Fanontaniana sy valiny
“Manao safidy tsy mampahazo aina ahy ireo namako akaiky. Inona no ataoko?”
“Resaho amin’ireo namanao ny zavatra tsapanao. Misokatra ny lalana ho amina fifandraisana mahasoa kokoa rehefa miresaka isika. Indraindray dia sarotra ilay izy satria mihevitra isika fa mety ho sorena ny namantsika, saingy misy vahaolana: ataovy izay ho nataon’i Kristy dia manàna fangorahana.”
Luan R., 19, São Paulo, Brésil
“Indraindray ny safidy ataon’ny namana dia vokatry ny fanarahan-drenirano. Raha resahako amin’ny namako ny safidin’izy ireo dia afaka manampy azy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny tanjona ataony sy ny soatoavina arahany izy ireo. Amin’ny fotoana hafa indray dia tsy mitovy hevitra amin’izay tsara sy manan-danja izahay, kanefa tsy maintsy manaja ny hevitra sy fahafahana misafidin’ilay iray hafa isika.”
Maggie J., 18, Texas, Etazonia
“Mety hoe tsy mahazo aina ianao satria milaza aminao ny Fanahy Masina hoe tsy mety ny ataon’izy ireo. Asao izy ireo hanao zavatra hafa.”
Lorenzo M., 12, Quezon City, Philippines
“Azonao tarihina izy ireo ho amin’ny lalan’ Andriamanitra na hitady namana hafa izay ho fitaomana tsara ho azy ireo. Mivavaha mba hahafantarana izay fanapahan-kevitra mila raisina. Atokiso ny fitsaran’ny Rainao any An-danitra dia hitarika anao Izy.”
Haiden W., 15, Washington, Etazonia
“Hanao izay tsara indrindra azoko atao aho mba ho ohatra tsara. Hivavaka ho azy ireo koa aho satria fantatro fa ny fahazavana dia mandresy ny haizina foana foana.”
Isaac M., 19, Lualaba, Repoblika Demôkratikan’i Congo
“Manàna fahasahiana sy herim-po tahaka ny nananan’i Môrônia. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy foana ny namana hanao zavatra tsy mety ary hila fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra isika mba hiatrehana izany. Isa-maraina aho dia mivavaka mba hitafiana ny fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra, ary dia tena manampy ahy betsaka tokoa izany!”
Asa F., 15, Utah, Etazonia
“Tiavo izy ireo ary avelao ny fahazavanao hamirapiratra. Hanomboka hanaja ny fanapahan-kevitrao ny olona. Izaho sy ny fianakaviako no hany mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ao amin’ny sekolinay, ary tsikaritro fa lasa tsy miteny ratsy intsony ny olona rehefa eo izahay satria fantatr’izy ireo fa tsy mitovy amin’izy ireo izahay.”
Penelope W., 13, Central Region, Portugal