2025
Mikarakara: Tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy
Jolay 2025


“Mikarakara: Tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy,” Liahona, Jol. 2025.

Vehivavy manao fanekempihavanana

Mikarakara: Tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy

Mitondra ny fitiavana sy ny fanamaivanana avy amin’i Jesoa Kristy eo amin’izao tontolo izao isika rehefa mikarakara ireo izay ao an-tokantranontsika sy ireo mpifanolobodirindrina ary ireo ao amin’ny fiarahamonina misy antsika.

Ilay asa azo avy amin’ny fanentanam-panahy ataon’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamaka lalina ao anatin’ny asa fanampiana olona sy ny fikarakarana ireo sahirana hatramin’ilay fiantombohany izay avy amin’ Andriamanitra tamin’ny 1842. Tamin’ny taonjato faha-20, ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nandefa voa izay notehirizin’izy ireo mba hanampiana amin’ny fanomezana sakafo ireo izay nianjadian’ny loza voajanahary sy mosary. Nanorina hôpitaly izy ireo, nanampy ireo vehivavy hianatra any amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo, ary nanofana vehivavy mba ho mpitsabo mpanampy sy mpampivelona izay tena nampihena ny tahan’ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza vao teraka. Nampiroborobo ny fampianarana koa izy ireo tamin’ny alalan’ny fanorenana sekoly sy fandaharan’asa mikasika ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.

Ankehitriny dia rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany miisa valo tapitrisa latsaka kely no mitoetra ho manolo-tena ny hikarakara ireo sahirana. Ny Fikambanana Ifanampiana dia manohana ara-traikefa ireo vehivavy, izay ahafahan’izy ireo mitondra ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy—ara-batana sy ara-panahy—ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Rehefa manome sy mandray fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy ireo rahavavy dia lasa tahaka Azy kokoa izy ireo, mahatsapa ny fitiavany ary maniry fifandraisana ara-panekempihavanana lalina kokoa Aminy.

Ny tetikasa maneran-tany ataon’ny Fiangonana ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy dia traikefa iray, izay tranga fanararaotra mba hitondrana fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Izany dia ataontsika miaraka amin’ny Fanahiny, ny fahefan’ny fisoronana nomeny, ary ny heriny izay azontsika amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy.

vehivavy mitrotro zazakely iray

Amin’ny alalan’io tetikasa io no hikatsahantsika ny hampisy fiantraikany lehibe indrindra araka izay azo atao eo amin’ny fitahiana ny fiainan’ny vehivavy sy ny ankizy amin’ny alalan’ireto sehatra efatra ifantohana ireto:

  • Fanjarian-tsakafon’ny zaza

  • Fikarakarana ny reny sy ny zaza vao teraka

  • Fanaovam-baksiny

  • Fianarana

Nahoana isika no mampifantoka ny herintsika sy ny fontsika ary ny loharanom-pitaovana ananantsika amin’ny tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy? Satria mino isika fa ny fivoarana maneran-tany dia manomboka amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Nampianatra ny Filoha Johnson hoe: “Rehefa mitahy vehivavy iray ianao dia mitahy fianakaviana iray sy fiarahamonina iray ary firenena iray. Rehefa mitahy ankizy iray ianao dia mihary ho an’ny hoavy.”

Ao anatin’izany tetikasa maneran-tany izany ny fankatoavan’ny Fiadidiana Voalohany tetikasa tarihin’ny Fiangonana izay mitentina 55,8 tapitrisa dôlara mba hanafainganana ny fanjarian-tsakafo sy ny fanatsarana ny fahasalamana any amina firenena tena mila fanampiana miisa 12. Tao anatin’ny fiaraha-miasa tamina fikambanana tsy miankina miisa 8 izay manana ny maha-izy azy no nanohanan’ny Fiangonana fandaharan’asa izay nanatsara ny fahasalaman’ny ankizy sy ny reny vao avy niteraka ary ny reny bevohoka niisa 14 tapitrisa mahery sy nanatsara izay zavatra mahasoa azy ireo tamin’ny 2024.

Ny Filoha Camille N. Johnson niresaka tamin’ny vehivavy iray tany Costa Rica

Niresaka tamin’ny renim-pianakaviana iray manan-janaka telo tao anatin’ny hetsika iray fanomezana sakafo tany Costa Rica ny Filoha Camille N. Johnson. “Feno fankasitrahana izy noho ilay sakafo ho an’ny zanany noana,” hoy ny Filoha Johnson. “Nolazaiko azy fa tiako izy, fa ny manan-danja kokoa dia tia azy Andriamanitra.”

