Valiny fohy sy mivantana
Inona no atao hoe Ziona?
Ao amin’ny soratra masina, ny teny hoe Ziona dia mety hidika hoe:
-
“Ny madio am-po” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21).
-
Ny vahoakan’ny Tompo, na ny Fiangonana sy ireo tsatòka ao aminy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 82:14).
-
Toerana manokana iray niainan’ny vahoakan’ny Tompo sy nivondronan’izy ireo, toy:
-
Ny tanànan’i Enoka (jereo ny Mosesy 7:18).
-
Ny tanànan’i Jerosalema fahiny (jereo ny 2 Samoela 5:6–7; 1 Mpanjaka 8:1; 2 Mpanjaka 9:28).
-
Ny Jerosalema Vaovao—tanàna iray hatsangana amin’ny andro farany ao amin’ny Fivondronan’i Jackson, Missouri, Etazonia (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:66–67; Fanekem-pinoana 1:10).
-
Na dia tsy mivondrona amina toerana tokana iray aza ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao andro iainantsika izao, dia “[mandray] anjara amina tetikasa lehibe hananganana an’i Ziona ho fiomanana amin’ny fiverenan’ny Tompo” isika. Nampianatra antsika ny mpitarika antsika ny hanorina an’i Ziona sy hampatanjaka ny Fiangonana n’aiza n’aiza ipetrahantsika. Manao izany isika, amin’ny ampahany, rehefa mikatsaka ny hanana fiainana toy ny vahoakan’i “Ziona”. Ohatra, mianatra isika ao amin’ny Mosesy 7:18 fa:
-
“Iray fo sy iray saina” izy ireo.
-
Miaina amim-pahamarinana izy ireo.
-
“Tsy nisy mahantra teo anivon[’izy ireo].”