2025
Tsy fiafarana ny fahafatesana
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Feon’ny zatovo

Tsy fiafarana ny fahafatesana

zatovolahy miaraka amin’ny reniny izay eo amin’ny fandriana any amin’ny hôpitaly

Sary nataon’i Katelyn Budge

Nahiditra hôpitaly noho ny fahatapahana lalandrà ny reniko. Nanaitra be anay izany ary dia nanontany tena aho hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny hitrangan’izany.

Na dia teo aza ny ahiahinay dia tsy nanary ny finoanay izahay. Nahafantatra izahay fa ho sitrana izy. Tsy naninona izy avy eo saingy volana vitsivitsy taty aoriana dia nisy indray ilay fahatapahana lalandrà. Tsy afaka nandeha na niteny izy ary sarotra taminy ny nisakafo. Nanohy nivavaka mba hahazoana fanampiana avy amin’ Andriamanitra izahay.

Nitolona noho izany toe-pahasalamany izany nandrapahafatiny ilay reniko. Fantatro fa tsy hoe tsy afaka nanasitrana azy Andriamanitra, fa sitrapony kosa ilay izy mba hiverenany any Aminy. Fantatro fa raha miaina ny fiainako araka ny didin’ny Tompo aho dia afaka ny ho tafaray indray aminy sy ny fianakaviako. Fantatro fa noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy antsika dia hitsangana amin’ny maty isika. Tsy fiafarana ny fahafatesana.

zatovolahy

Anicet P., 17 taona, Kinshasha, Repoblika Demôkratikan’i Congo

Tia mihaino hira, mandany fotoana miaraka amin’ny fianakaviana, ary mamaky ny soratra masina sy boky tsara.