Feon’ny zatovo
Fahaketrahana, ny Fanahy, ary ny Soratra masina
Sary nataon’i Katelyn Budge
Nifindra toerana imbetsaka aho teo amin’ny fiainako. Taona vitsy lasa izay dia nifindra tany Dubai nandritra ny fotoana fohy izahay. Rehefa nosokafako ny valiziko dia ny soratra masiko no zavatra any anatiny indrindra. Nieritreritra aho fa tokony hamaky izany aho. Nataoko izany, izay zavatra tsy nahazatra loatra satria izaho dia tsy mba manaraka fitaomam-panahy firy. Saingy nanomboka hatrany am-boalohany aho, ary dia namaky toko dimy na enina teo aho raha ny fahitako azy.
Taty aoriana dia nasaina hanao lahateny tany am-piangonana aho. Talanjona aho niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fandalinana soratra masina. Nanoratra ny lahateniko aho ary nieritreritra hoe: “Oay, tena tokony hamaky misimisy kokoa ny soratra masina aho.” Lasa ohatran’ny hoe fifaninanana teo amiko sy ny dadako ihany koa ilay izy. Efa tany amin’ny Almà izy ary tsy te hanenjika azy aho. Nanomboka namaky ny soratra masiko isan’andro aho—toko 10 na 15 mihitsy indraindray!
Nanomboka nahatsikaritra traikefa ara-panahy maro kokoa aho. Rehefa mamaky betsaka toy izany ianao dia mahatonga anao hahazo fanambarana ho an’ny tena manokana izany. Tena namorona fotoana ho an’ny Tompo tokoa aho.
Nanomboka nirakitra diary ho an’ireo zavatra ara-panahy aho. Nanoratra aho tao amin’ny pejy iray hoe: “Namaky ny 3 Nefia momba ny nidinan’i Jesoa Kristy hitsidika ny vahoaka sy ny zavatra mahavariana maro nataony aho. Nahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho androany.”
Tena gaga aho noho ny habetsak’ireo zavatra niainako, indrindra rehefa mitady azy ireo aho. Hoy aho: “Oay! Tena miresaka amiko be mihitsy Andriamanitra.”
Tena nanampy ahy tokoa ny fandalinana ny soratra masina, indrindra teo anatrehan’ny adin-tsaina rehetra avy amin’ny fifindrana toerana imbetsaka. Tenin’i Kristy ny soratra masina. Miresaka amintsika amin’ny alalan’izy ireo Izy. Afaka manakaiky Azy kokoa aho amin’ny alalan’ny teniny.
Linnaea E., 16 taona, Hawaii, Etazonia
Tia milalao tenisy, mandeha an-tongotra eny ankalamanjana, mitaingina surf, ary mitendry pianô.