2025
Fandosirana niala tany Vietnam
Jolay 2025


“Fandosirana niala tany Vietnam,” Liahona, jolay 2025.

Tantara avy ao amin’ny Saints, Boky 4

Fandosirana niala tany Vietnam

Rehefa nijaly tao anatin’ny ady, ny famindran-toerana, sy ny toby ireo Olomasina Vietinamiana dia nihazona mafy ny finoany izy ireo.

lehilahy roa mijery fiara mifono vy mandalo

Sary nataon’i David Green

Indray andro alahady tena tsara iray, tamin’ny volana aprily 1975 tany Vietnam izay firenena norotidrotehin’ny ady, dia niditra ny trano fiangonana teo an-toerana i Nguyen Van The (tononina hoe “Tay”), filohan’ny sampana Saigon. Tonga dia notangoronan’ireo mpikambana izay nanana endrika feno fahasorenana sy fanantenana izy. “Filoha The a! Filoha The a!” hoy izy ireo nihiakiaka. “Inona no vaovao nentinao?”

“Holazaiko anareo ny zavatra rehetra fantatro aorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo,” hoy izy. Nangataka ny olona rehetra nitangorona izy mba ho tony. “Hovalina daholo ny fanontanianareo.”

filohan’ny sampana mandray fanomezana fahafolonkarena

I Nguyen Van The, filohan’ny sampana Saigon, mandray fanomezana fahafolonkarena tamin’ny 1973, tokony ho roa taona talohan’ny naneren’ny ady an’ireo mpikambana mba handao an’i Saigon.

Nandritra ny taona maro dia firenena nizarazara i Vietnam. Nipoaka ny ady fotoana fohy taorian’ny Ady Lehibe Faharoa. Ny tafika amerikana dia niaraka tamin’ireo vietinamiana tany atsimo niady tamin’ny fitondrana kômonista tany Vietnam avaratra nandritra ny folo taona latsaka, saingy noho ny hamaroan’ny olona maty sy naratra dia nisintaka tamin’ilay ady i États-Unis. Nandroso nanakaiky ny faritra atsimon’ny renivohitr’i Saigon ny tafiky ny vietinamiana tany avaratra tamin’izay.

Rehefa niditra ny trano fiangonana ny Filoha The ary naka toerana teny aloha tao amin’ilay efitrano dia nandre ny firohondrohonan’ny basy aman-tafondro izy. Ilay ady izay nitondra Olomasina vietinamiana marobe tao amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia nandravarava ilay sampana tamin’izay.

Taorian’ny fivoriana dia nampahafantatra ireo Olomasina ny Filoha The fa ny masoivohon’i États-Unis dia vonona ny hamindra toerana ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nisisika mafy ny mpikambana tao amin’ny sampana ny mba handefasana voalohany ny fianakavian’ny Filoha The mba hahafahany mifantoka tanteraka amin’ny famindrana toerana ny olon-kafa rehetra.

Nandeha fiaramanidina niala tao Saigon ora vitsy taty aoriana i Lien vadiny sy ny zanak’izy ireo anankitelo niaraka tamin’ny renin’i Lien sy ireo rahavaviny.

Ny ampitson’io, dia nandeha nitaingina môtô ny Filoha The sy i Tran Van Nghia izay mpikambana namana mba hitady fanampiana avy amin’ny Croix-rouge internationale. Saingy vetivety foana dia nifanena tamina fiara mifono vy nisy tafondro lehibe iray izay nandeha mafy nanatona azy izy ireo.

Nivoaka ilay lalana i Nghia, ary niafina tao anaty lavaka izy ireo. Nirohondrohona teo akaikin’izy ireo ilay fiara mifono vy.

Teo an-tanan’ireo vietinamiana tany avaratra amin’izay i Saigon.

Herinandro taty aoriana, tamin’ny mey 1975, dia nivoaka avy tao anatin’ny fiara fitateram-bahoaka iray feno olona teo amin’ny tobin’ny tafika iray tany akaikin’i San Diego, Californie, tany amin’ny morontsiraka andrefan’i États-Unis i Le My Lien . Nisy trano lay toy ny tanan-dehibe miitatra natsangana mba hipetrahan’ny mpitsoa-ponenana niisa 18.000 avy any Vietnam teo anoloany.

Tsy nanam-bola i Lien ary zara raha nahay teny anglisy izy. Ary nanana ireo zanany telo izy izay nilaina nokarakaraina eo am-piandrasana vaovao avy tany amin’ny vadiny tany Vietnam.

Ny alina voalohany teo amin’ny toby dia nanao izay vitany i Lien mba hahazoan’ny zanany aina. Tsy nanome azy bodofotsy ny toby fa fandriana kely iray fotsiny no nomeny. Nisisika teo amin’ilay fandriana kely i Vu sy i Huy zanany, ary natory tao anatin’ny fandriana mihantona namboariny tamin’ny alalan’ny lambam-pandriana sy fingotra ilay zazakely.

