina aza ny fanomezan-toerana sahaza ao anatin’ny toe-javatra rehetra, dia manampy ny firesahana amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy mikasika ny filanao. Afaka miara-miasa aminao ny filankevitry ny paroasy mba hanao izay azony atao mba hanomezana toerana tsy hampihetsika ny tsy fahazakanao zavatra simika. Hiovaova arakaraka ny toe-javatra misy ny fomba tsara hiatrehana izany ary tokony holanjalanjaina miaraka amin’ny fahatakarana an-tsaina fa tsy ny toe-javatra rehetra no afaka manome fahafaham-po ny filan’ny olona rehetra.
Hevitra vitsivitsy ho an’ireo mpitarika:
-
Ampio ireo mpikambana hahatakatra fa ny tsy fahazakana zavatra simika dia olana tena misy ho an’ireo izay tratran’izany.
-
Manaova filazana sy fampahatsiahivana tsy tapaka mikasika ny fomba ahafahantsika maneho fangorahana amin’ny hafa izay miatrika tsy fahazakan-javatra simika na olana ara-pahasalamana hafa mampitoka-monina, sy ny fomba ahafahantsika manampy ny olona rehetra mba ho tonga amin’ny fitsaohana ny Tompo.
-
Hevero ny hiantso tompon’andraikitra iray misahana ny fahasembanana mba hanampy amin’ny fiatrehana izany sy ny olana hafa.
-
Hevero ny hikarakara fivoriana fanofanana ho an’ireo mpitarika sy mpikambana mikasika ny tsy fahazakana zavatra simika sy ny olana ara-pahasalamana hafa izay mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahafahan’ny olona iray manatrika fivoriam-piangonana.
Hevitra vitsivitsy momba ny fanomezan-toerana sahaza:
-
Omeo fahafahana ireo olona tsy mahazaka zavatra simika mba hizara ny filany sy ny olany amin’ireo mpitarika eo anivon’ny paroasy.
-
Raha azo atao dia ataovy izay azonareo atao mba handrafetana torolalana ho an’ireo fivoriana sy fiaraha-mientana izay manome fahafahana an’ireo olona tsy mahazaka karazan-javatra mba hanatrika izany amim-pahazoana aina.
-
Hevero ny hanao fampitana mivantana an-jotra ho an’ireo izay tsy afaka manatrika, na manolora fomba ho an’ireo olona ireo mba handraisany ny fanasan’ny Tompo.
-
Ireo vokatra izay nankatoavin’ny ekipa misahana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana sy nomen’izy ireo ihany no ampiasao. Raha toa ka miteraka olana ilay vokatra fampiasa mahazatra dia miaraha miasa amin’ny mpitantana ny trano sy ny fitaovan’ny Fiangonana eo an-toerana mba hijery zavatra hanoloana izany. Raha toa ny mpikambana ka mitondra ranon-javatra mpanala fofon-javatra ratsy na fitaovana fanadiovana izay azy ireo manokana dia mety hisy fiantraikany eo amin’ireo olona tsy mahazaka karazan-javatra ireo vokatra ireo.
-
Hevero ny momba ny tsy fahazakan-javatra simika rehefa mandrafitra fiaraha-mientana.
-
Tsarovy fa ny olona sasantsasany izay tsy mahazaka zavatra simika dia te hanompo ao amina toerana izay azo antoka ho azy ireo.
Nampianatra ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Tena ho zava-dehibe ilay fandraisan[tsika] amim-kafanam-po ho an’ireo izay mahatsapa ho adino na voahilika. Afaka manontany tena isika amin’ny farany hoe toy ny ahoana no hitiavan’ny Mpamonjy hizoran’ny fotoanan’ny fanasan’ny Tompo. Ahoana no hitiavany handraisana, hikarakarana, hamokisana, ary hitiavana ireo zanany tsirairay? Ahoana no ho fahatsapana tiany hananantsika rehefa manatona isika mba ho avaozina amin’ny alalan’ny fahatsiarovana sy fitsaohana Azy?”
Amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny fisian’io olana io, dia afaka ny hahatsapa fa henoina sy hajaina ireo olona miaina ao anatin’ny tsy fahazakana zavatra simika ary afaka ny handray anjara feno ao anatin’ny paroasy na sampana misy azy izy ireo. Rehefa miara-miasa amim-pangorahana sy ombam-bavaka amin’ireo olona voakasik’ireo karazana olana ara-pahasalamana ireo ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy dia matanjaka ny maro amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra noho izy ireo omena fahafahana lehibe kokoa mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Rehefa miara-mivondrona ny ao amin’ny paroasy iray ka “manana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy” (Mozià 18:21), dia voakasika ny fo ary sitrana.