2025
Tsy fantany hoe nila izany aho
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Tsy fantany hoe nila izany aho

Tamin’ny fotoana nianjadiako olana dia nanaraka fitaomam-panahy iray ny namana iray ao amin’ny seminera.

zatovovavy

Sary nalain’i Melanie Miza

Nanana olana manokana aho. Indray andro dia tsy nilamina aho ary tsy te handeha loatra tao amin’ny seminera. Saingy nieritreritra aho hoe “Inty no taona farany ka mila ataoko mahasoa ahy izany.”

Koa dia nandeha ihany aho, ary niresaka momba ny hoe fantatr’i Jesoa Kristy amin’ny anarantsika isika. Namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10 izahay: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra.” Nanomboka heniky ny fihetseham-po aho rehefa nanisy marika ilay andininy. Rehefa heniky ny fihetseham-po aho dia mitomany be, ka noho izany dia tsy te hamaky an’ilay izy tao an-dakilasy intsony aho.

Nanontany ny mpampianatra taty aoriana hoe: “Inona no nahaliana anareo indrindra, ary nahoana?” Tsy te hiresaka aho, saingy nanonona ilay soratra masina ny namako iray. Nijoro ho vavolombelona izy fa tsy hamela antsika ho irery Andriamanitra, fa indraindray isika dia manadino, saingy mahafantatra antsika Izy ary ho eo Izy ho antsika.

Rehefa naheno izany aho dia toy ireny hoe niresaka tamiko tamin’ny alalan’ilay namako ireny izany ny Ray any An-danitra. Toy ny hoe nilaza tamiko izany Izy hoe: “Aza miala Amiko, eto foana aho.”

Taorian’izay dia nandeha namafa ny tarehiko aho dia nanatona ahy ilay namako. Hoy izy: “Tsy nikasa hizara aho saingy nahatsapa aho hoe nila nanao izany satria hanampy olona iray izany. Tsy fantatro hoe ianao izany olona izany.” Nanamafy misimisy kokoa tamiko izany fa tena miraharaha ahy tokoa ny Ray any An-danitra.

Nandeha nody sy nivavaka aho taorian’ny seminera. Raha ny mahazatra dia manolotra fisaorana sy mangataka zavatra aho. Io vavaka io anefa: io amiko no vavaka feno fankasitrahana indrindra nataoko hatrizay. Nahatsapa ny Fanahy tao amin’ny efitranoko aho, ary nahatsapa aho fa teo niaraka tamiko ny Ray any An-danitra.

Mipetraka any Sacatepéquez, Guatemala.