Miala voly kely
Sary nataon’i David Klug
Manorina amin’ny alalan’ny tsipìka
Niasa mafy ny Olomasina tany am-piandohana raha nanorina ny Tempolin’i Kirtland. Mamoròna Tempolin’i Kirtland eto amin’ny alalan’ny fanoritana tsipika eo amin’ilay faritra voatokana araka ny toromarika. (Mampiseho ny lalana tokony hanoritana ny tsipìka, ary ny isa dia ny ambina faritra mbola mila fenoina ao amin’ilay faritra voatokana manontolo.)
Fanoroana fahendrena
Ny Tenin’ny Fahendrena, izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 89, dia milaza fa ny “zavapisotro mahery” sy ny “zavapisotro mahamay” dia tsy natao “ho an’ny kibo” (andininy 7, 9). Nohazavain’ireo mpaminany fa ny “zavapisotro mahery” dia zavapisotro misy alikaola ary ny “zavapisotro mahamay” dia ilazana manokana ny kafe sy ny dite vazaha (na mafana na mangatsiaka), fa tsy ny zavapisotro hafa izay mafana.
Raha miainga avy amin’ireo fanoroana, dia lazao hoe vera inona no misy ranom-boankazo, ronono, ary vera inona no tokony halavirina: ny anankiroa misy “zavapisotro mahery” ary ny anankiray misy “zavapisotro mahamay” (kafe na dite vazaha).
Fanoroana:
-
Ny vera fohy indrindra sy ny vera lava indrindra dia tsy misy ranom-boankazo.
-
Ny kaopy misy tahony fitazomana dia misy “zavapisotro mahamay.”
-
Samy eo akaikina “zavapisotro mahery” ny ranom-boankazo sy ny ronono.
-
Eo akaikin’ny “zavapisotro mahamay” ny ranom-boankazo, fa ny ronono dia tsy toy izany.
Kilalao hampiasana faharanitan-tsaina momba ny fanorenana
Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94 ny Tompo dia manasa ny Olomasina hanorina “fiantombohan’ny fanorenana ny tanàna” araka “ny toromarika izay efa nomeko anareo” (andininy 1–2).
Inona no vongana marina ho an’ity fototra ity?
A.
B.
D.
E.
F.
G.
Hatsikana
Jona a! Ito ary! Hazandrano no nahandrontsika androany!
Aoka izao fa misaotra ka! Mifady hazandrano aho ato ho ato!
Ryan Stoker
Valiny
Fanoroana fahendrena: A. ronono, B. zavapisotro mahery, D. zavapisotro mahamay, E. ranom-boankazo, F. zavapisotro mahery
Kilalao hampiasana faharanitan-tsaina momba ny fanorenana: G.