Mandray anjara ao anatina asa manan-danja iray

Rehefa nandeha tany Costa Rica aho (Filoha Johnson) tamin’ny herintaona dia nanana fahafahana nanampy nandritra ny hetsika iray fanomezana sakafo. Tohina ny foko nahita vehivavy sy ankizy maro izay tonga mba handray sakafo mahasalama. Nanana fahatsapana mazava aho fa nanao izay tian’ny Mpamonjy hataonay fotsiny izahay. Nihaona tamin’i Yumana sy ireo zanany telo mahafatifaty aho. Io vehivavy tso-po io dia nivarotra raozy vita amin’ny lamba izay namboariny mba hamelomany ny fianakaviany. Feno fankasitrahana izy noho ilay sakafo ho an’ireo zanany noana. Nolazaiko azy fa tiako izy, fa ny manan-danja kokoa dia tia azy Andriamanitra. Nahazo fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy i Yumana rehefa nahatsapa ary nahafantatra ny fitiavan’ Andriamanitra.

Hitantsika fa tafiditra ao anatin’ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana io tetikasa maneran-tany io. Rehefa mahazo fanamaivanana ara-batana ny olona dia manantena isika fa hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo azy izy ireo sy hahatsapa faniriana hiditra na hanamafy orina fifandraisana ara-panekempihavanana Aminy.

Ny ezaka atao ho fanatsarana ny fahasalamana sy ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy dia manatanteraka ilay andraikitra masina mba hikarakara ireo sahirana. Mitahy ny olona amin’ny fomba hafa koa anefa izany tetikasa izany:

  • Mampitombo ny faharanitan-tsaina sy ny fahaiza-manao ara-batana an’ireo taranaka vao misondrotra izany, ka manampy azy ireo ihany koa mba hanatratra ny fahafahany mivoatra ara-panahy.

  • Mandrisika ny fifanampiana eo amin’ny mpifanolobodirindrina amintsika sy ny namantsika izany, izay maro amin’izy ireo koa no te hianatra ny fomba hanampiana ny zanany.

  • Manolotra tanjona mifototra amin’ny filazantsara izany izay mandrisika ny fanaovana asa fanompoana manan-danja sy ny fahafahana manompo ho an’ny vehivavy, indrindra fa ny tanora vehivavy.

Ny tanora ao anatin’ny taranaka amin’izao fotoana izao dia maniry ny handray anjara ao anatina tanjona manan-danja iray, tanjona izay tena hisy fiantraikany sy hitondra fiovana eo amin’izao tontolo izao. Manantena izahay fa ity tetikasa maneran-tany ity dia hanampy ireo rahavavintsika hahita fa efa ao anatin’ny iray amin’ireo mpanao tanjona lehibe indrindra eto an-tany izy ireo. Ilay rafitra masin’ny Tompo ho an’ireo vehivavy ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny izany, dia ny Fikambanana Ifanampiana.

Mino izahay fa io tetikasa maneran-tany io dia hitaona ireo mpikambana ao amintsika sy ireo namantsika hanompo ao amin’ny fiarahamonina misy azy ireo. Manantena izahay fa izy ireo dia hahita fa:

  • Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manao ho laharam-pahamehana ireo olana mahakasika ny vehivavy sy ny ankizy sy manokana loharanom-pitaovana ho fanatsarana ny fahasalaman’izy ireo sy ny zavatra mahasoa azy ireo.

  • Ny Fiangonana sy ny Fikambanana Ifanampiana ao aminy dia mpitarika maneran-tany eo amin’ny fiatrehana ireo olana momba ny maha-olona.

  • Ny Fikambanana Ifanampiana dia tarihina vehivavy sy ahitana vehivavy izay manatsara ny fiainan’ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiarahamonina.

Vao fiantombohan’ny zavatra iray mahatalanjona fotsiny izany, izay hitahy ny fiainan’ireo olona maro dia maro izay hanome sy handray ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy, ankehitriny sy hoamin’ireo taona ho avy, noho ity tetikasa maneran-tany izay mandroso hatrany ity.

