Ho an’ireo andro tsara ihany koa i Jesoa Kristy
Rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra, ahoana no ahafahantsika mifantoka hatrany amin’ny Mpamonjy? Ireto misy hevitra vitsivitsy:
Alaivo sary an-tsaina hoe rehefa sahirana ihany ny namana iray vao mba mandany fotoana miaraka aminao ary manalavitra anao izy rehefa sambatra. Fifandraisana tsara ve izany? Azo lazaina hoe tsia.
Moa ve isika efa nanao toy izany tamin’ny Mpamonjintsika—mikatsaka Azy ao anatin’ireo fotoan-tsarotra ary manadino Azy amin’ireo fotoam-pilaminana?
Miresaka betsaka momba ny fomba anampian’i Jesoa Kristy antsika ao anatin’ireo fotoan-tsarotra lalovantsika isika, angamba satria tsy maintsy miatrika zava-tsarotra daholo ny olona rehetra na ho ela na ho haingana.
Saingy misy anefa ireo andro sasany—herinandro na taona mihitsy aza raha tsara vintana isika—izay tena hilaminan’ny zava-drehetra. Indraindray isika dia manadino ny Mpamonjy amin’ireo fotoana ireo. Nanao toy izany ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Niroborobo noho ny fitahian’ Andriamanitra nandritra ny fotoana anankiray izy ireo saingy taty aoriana dia lavo tao anatin’ny avonavona nony farany rehefa nanadino Azy.
Ny fotoana tsara dia tsy midika hoe tsy mila an’i Jesoa Kristy tampoka intsony isika. Ny fotoanan’ny firoboroboana no fotoana tsara indrindra hiravoravoana amin’ny Mpamonjy, fa tsy hoe hanadinoana Azy.
Koa ahoana, ahoana no hijanona mifandray amin’i Jesoa Kristy sy ny Raintsika any An-danitra hatrany rehefa tsy mampahatsiahy antsika hitodika any amin’ Izy Ireo ireo fisedrana?
Manetre tena hatrany
Rehefa mandeha tsara ny zava-drehetra dia tsara ny mankalaza ireo fitahiana sy zava-bitanao. Saingy aza hadinoana hoe iza no nahatonga anao ho eo amin’ilay toerana misy anao amin’izao. Toy izao no nilazan’ny Mpanjaka Benjamina izany ao amin’ilay lahateny nataony tao amin’ny Bokin’i Môrmôna:
“Fa indro, moa tsy mpangataka avokoa va isika? Moa va isika rehetra tsy miankina amin’ilay Izy, dia Andriamanitra, amin’ny fananana rehetra izay ananantsika, na hanina, na fitafiana, na volamena, na volafotsy na ireo harena rehetra isan-karazany izay ananantsika?” (Môzià 4:19).
Ny manetry tena manoloana ireo fahombiazanao amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho anao dia fomba tena tsara iray hampidirana Azy Ireo eo amin’ny fiainanao mandritra ireo fotoam-pilaminana.
Mankasitraha hatrany
Ny fankasitrahana dia iray amin’ireo fanafana tsara indrindra amin’ny avonavona sy ny fanadinoana. Ny fisaorana an’ Andriamanitra dia hanampy anao hahatsiaro Azy sy ny zavatra tsara rehetra ataony sy ny Zanany eo amin’ny fiainanao. Mahomby ihany koa izany mandritra ireo fotoam-pilaminana toy ny amin’ireo fotoan-tsarotra.
Aoka hiambiana hatrany
Iray amin’ireo fanafihana tian’i Satana indrindra dia ilay hoe “horotsirotsiany amin’ny fiadanana ara-nofo [ianao]” (2 Nefia 28:21). Raha lazaina amin’ny teny hafa dia ho tiany raha toa ianao ka mahatsapa ho afa-po sy tsy manam-piahiahiana mandritra ireo fotoam-pilaminana ka manadino ireo zavatra manan-danja indrindra. Noho izany, aza manadino an’ Andriamanitra! Rehefa miambina hatrany ny fandrika misoko manginan’ilay fahavalo ianao ary mahatohitra azy ireo na dia mandritra ireo fotoam-pilaminana iainanao aza, dia afaka mijanona ho akaikin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy hatrany ianao.
The Good Shepherd [Ilay Mpiandry Tsara] nataon’i Michael Malm
Mifantoha lalandava amin’i Kristy
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra, … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra.”
Impiry ianao no mieritreritra an’io fahamarinana momba ny fifaliana io rehefa mandeha tsara ny fiainana? Tsy torohevitra mankahery ho an’ny rehefa misy toe-javatra mafy fotsiny ihany io. Marina foana io, tafiditra ao anatin’izany ireo andro tsara indrindra iainanao. Koa noho izany, ataovy izay rehetra azonao atao mba hifantohana amin’i Kristy, na amin’ny mamy na amin’ny mangidy.