Mizara fifaliana ao Kenya
Rehefa nahita ny filazantsara i Robert, dia tsy maintsy nozarainy tamin’izay olona rehetra fantany izany. Tena marina e! ny olona rehetra fantany.
Sary nalain’i Leslie Nilsson sy Eric D. Snider
Hatramin’ny nahavitana ny batisany tamin’ny aogositra 2024, dia nahatonga namana mihoatra ny 50 ao amin’ny fiangonana i Robert L., 18 taona, avy ao Kenya—ary nanao batisa ny 25 amin’izy ireo izy!
Ireo no fitambarany raha niresaka taminy volana vitsivitsy laza izay izahay. Fa mety efa niakatra ireo tarehimarika ireo amin’izao.
Robert, izay mpikambana ao amin’ny Sampana Bukuru ao amin’ny Distrikan’i Kisumu Kenya dia lasa nahalala Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany am-piandohan’ny taona 2024 rehefa nihaona tamina lehilahy Amerikanina nanao asa fanasoavan’olona tao Kenya izy.
“Tsy nampoiziko mihitsy hoe ho lasa tsara kokoa ny fiainako,” hoy Robert. “Tsy nanam-bola ny ray aman-dreniko; tsy afaka nandefa ahy tany am-pianarana izy ireo.” (Ao Kenya, na dia ny sekolim-panjakana aza dia andoavam-bola.)
“Fantatro anefa fa hanampy ahy ny Ray any An-danitra. Nanomboka nivavaka sy namaky ny Testamenta Vaovao aho. Avy eo aho dia nihaona tamin’ilay olona hanohana ahy ara-bola.”
Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ilay “mpanohana” azy io, izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainan’i Robert tamin’ny fomba anankiroa: nanampy azy afaka hianatra, ary indrindra indrindra, nizara ny filazantsara taminy (toy ny nataon’ny zatovolahy iray hafa izay vao lasa mpikamban’ny Fiangonana). Natao batisa i Robert enim-bolana taty aoriana.
Nanasa olona marobe hankao amin’ny fiangonana i Robert L. avy ao Kenya—mpiray monina, mpiara-mianatra, ankizy izay miara-manao fanatanjahantena aminy—ny olona rehetra.
Fanonerana
Mazava ho azy fa te hizara ireo fitahiany vaovao amin’ny hafa i Robert. Tsy afaka manohana ara-bola fianaran’olona anefa izy. Saingy azony atao tsara ny mampianatra azy ireo ny filazantsara!
Nanomboka nanasa olona ho any am-piangonana izy—ny mpiray monina, mpiara-mianatra, ankizy izay niara-nanao fanatanjahan-tena taminy—ny olona rehetra fantany. “Indray alahady aho nitondra dimy, dia folo indray tamina alahady iray hafa,” hoy izy. “Nalefako tany amin’izy ireo ny misiônera avy eo mba hahafahan’izy ireo mahatakatra sy mahafantatra fa marina io Fiangonana io ary mba hahafahan’izy ireo miaina ny zavatra niainako.”
Tsy ela akory dia nisafidy ny hatao batisa ny naman’i Robert sasany ary nangataka azy mba hanatanteraka ilay ôrdônansy.
Mitombo haingana ny Fiangonana ao Afrika, izany dia noho ireo mpianatr’i Kristy tahaka an’i Robert ihany koa. Nanao batisa olona 10 izy ny herinandro iray, 11 ny herinandro manaraka, ary 4 “fotsiny” ny herinandro nanaraka izay.
Manasa ireo namany ho ao amin’ny sampan’ny Fiangonana misy azy, izay mivory ao anaty lay ao amin’ny toerana feno bozaka iray, i Robert.
Mihoatra ny roa ambin’ny folo amin’ireo namana vao vita batisa ireo no niaraka taminy tany amin’ny fihaonambe HZM tao Kenya tamin’ny desambra lasa teo, isan’izany ny namana iray izay efa nanao batisa ny namany iray hafa.
Hitanareo amin’izay ve hoe amin’ny fomba ahoana no hitomboan’ilay vahana? Izy samy izy ihany no mahatonga ilay vahana hitombo!
Mahatsapa ny Fanahy
Milaza i Fredrick A., 17 taona fa rehefa nanasa azy hankany am-piangonana i Robert namany, dia nahatsapa ny Fanahy izy, tena nahery vaika tokoa ka tsy afaka nandà izany izy.
“Rehefa tonga tany am-piangonana aho dia nalefa tamiko ny Fanahin’ Andriamanitra,” hoy i Fredrick. “Nomena ny Bokin’i Môrmôna aho ary nanomboka namaky. Raha misy tsy azoko dia manontany ny filohan’ny sampana foana aho ary mivavaka.”
I Robert (ankavia) sy i Fredrick dia nijanona mpinamana foana nanomboka ny fotoana nampahafantaran’i Robert azy ny filazantsara.
Namana iray hafa nataon’i Robert batisa i Gift M., 18 taona. “Faly aho fa mpikambana ao amin’ny Fiangonana marina—ilay hany Fiangonana marina eto amin’izao rehetra izao,” hoy i Gift sady mitsikitsiky.
Miandrandra ny hanao asa fitoriana ny filazantsara i Gift.
Maro amin’ireo olona izay nasain’i Robert ho any am-piangonana no nisafidy ny hatao batisa, ary dia manasa ny hafa mba ho avy ihany koa izy ireo.
Mbola misy asa miandry
Mikasa hanao asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno i Robert raha vantany vao mahavita ny fianarany (i Gift sy Fredrick ihany koa). Inona no antony haniriany izany na dia efa miharihary aza fa hainy ny mizara ny filazantsara?
“Mila manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno aho mba hahazo traikefa sy hianatra bebe kokoa,” hoy i Robert. “Hanamafy ny finoako izany ary hanova ny toe-tsaiko. Izany no tian’ Andriamanitra hataoko.”
Tsy mbola vita hatreo ny fizaran’i Robert ny filazantsara. Mikasa handeha hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno izy. “Izany no tian’ Andriamanitra hataoko,” hoy izy.