2025
Famantarana ny Fiaviana Fanindroany: Tsy misy antony hatahorana
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Famantarana ny Fiaviana Fanindroany: Tsy misy antony hatahorana

Misy zavatra goavana maro naminaniana fa hitranga mialoha ny hiverenan’ny Mpamonjy indray. Saingy manana antony tsara tsy hatahorana anefa ianao.

zatovovavy

He Comes Again to Rule and Reign [Ho avy indray Izy hanapaka sy hanjaka], nataon’i Mary RL Sauer

Hiverina indray i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Nampianatra an’io fahamarinana io mazava tsara Izy (jereo ny Matio 24). Maro ny olona te hahalala hoe rahoviana izany no hitranga, saingy i Jesoa dia nilaza fa “ny amin’izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany” (Matio 24:36).

Kanefa ny Tompo dia nanambara famantarana maromaro izay hialoha ny Fiaviany fanindroany. Maro amin’ireo no mampientanentana sy mahatalanjona, toy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanangonana an’i Isiraely.

famantaranandro

Fa misy ihany koa anefa … ireo famantarana hafa. Ohatra:

  • Ady sy filazana ady ary korontana manontolo.

  • Mosary sy aretina ary horohorontany.

  • Famantarana eny amin’ny lanitra (tafiditra ao anatin’izany ny masoandro, ny volana ary ny kintana) sy eto amin’ny tany (tafiditra ao anatin’izany ny afo, rivo-mahery, tafio-drivotra ary eton’ny setroka).

  • Faharatsiana, avonavona ary fahamafisam-po.

kômety

Mety hampatahotra avokoa izany rehetra izany. Raha ny marina, nilaza ny Mpamonjy fa amin’ny andro farany dia harefo ny fon’ny olona maro noho ny tahotra.

Ka izao, mety mandinika ireo olana manerana izao tontolo izao ianao, ary koa ireo fisedrana manjo anao manokana, ka mahatsiaro ho sahiran-tsaina sy mitebiteby ianao. Mety hoe manontany tena ianao hoe inona no azonao andrandraina raha toa ka vao mainka hampatahotra kokoa sy ho sarotra kokoa ireo zavatra mitondra mankamin’ny Fiaviana Fanindroany.

olona manosika glôba lehibe iray hiakatra tendrombohitra iray

Tsy toy izany anefa no irin’i Jesoa Kristy hiomananao—ianao izay iray amin’ireo mpianany—amin’ny fiverenany.

Ny hafatry ny Tompo ho an’ireo mpianany

Na dia eo aza ireo savorovoro sy fisahotakotahana amin’ny andro farany dia nilaza tamin’ny mpianany ny Mpamonjy hoe: “Aza matahotra.” Satria nahoana? Satria “rehefa hitranga ireo famantarana ireo, dia hahafantatra ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenana izay efa natao taminareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:35).

Nilaza tamintsika i Jesoa Kristy hoe “aza matahotra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:41) sy hoe “mahereza” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36). Noho izany, ho solon’ny fifantohana amin’ireo antambo izay ho avy dia ny mifantoka amina zavatra hafa no tsara indrindra.

Ireto misy fomba manan-danja telo azonao hampiharina mba hahafahanao “[tsy hatahotra],” hiandrandra ilay Fiaviana Fanindroany be voninahitra, ary hilaza miaraka amin’i Jaona ilay Mpanambara hoe: “Avia, Jesosy Tompo” (Apokalypsy 22:20).

ranomasina tsara tarehy

1. Banjìno ny mpaminany

Nampitandrina ny Mpamonjy fa hisy Kristy sandoka maro sy mpaminany sandoka maro hamitaka olona maro mialoha ny fiaviany. Manodidina antsika rehetra eny dia misy feo mafy sy mampikorontan-tsaina ary ratsy maro manandrana mampivily lalana antsika. Amin’ny andro farany, i Satana dia “ho romotra ao am-pon’ny zanak’olombelona … ka hamporisika azy ho tezitra amin’izay tsara” (2 Nefia 28:20). Na ny olom-boafidy aza dia ho voala amin’ny fahamarinana.