Tsy nisy toerana nahafahan’i Lien natory, ka dia natory nipetraka teo amin’ny sisin’ilay fandriana kely izy ka niankina teo amin’ny salazan’ilay trano lay. Nangatsiaka ny alina ka niharatsy ny fahasalamany. Fotoana fohy taorian’izay dia fantatra fa voan’ny raboka izy.

Nivavaka tsy tapaka izy mba hatanja-tsaina hatrany ny vadiny ary nino izy fa raha afaka mizaka ny fitsapana lalovany izy dia afaka ny hahazaka ny azy koa ny vadiny. Tsy nandre na inona na inona avy taminy izy hatramin’ny nialany tany Saigon.

Rehefa mandrotsirotsy ilay zanany kely mitomany i Lien dia mitomany koa izy. “Miangavy aho,” hoy izy nitalaho tamin’ny Tompo, “mba ampio hahazaka ity andro ity fotsiny.”

Tamin’ny 1976 dia nogadraina tany Thành Ông Năm ny Filoha The. Niandrandra mafy ny hahazo vaovao momba ny vadiny sy ny zanany izy saingy ny hany fantany momba ny fianakaviany dia avy amin’ny telegrama nalefan’ny filohan’ny Misiônan’i Hong Kong: “Tsy maninona i Lien sy ny fianakaviana. Miaraka amin’ny Fiangonana.”

Efa herintaona mahery tamin’izay ary nanontany tena i The hoe rahoviana izy no ho afaka indray.

Nahatsiravina ny fiainana tany am-ponja. Napetraka tany amin’ny trano ratsy feno voalavo izy sy ireo namany nobaboina. Natory teo amina fandriana vita tamin’ny takelaka vy izy ireo. Ny sakafo tsy ampy sy simba niaraka tamin’ny tontolo niainana maloto tao amin’ny toby dia nahatonga ireo lehilahy ho lasa mora tratran’ny aretina toy ny fivalanan-dra sy ny beriberia.

Ny fandaharam-panarenana araka ireo fitsipiky ny governemanta vaovao dia nahitana asa mamola-damosina sy fampidirana hevitra pôlitika sesimototra. Na iza na iza nandika ireo fitsipika nifehy ny toby dia afaka manantena daroka mafy na fihibohana irery any amin’ny toerana iray.

Tafavoaka velona hatreo i The tamin’ny alalan’ny fisitrisitrihana sy ny fifikarana tamin’ny finoany. Nisy fotoana nieritreritra ny hitsoaka hiala tao amin’ny toby izy. Saingy tsapany fa tsy navelan’ny Tompo izy. “Manàna faharetana,” hoy ny Fanahy nibitsibitsika. “Hilamina ny zava-drehetra amin’ny fotoanan’ny Tompo.”

Fotoana fohy taty aoriana dia nahazo fampahafantarana i The fa homena lalana hamangy azy any amin’ny toby i Ba anabaviny. Raha afaka manome taratasy ny anabaviny ho an’ny fianakaviany izy dia afaka ny handefa izany any amin’izy ireo izy.

Tamin’ilay andro hamangian’i Ba dia niandry tao anaty filaharana i The rehefa teo am-pisavana tanteraka an’ireo gadra teo alohany ireo mpiambina. Nafeniny tao ambadik’ilay lamba lavavala nipetaka tao anatin’ny satrony ilay hafatra. Avy eo dia napetrany tao anaty satroka ny kahie kely iray sy penina iray. Raha tsara vintana dia hahavarimbariana ireo mpiambina ilay kahie.

Nodinidihin’izy ireo ilay penina sy kahie kely ary navelan’izy ireo nandeha izy avy eo.

Tsy ela dia hitan’i The ny anabaviny ka nasisiny tao anatin’ny tanany ilay taratasy. Nitomany izy rehefa nanome sakafo sy vola ho azy i Ba. Natoky izy fa halefany any amin’i Lien ilay taratasiny.

Enim-bolana taty aoriana dia niverina tany amin’ilay toby niaraka tamin’ny taratasy iray i Ba. Nisy sarin’i Lien sy ny ankizy tao anatin’izany. Tsapany fa tsy afaka ny hiandry ela intsony izy.

Tsy maintsy nitady fomba hivoahana ny toby izy ary ho eny an-tsandrin’ny fianakaviany.

I Nguyen Van The miaraka amin’ny fianakaviany

I Nguyen Van The sy ny vadiny Le Ny Lien, miaraka amin’ny zanak’izy ireo lahy tamin’ny 1973. Nahita toeram-pialofana tany États-Unis i Lien sy ny zanak’izy ireo telo, saingy i The dia noterena ho any amin’ny tobin’ny voafonja. Nilaza izy taty aoriana hoe, “Tafavoaka velona tao amin’ilay toby –fanarenana– aho noho … ny finoako an’i Jesoa Kristy.”

