2025
Ireo fitahiana entin’ny fahefana sy herin’ny fisoronana
Ho zatovo mahery!, Septambra 2025


Ireo fitahiana entin’ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana

Naverina tamin’ny laoniny amin’izao andro iainantsika izao mba hitahiana ny zanany rehetra ny fisoronan’ Andriamanitra.

famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka

Restoration of the Melchizedek Priesthood [Famerenana amin’ny laoniny ny Fisoronana Melkizedeka], nataon’i Walter Rane

Matetika ireo zatovo no mametraka fanontaniana momba ny fisoronana. Raha ny momba ny fisoronana dia toy izao no fijoroana ho vavolombelona omentsika izao tontolo izao:

  1. Tena zava-dehibe amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famojena sy ny fisandratana ny fisoronany masina.

  2. Naverin’ Andriamanitra teto an-tany ny fisoronana.

  3. Tantanan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny fisoronana.

Nahoana isika no mila ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana

I Jesoa Kristy no lohan’ny Fiangonana. Ny Fiangonana dia fitaovana natsangany mba hanatanterahana ny asa manan-danjan’ny fanavotana ny zanak’olombelona. Amin’ny alalan’ny Fiangonana, isika dia afaka:

  • Mitory ny filazantsarany manerana izao tontolo izao.

  • Manolotra batisa sy ireo fanekempihavanana hafa rehetra—dia ny lalan’ny fanekempihavanana izay mitondra any amin’ny fanjakana selestialiny mihitsy.

  • Mampiombona ny fianakaviana ho mandrakizay.

  • Manolotra ireo fanomezam-pahasoavan’ny famonjena, eny fa na dia ho an’ireo izay efa maty nefa tsy nahazo izany aza.

  • Mitondra fanompoana manoloana ireo zavatra ilain’ireo zanak’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao eo amin’ny lafiny ara-batana.

I Jesoa Kristy mampianatra

Jesus Teaching Mary [I Jesoa mampianatra an’i Maria], nataon’i Dan Burr

Mba hanatanterahana ireo tanjona feno voninahitra ireo, ary mba hiomanana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy, dia mila ny fitarihan’ Andriamanitra sy ny fahefany ary ny heriny tsy tapaka ny Fiangonana. Ny Fiangonana no “fiangonana marina sy velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:30) satria ametrahan’i Kristy ny fitarihany sy ny heriny amin’ny alalan’ny fisoronany izany.

Raha tsy misy io fisoronana masina io, dia ho fikambanana tsy ara-pivavahana toy ny maro hafa fotsiny ihany ny Fiangonana raha ny tena marina, manao soa eto amin’izao tontolo izao kanefa tsy manana hery hanatratrarana ilay tanjona hoe manomana ireo zanak’ Andriamanitra ho an’ny fifalian’ny fiainana mandrakizay eo anatrehany. Noho io fisoronana io sy ireo fanalahidy hitarihana ny asan’io fisoronana io, dia sady misy ny fahefana no misy ny lamina ao amin’ny Fiangonana.

“Ao amin’ny Fiangonana, ny fahefan’ny fisoronana rehetra dia ampiasaina eo ambany fitarihan’ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana.

“Ireo lehilahy mendrika mpikamban’ny Fiangonana dia mandray ny fahefan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fanomezana ny fisoronana sy ny fanendrena ho amina anjara fanompoana ao amin’ny fisoronana. Ny mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia afaka mampiasa fahefana nozaraina rehefa atokana na voatendry hanampy eo amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra.”

vehivavy misiônera

Naverina amin’ny laoniny amin’izao androntsika izao

Raha teo andalam-pandikana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny 1829, dia nanomboka nametraka ny rafitry ny fisoronany ny Tompo. Ho valin’ny vavaka nataon’i Joseph Smith sy Oliver Cowdery momba ny batisa, dia niseho sy nanome azy ireo ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa izay efa natsangana tamin’ny maty, ka izany fisoronana izany dia “mihazona ny fanalahidin’ny fanompoan’ny anjely sy ny an’ny filazantsaran’ny fibebahana ary ny an’ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1). Nifanao batisa ary nanao batisa olon-kafa tamin’ny alalan’izany fahefana izany i Joseph sy Oliver teo am-pitsanganan’ny Fiangonana tamin’ny fomba ôfisialy.

