Feon’ny zatovo
Fampiononana avy amin’ny fihaonambe
Sary nataon’i Katelyn Budge
Nasaina hanao lahateny nandritra ny fihaonamben’ny tsatòka aho. Nihevitra aho anefa fa tsy hanana fotoana hiomanana noho ireo zavatra any am-pianarana hoavy.
Raha mbola teo am-panapahana hevitra ny hoe hanao lahateny sa tsia aho dia tonga ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Nampianatra ny Loholona Carl B. Cook hoe: “Ny fampiharana finoana ny Mpamonjy Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy ny hakiviana na inona na inona sakana hatrehantsika.”
Tsaroako ny fomba nanampian’ny Tompo ahy hanatanteraka ireo andraikitro tany amin’ny lasa. Rehefa nampifandray ny zavatra niainako manokana tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nomen’ny Loholona Cook aho dia nahatakatra fa hahazo hery aho hanatanteraka ilay lahateny amin’ny fihaonamben’ny tsatòka ka tsy hatahotra.
Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mahatsapa ho mitebiteby na matahotra aho dia hanentana ny fanahiko i Kristy amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany sy mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana, ny soratra masina, ary ny olona manodidina ahy.
Eru M., 17 taona, Préfecture de Gunma, Japon
Tia mitendry zava-maneno ary mijery sary sy horonan-tsary tranainy mba hamentsoventsoina ny lasa.