2025
Harena miafina
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Avia, hanaraka Ahy

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95; 103; 107

Harena miafina

Karohy ny ao anatin’ny soratra masina. Tsy anenenana ny manao izany.

zatovovavy

Mampahatsiahy antsika amim-pitiavana an’ireo didy izay tsinontsinoavintsika ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95

Tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95 dia somary kivy tamin’ny Olomasina ny Tompo. Nandidy azy ireo Izy teo aloha mba hanangana tempoly iray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:119)—kanefa dimy volana taty aoriana dia tsy mbola nanao na inona na inona izy ireo.

Mety hoe sarotra inoana izany raha amin’izao androntsika izao. Zavatra ifantohana tena goavana ho antsika izany fanorenana tempoly izany! Kanefa tamin’ny 1833 dia tsy mbola nanambara zavatra firy momba ny tempoly ny Tompo. Tsy tao an-tsain’ny Olomasina firy ny maha-zava-dehibe azy ireo.

Inona izany no nataon’ny Tompo tamin’izay? Nanome antsipiriany kokoa Izy momba ny antony naniriany ny hanorenan’izy ireo tempoly iray (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8–17). Nofakafakainy ny zavara nolazainy teo aloha, ka izany dia nitondra fahatakarana vaovao sy nampiorim-paka ny maha-zava-dehibe an’ilay izy.

Mahatonga famaizana ny fahotana, saingy mampanantena fitahiana hatrany ny Tompo.

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103

Tamin’ny taona 1834, dia nanontany tena ireo Olomasina hoe nahoana ny Tompo no namela ny fahavalon’izy ireo hanorisory azy ireo sy handroaka azy ireo hiala amin’ny taniny. Nanome valiny anankiroa tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo.

Voalohany, nilaza ny Tompo fa indraindray Izy dia mamela ny olon-dratsy hanao zavatra ratsy “mba hahazoan’ [izy ireo] mameno ny fatran’ny helony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:3). Toy izao no nilazan’i Almà an’ilay izy: “Izy dia mamela ny hahazoany manao [zavatra ratsy], … ka ny fitsarana izay hampihariny aminy ao amin’ny fahatezerany dia ho marina” (Almà 14:11).

Mety tsy mora ny maheno ny antony iray hafa nanomezan’ny Tompo ny Olomasina ny olan’izy ireo: “Mba ho azo faizina … mandritra ny fotoana fohy ireo izay mampitondra ny tenany ny anarako, noho izy ireo tsy nihaino tanteraka ny fitsipika sy ny didy izay nomeko azy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:4).

Tsy midika akory izany fa mankatoa ny zavatra ratsy sy tsy ara-dalàna nataon’ny fahavalon’izy ireo Andriamanitra. Tsy hoe nanome “fanentanam-panahy” ny mpihetraketraka Izy hanafika ny Olomasina; navelany izy ireo hampiasa ny fahafahany misafidy ary tsy niditra an-tsehatra Izy mba hanakana azy ireo.

Saingy mbola nampanantena ny Tompo fa raha toa ka mankatò ny Olomasina dia “tsy hitsahatra na oviana na oviana ny handresy [izy ireo]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:7).

I Abrama mitsodrano an’i Melkizedeka

Nahoana ny Fisoronana no antsoina araka ny anaran’i Melkizedeka?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107

Mety efa nanontany tena ianao hoe nahoana ny fisoronana avo no antsoina amin’ny anaran’i Melkizedeka. Nanazava izany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo:

“Talohan’ny androny dia natao hoe ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra izany. Nefa ho fanajana sy fitsaohana ny anaran’ Ilay Izy Faratampony, ho fisorohana ny famerenana matetika loatra ny anarany, ny fiangonana tamin’ny andro fahiny dia niantso io fisoronana io araka an’i Melkizedeka na ny Fisoronana Melkizedeka” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:3–4).

Eritrereto kely hoe matetika toy ny ahoana no anononana ny hoe “Fisoronana Melkizedeka” mandritra ireo fivoriam-piangonana sy sehatra hafa iresadresahana ao amin’ny Fiangonana. Dia eritrereto kely ange hoe “ny Zanak’ Andriamanitra” foana no lazaina isaky ny mihetsika fa tsy hoe “Melkizedeka”. Manomboka lasa ohatran’ny hoe tsy manaja. Te hisoroka izany ny Tompo.