Nanome antsika fanampiana goavana anefa ny Tompo. Niantso mpaminany Izy mba hitahiana sy hitarihana antsika. Tsy hitarika antsika hivily lalana ary tsy afaka manao izany ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Nilaza ny Mpamonjy hoe: “Na amin’ny alalan’ny feoko, na amin’ny alalan’ny feon’ny mpanompoko, dia iray ihany izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Afaka mangataka ny Ray any An-danitra mba hanana ny Fanahy Masina ianao hanamafy ireo fahamarinana ampianarin’izy ireo, toy ireo fampianarana farany avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson: “Mbola ho avy ny maraina, … satria hiverina indray ny Mpamonjy!” Ary: “Miomana ny hiverina indray Izy. Enga anie isika mba hiomana toy izany koa handray Azy.”

Russell M. Nelson

Rehefa manaraka ny fampianaran’izy ireo “amin’ny faharetana sy ny finoana rehetra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5) ianao, dia afaka hahita ny hitahian’izy ireo ny fiainanao.

Nilaza ny Loholona Allen D. Haynie hoe: “Fony aho mbola zaza dia nampatahotra ahy ireo faminaniana ireo ary nahatonga ahy hivavaka mba tsy ho tonga mandritra ny androm-piainako ny Fiaviana Fanindroany. … Saingy amin’izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin’izany no ivavahako. …

“… Tsy mila matahotra isika. Ny fotopampianarana sy ireo fitsipika izay tsy maintsy arahintsika mba hahatafavoahana velona ara-panahy sy mba haharetana ara-batana dia hita ao anatin’ireo tenin’ny mpaminany velona.”

Rehefa manaraka ny fitarihan’ny mpaminany sy apôstôly ianao dia hanolo ny tahotra ao aminao ny finoana sy ny fanantenana ary ny fifaliana.

2. Mitsangàna eo amin’ny toerana masina

Nilaza ny Mpamonjy fa eo anivon’ireo zava-doza amin’ny andro farany, dia “hitsangana eo amin’ny toerana masina ny mpianatro ary tsy hoesorina” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:32). Tafiditra ao anatin’ireo toerana masina ireo ny tokantranontsika, ny trano fiangonana, ary ny tempoly.

tempoly

Mahakasika ny tempoly, dia nampianatra ny Filoha Nelson fa “ny antoka tsara indrindra ananantsika dia ny manohy ho mendrika ny ho tafiditra ao amin’ny tranony masina.” Ary “ny fandaniana fotoana bebe kokoa ao amin’ny tempoly dia hanampy antsika hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany.”

Jesoa Kristy

Eventide [Harivariva], nataon’i Yongsung Kim

3. Manomana izao tontolo izao

Ny anjara asa iray sahanin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany dia ny manampy izao tontolo izao hiomana amin’ny fiverenany. Ary afaka manampy ianao amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny asany.

Afaka mizara ny filazantsara amin’ny hafa ianao ary manampy mitondra ny fahazavana sy fahamarinan’ Andriamanitra amin’ireo izay “tsy [m]ahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany ny fomba izay ahitana izany fotsiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12).

Azonao atao koa ny manatanteraka batisa any amin’ny tempoly ho an’ireo olona any am-pitan’ny voaly izay niaina ka “maty tsy nanana fahalalana [ny] filazantsara ity, izay ho nandray izany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:7).

Na dia eo aza ireo zavatra ratsy tsy tambo isaina eto amin’izao tontolo izao, dia afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa ianao ary manampy mitondra fanasitranana ho an’izao tontolo izao. Afaka manampy ianao amin’ny fanomanana vahoaka izay azon’ny Mpamonjy hivantanana ka ho vonona handray Azy.

Andraikitra lehibe izany ary tena mahafinaritra ny miandrandra izany.