Fotoana fohy taorian’izay dia niseho sy nanome ny fisoronana ambony na ny Fisoronana Melkizedeka ireo Apôstôly fahiny dia i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, ka tafiditra ao anatin’izany “ny fanalahidin’ny fanjakako sy ny fotoampitantanan’ny filazantsara ho an’ny … fitantanan’ny fotoam-pahafenoana!” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:12–13; 128:20).

zatovolahy miaraka amina tanana eo ambonin’ny lohany

Tonga ny fahefan’ny fisoronana fanampiny rehefa niseho tamin’i Joseph sy i Oliver tao amin’ny tempolin’i Kirtland ny mpaminany fahiny telo, i Mosesy, sy i Elià ary i Elia, dia nanome azy ireo ny fanalahidin’ny fanangonana an’i Isiraely sy ny an’ny asa atao any amin’ny tempolin’ny Tompo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16).

misiônera

Ny hery hitahiana

Raha fintinina, ny tanjon’ny fahefana sy ny herin’ny fisoronana izay naverin’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny dia ny hitahiana. Manome fahafahana ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra hampiasa ny herin’ Andriamanitra amin’ny fanompoana sy fitahiana ny hafa ao amin’ny Fiangonana, any an-tokantrano ary manerana izao tontolo izao izany. Ireo mpikambana dia miara-miasa amin’ny Mpamonjy amin’ny fanatanterahana ny asany ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana, ka mampiasa fanomezam-pahasoavana sy hery avy amin’ Andriamanitra mihoatra lavitra noho izay ananan’izy ireo manokana mba hanampiana ny fanjakan’ Andriamanitra hitombo ka hameno ny tany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 65:2, 5–6).

Nohazavain’ny Tompo fa “ity fisoronana [Melkizedeka] ambony ity dia mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’ Andriamanitra.

“Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:19–20).

Ny ôrdônansy dia fombafomba tanterahina amin’ny alalan’ny fisoronana izay anaovantsika fanekempihavanana amin’ Andriamanitra, manomboka amin’ny batisa, ary mitohy any amin’ireo fanekempihavanana raisina ao amin’ny tranon’ny Tompo. Ny fitandremantsika ireny fanekempihavanana ireny no mampiova antsika avy amin’ny maha lehilahy sy vehivavy “araka ny nofo” antsika ka lasa olomasina (jereo ny Môzià 3:19) amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny sorona fanavotana nataon’i Kristy ka lasa sady nohamarinina no nohamasinina—tsy manan-tsiny sy tsy misy pentina—eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:29–31; 3 Nefia 27:16–20).

Jesoa Kristy

Christ in America [I Kristy tany Amerika], nataon’i Ben Sowards

Mirakitra famintinana tena mety ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” izay nataon’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ambaranay fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, naorina tamin’ny 6 aprily 1830, no Fiangonan’i Kristy tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao naverina tamin’ny laoniny. Ity Fiangonana ity dia mifototra lalina amin’ny fiainana tonga lafatr’ilay fehizorony indrindra, dia i Jesoa Kristy, sy ny Sorompanavotany tsy manam-petra ary ny Fitsanganany tamin’ny maty ara-bakiteny. Niantso Apôstôly indray i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo fahefan’ny fisoronana. Manasa antsika rehetra Izy hanatona Azy sy ny Fiangonany, handray ny Fanahy Masina, sy ireo ôrdônansin’ny famonjena, ary mba hahazo fifaliana maharitra.”