2025
Ahoana raha sarotra amiko ny mahazo namana?
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Ahoana raha sarotra amiko ny mahazo namana?

zatovovavy

Rehefa nifindra sekoly vaovao aho tamin’ity taona ity dia nitomany imbetsaka satria tsy te handao ireo namako taloha. Hoy aho hoe tsy ho tiako na oviana na oviana ilay sekoliko vaovao ary tsapako ho toy ny hoe mamadika ireo namako taloha izany aho raha toa ka mahazo namana vaovao.

Mampiseho tarehy ratsy lalandava aho mandritra ny herinandro. Tsy niresaka tamin’iza na iza. Nisy ihany ireo ankizivavy niezaka niresaka tamiko saingy tsy nikasa hinamana amin’izy ireo aho.

Indray andro dia tsapako fa tsy te ho irery aho. Hitako ny ilako misokatra kokoa. Teo am-pijerena horonan-tsary mitohy amin’ny fahitalavitra momba an’i Jesoa Kristy, dia voataona aho hieritreritra momba ny fomba nahazoany namana. Na dia tsy ny rehetra aza no faly Taminy dia nanova ny fiainan’ny hafa Izy, ho an’ny ankamaroan’ny olona.

Noho ny ohatra nasehon’i Kristy dia nanapa-kevitra aho ny hiezaka hahazo namana vaovao, na dia teo aza ny tahotra tao amiko. Natahotra aho satria saro-kenatra ary niahiahy sao hihomehezan’ny olona. Nieritreritra aho anefa hoe: “Manana Ray any An-danitra izay hanampy anao ianao. Na dia holavin’ny rehetra aza ianao dia ho eo foana Izy.”

Amin’izao aho rehefa manao jery todika, dia afaka mahita fa ilay Namana iray izay tsy nandao ahy na oviana na oviana nandritra izany fotoana izany dia ny Mpamonjy. Noho ireo zava-niainana mafy nandalovako dia lasa tena nanakaiky Azy be mihitsy aho. Tena tia antsika fatratra Izy hany ka natolony ho antsika ny ainy. Ary nomeny antsika ny soratra masina mba hahafahantsika mahafantatra ny fomba hahatongavana tahaka Azy. Afaka miantehitra lalandava amin’i Jesoa Kristy mba ho Namanao ianao.

Rebeca C., 13 taona, Ceará, Brésil

Tia milalao vôley, mamaky boky, ary manao sary.