Amin’ny maha-ao anatin’ny asa iandraiketan’ny LDS Social Services (Sampan-draharaha misahana ny asa ara-tsôsialy an’ny OAF) ny fikarakarana ny fianakaviana dia nifanaraka tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tany États-Unis izy ireo mba hikarakara mpitsoa-ponenana vietinamiana niisa 550 teo ho eo ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mpikamban’ny Fiangonana. I Lien sy ny fianakaviany dia notohanan’i Philip Flammer, izay profesora tao amin’ny Brigham Young University, sy i Mildred vadiny. Nampian’izy ireo ilay fianakaviana mba hiala tany Californie ary hifindra any Provo, Utah.

Sahirana i Lien tamin’ny voalohany teo amin’ny fitadiavana asa. Nentin’i Philip tany amin’ny toeram-pivarotana lamba efa nampiasaina iray izy mba hanao fangatahana hiditra ho mpikarakara sy mpanadio trano. Saingy nandritra ny tafa sy dinika dia norovitin’ilay mpitantana ny diplaomany tany amin’ny lisea ary hoy izy tamin’i Lien, “Tsy manan-kery io aty.”

Tsy ela izy dia nahita asa nioty serizy tao amin’ny sahan-kazo fihinam-boa tsy lavitra ny misy azy ary asa mandritra ny fotoana voafetra izany. Avy eo izy dia nahita asa fanjaraina ary nanampy ny fidiram-bolany tamin’ny alalan’ny fanaovana mofomamy. Tamin’ny alalan’ny fanampian’i Philip dia nahazo vola koa izy tamin’ny alalan’ny fanoratana tatitra ho an’ireo mpianatra tao BYU tamin’ny alalan’ny milina fanoratana.

Nitoetra ho mahatoky ny Tompo i Lien tao anatin’ireo zava-tsarotra niainan’ny fianakaviany. Nampianariny ny zanany ny momba ny herin’ny vavaka noho ny fahafantarany fa afaka ny hitondra azy ireo hamakivaky ireo fitsapana hatrehany izany.

Avy eo, tany amin’ny faramparan’ny taona 1977 dia nahafantatra i Lien fa tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Malaisie ny vadiny. Afaka nandao an’i Vietnam tamin’ny alalan’ny sambo fanjonoana efa tranainy iray izy rehefa tafavoaka tao Thành Ông Năm ihany tamin’ny farany. Vonona amin’izay izy ho tafaraka amin’ny fianakaviany. Ny hany nilainy dia mpanohana iray.

Nanomboka niasa ora maro kokoa mihitsy aza i Lien mba hanangonana vola ampy hitondrana an’i The any États-Unis.

Ny volana janoary 1978 dia nipetraka tamim-pahasahiranan-tsaina tao anaty fiara iray handeha ho any amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena tao Salt Lake City i Le My Lien. Teny an-dalana hihaona amin’ny vadiny indray izy telo taona latsaka kely taty aoriana.

Rehefa tonga teo amin’ny seranam-piaramanidina i Lien dia tafahaona tamin’ireo namana sy mpikamban’ny Fiangonana hafa izay tonga mba hihaona amin’i The.

Fotoana fohy taorian’izay dia nahita an’i The nidina ny tohatra enti-milina i Lien. Hatsatra ny endriny ary verivery ny fijeriny. Saingy rehefa nahita an’i Lien izy dia niantsoantso azy. Nihetsi-po mafy i Lien.

Nofihininy i The. “Misaotra an’ Andriamanitra,” hoy izy nibitsibitsika, “tonga aty an-trano ihany ianao nony farany!”

Fanamarihana

  1. Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 1, 5–7. Teny nambara nasiam-panovana mba ho marina; raha tokony hoe “The,” ny loharano avy any ifotony dia manonona izany hoe “Tay.”

  2. Kiernan, Việt Nam, 385–91, 395–451; Taylor, History of the Vietnamese, 446–47, 478–83, 536–619.

  3. Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 1, 6–18, 119, 127–33, 136–37; Britsch, From the East, 435–37; “Saigon Branch Evacuation List,” 13 mey 1975, First Presidency, General Correspondence, CHL; Le, Oral History Interview, 1–3; Nguyen, “Escape from Vietnam,” 29.

  4. Le, Oral History Interview, 2–5, 9–10, 16–19, 21, 23, 27; Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 236.

  5. Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 158–60, 163, 184, 190. Teny nambara nasiana fanovana mba ho azo vakina; ny loharano avy any ifotony dia milaza hoe “TSY MANINONA I LIEN SY NY FIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY FIANGONANA.”

  6. Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 160–62, 165–73, 174–79, 189; Vo, Bamboo Gulag, 62–63, 72, 77, 117–26, 143–46, 151–56. .

  7. Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 190–94.

  8. Nguyen Van The, ao amin’ny Water Tower Chronicles (blaogy), watertowerchronicles.weebly.com/the-van-nguyens-story.

  9. Le, Oral History Interview, 29, 45–63; Nguyen sy Hughes, When Faith Endures, 195–98, 203–13, 220.