Mpitsabo matihanina mizaha ny fahasalaman’ny zaza iray any Philippines

Mizaha ny fahasalaman’ny zaza iray ny mpitsabo matihanina iray any Philippines . Ny fanjarian-tsakafo dia iray amin’ireo sehatra efatra ifantohana ao anatin’ilay tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny zavatra mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy.

Ao anatin’ny faritra izay ahafahantsika mitondra fiovana

Raha jerena manerana izao tontolo izao, ny Fiangonana maneran-tany dia misolo tena antsika tsirairay amin’ny maha-mpikambana antsika eo amin’ny fampivondronana fikambanana izay efa havanana amin’ny fiatrehana ireo olana lehibe any amin’ireo toerana lavitra. Kanefa, angamba ny fanoloran-tanana tsara indrindra eo amin’ny fanampiana olona dia ilay tanterahina any akaikin’ny trano fonenana rehefa manolo-tanana eo am-pitan’ny fefy ianareo na eny am-pitan’ny arabe. Miaina ny fanekempihavanana nataonareo ianareo sy mandray anjara amin’ilay tanjona ataontsika maneran-tany rehefa manao asa feno fangorahana tahaka ny an’i Kristy sy mikarakara amim-pitiavana ny olona ao amin’ny fianakavianareo sy manodidina ny toeram-ponenanareo ary ao amin’ny fiarahamonina misy anareo.

Mety tsy ho afaka ny hanamboatra ny tafon’ny mpifanolobodirindrina aminao ianao na handeha any amin’ny firenena iray hafa mba hanadio ny tranon’ny olona taorian’ny rivo-doza mahery iray, saingy moa ve ianao afaka mamaky boky ho an’ny ankizy iray, na mihaino namana iray izay manam-pahasahiranana, na manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina? Ny ezaka atao rehetra dia manan-danja ao amin’ity asa ity mba hikarakarana ireo sahirana. Misaotra anareo noho ny maha-fantsona anareo izay ahafahan’ny hafa mandray ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanekena ho ilay tanany malefaka, ho ilay tongony kinga, ho ilay sofiny mihaino, ary ho ilay molony mpiteny hatsaram-panahy.

Rehefa mampivondrona ireo fikambanana ny Fiangonana mba hiara-hiasa ho an’ny fahasalamana sy ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy any amin’ny firenena samihafa dia mampivondrona olona ireo rahavavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hiaraka hamaha ireo olana eo amin’ny fiarahamonina misy azy ireo. Mamantatra ireo zavatra ilaina sy manangona ireo loharanom-pitaovana ary manampy amin’ny fiatrehana ireo olana ireo vehivavy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ary manao izany isika miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy, ka mitondra ny fitiavana sy ny fanamaivanana avy amin’i Jesoa Kristy ho an’ny zanak’ Andriamanitra rehetra.

Noho ny fahitana ny zavatra ilain’ireo mpifindra monina tao Milan, Italia, dia nikarakara fahafahana manao asa fanompoana ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana mba hanomezana azy ireo akanjo sy kojakoja ilaina ao an-tokantrano. Ny rahavavy sasany dia nanolotra zavatra mbola zara raha nampiasaina, ny sasany kosa nandrindra sy nanadio ireo zavatra natolotra. Nanan-danja ny zavatra natolotry ny rahavavy tsirairay. Ireo rahavavy tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia nanampy ireo mpitsidika hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa Kristy rehefa tonga tao amin’ny ivon-toerana nanolorana ireo fanomezana izy ireo. Nilaza i Monia, izay rahavavy iray tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana teo an-toerana hoe, “Avy amin’ny zava-madinika no ahatongavan’ny zavatra lehibe. Ary afaka mitahy ny olona ao anatin’ny Fiangonana sy any ivelan’ny Fiangonana isika. Filazantsara aseho amin’ny asa izany.”

Raha niresaka teo anatrehan’ny Fikambanana Ifanampiana izay vao naorina ny mpaminany Joseph Smith dia nilaza tamin’ireo rahavavy hoe: “Ankehitriny ianareo dia napetraka ao anatin’ny toe-javatra iray izay ahafahanareo manao asa mifanaraka amin’ny fananana fangorahana napetrak’ Andriamanitra ao an-tratranareo.”

Tamin’ny Rahavavy Yee tany Guadalajara, Mexique, dia nianatra sy nahita ireo ohatra maro mahatalanjona nasehon’ireo rahavavy izay nanao asa nifanaraka tamin’izany fananana fangorahana izany, rehefa nikatsaka ny hamaly ny filan’ny olona teo an-toerana izy ireo.

