2025
Inona no mampiavaka ny fiangonanareo?
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


“Inona no mampiavaka ny fiangonanareo?”

Tamara W Runia

Taloha aho dia nanontany tena foana hoe inona no havaliko raha misy manontany hoe: “Inona no mampiavaka ny fiangonanareo?” Tsy nampoizina fa nodimandry tampoka ny zanaka lahimatoanay, ary namela vady tena mahafinaritra sy zanaka efatra izy. Tao anatin’ny fisaonanay dia nitondra fanazavana sy fampiononana ho anay ny fampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Manasongadina ny telo amin’ireo fampianarana miavaka ireo ny laharana ho an’ity volana ity:

Voalohany, mampianatra antsika ilay fanambarana momba ny fianakaviana izay azo avy amin’ny fitaomam-panahy fa “ny drafitra masin’ny fahasambarana no ahafahan’ny fifandraisana eo amin’ny fianakaviana haharitra mandrakizay any ankoatry ny fasana.” (Jereo ny pejy 26.)

Faharoa, amin’ny alalan’ny Fiangonan’ny Tompo isika dia manana ny fahefana sy herin’ny fisoronan’ Andriamanitra—ilay hery mihitsy izay namoronana tontolo sy hampiraisana fianakaviana ho mandrakizay. (Jereo ny pejy 2.)

Fahatelo, ny vahoakan’ny Mpamonjy ao amin’ny fanekempihavanana ato amin’ny Fiangonany dia miomana ho amin’ny Fiaviany fanindroany, ary izany dia antony iray hifaliana. (Jereo ny pejy 18, 22.)

Eo am-pandalinanao an’ity laharana ity, dia mivavaka izahay mba hianaranao zava-baovao momba ireo fahamarinana ireo ary hahitanao valin’ilay fanontaniana hoe: “Inona no mampiavaka ny fiangonanareo?”

Amim-pitiavana,

Tamara W Runia

Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy Maneran-tany