Rahavavy Pulido ny iray tamin’izany rahavavy izany, izay nahita filana zavatra tany amin’ny hôpitaly iray teo an-toerana, dia ny hanampiana ireo fianakaviana sy ny olona tsirairay avy lavitra ka nila sakafo sy akanjo teo am-piandrasan’izy ireo fitsaboana. Nanangona rahavavy niisa 120 tao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izy, sy misiônera maromaro, ary olona hafa teo anivon’ny fiarahamonina mba hitady sakafo, rano, bodofotsy ary akanjo hatolotra ho fanomezana. Olona niisa 1500 teo ho eo no nanolotra zavatra, ary ireo rahavavy sy ireo olona hafa dia nanomana sakafo antoandro sy sakafo ho an’ny olona niisa 1.200 teo ho eo. Nomena ireo izay niandry ny anjarany mba handray fitsaboana tany amin’ny hôpitaly ireo zavatra ireo.

Nilaza io rahavavy io fa nanao izany izy satria nangoraka an’ireo olona ireo. Tamin-dranomaso no nanazavany tamim-panetrentena fa efa anisan’ny iray tamin’ireo olona niandry tao amin’ny hôpitaly izy fony ny vadiny nivezivezy tany mba hitsabo homamiadana. Nilaza izy fa ny fitahiana sy ny faniriana lehibe indrindra ho azy dia ny manompo tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy.

I Jesoa Kristy mipetraka miaraka amin’ny ankizy kely anankiroa

Mitondra ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy

Ry rahavavy isany, nampiandraiketina asa masina isika mba hitondra ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy—ara-nofo sy ara-panahy—ho an’izao tontolo izao. Ary afaka manao izany isika amin’ny alalan’ny fikarakarana ireo izay ao anatin’ny faritra izay ahafahantsika mitondra fiovana. Tena fanomezam-pahasoavana sy fitahiana lehibe izany. Iray amin’ireo zavatra iainana maro izay mampanakaiky antsika kokoa amin’ny Mpamonjy ny fandraisana anjara amin’ny tetikasa maneran-tany ho fanatsarana ny mahasoa ny vehivavy sy ny ankizy. Rehefa manao asa tahaka ny ho nataony isika dia mahatsapa ny fitiavany, ary mitombo ny faniriantsika sy ny fanoloran-tenantsika hanana fifandraisana ara-panekempihavanana Aminy.

Misaotra anareo manampy anay amn’ny fitondrana ny fitiavana sy ny fanamaivanana avy amin’i Jesoa Kristy ho an’ireo rahavavintsika sy anadahintsika na aiza na aiza.

Ao anatin’ny fiezahantsika mba haka tahaka an’i Jesoa Kristy, ny zavatra manan-danja indrindra takina amintsika amin’ny maha-mpianany antsika dia ny mamantatra ireo zavatra ilain’ny olona tsirairay manodidina antsika mivantana ka mamaly izany amim-paharetana sy amim-pitiavana.

Hoy ny Filoha Russell M. Nelson tamintsika nandritra ny Fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny Fikambanana Ifanampiana tamin’ny 2024: “Mitsodrano anareo aho mba hahatsapa fa ny fanomezam-pahasoavana masina anananareo amin’ny maha-zanakavavin’ Andriamanitra anareo dia tsy hoe manome anareo hery hanovana fiainana fotsiny fa hanovana izao tontolo izao koa!”

Izany no andraikitra mahatalanjona iantsorohantsika!

Vanim-potoana lehibe mba hirotsahana ho vehivavy manao fanekempihavanana izao, sy ho mpikambana ao anatina fikambanana iray izay mitondra fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy—ara-batana sy ara-panahy—ho an’ireo rahavavintsika sy anadahintsika manerana izao tontolo izao. Ny tanjona faratampony amin’ny fanomezana fanamaivanana sy fizakan-tena dia ny fanomanana ny lalana ho an’ireo rahavavintsika sy anadahintsika mba haniry sy handray ny fitiavana sy famindram-po izay afaka ny ho azon’ireo izay manao sy mitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra.

Maneho ny fijoroana ho vavolombelona anananay izahay fa i Jesoa Kristy dia fanamaivanana ary maharitra mandrakizay ny fanamaivanana atolony.