I Jesoa Kristy no ilay tsara indrindra mbola ho avy
Afaka ny ho azonao hatrany ilay fifaliana atolotr’i Jesoa Kristy.
Diniho kely ny fotoana iray nieritreretanao fa hifarana izao tontolo izao. Resaka tena matotra! Efa nandalo zavatra tena sarotra ve ianao ka nieritreritra hoe tsy ho tafavoaka?
Eny e, mety tsy nieritreritra ianao hoe hifarana izao tontolo izao. Fa nanao ahoana ny fahatsapanao momba ny tontolonao? Mety hoe ny tsy fahombiazana tamina fitsapam-pahaizana nanan-danja iray izany, ny fifindran’ny namana akaiky iray, na ny olona akaikin’ny fo iray nodimandry tsy nampoizina.
Na tamin’ny fomba ahoana na tamin’ny fomba ahoana niatrehanao ireo tolona tamin’ny lasa ireo dia diniho ange ny tenanao ankehitriny: tafavoaka ianao! Mbola tsara noho izany ary, nampahatsiahy antsika ireo mpaminany sy apôstôly fa afaka manao zavatra mihoatra kokoa noho ilay hoe tafavoaka fotsiny amin’ireo tolona ankehitriny sy amin’ny hoavy isika. Afaka mahita fifaliana isika ao anatin’izany.
“Mbola ho avy ny tsara indrindra”
Nijaly tao Getsemane sy teo ambony hazofijaliana mihoatra noho izay azontsika alaina sary an-tsaina ny Mpamonjy. Tena tsy mora kosa aloha ny hoe mizaka ny fanaintainana sy ny aretina ary ny fahotan’izao tontolo izao manontolo (jereo ny Almà 7:11–13)! Resiny avokoa anefa izany rehetra izany.
Nampianatra ny Loholona Patrick Kearon ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Eny tokoa, misaintsaina ireo fijaliana sy tsy fahamarinana nianjady tamin’ny Mpanavotra antsika noho ny fahotantsika isika, ary mahatonga fandinihana lalina izany. Saingy indraindray isika toa mijanona eo, ao amin’ilay saha, eny amin’ilay hazofijalina, ao amin’ilay fasana. Tsy tsaroantsika ny miandrandra any amin’ilay fifaliana avy amin’ilay fasana nisokatra sy ilay faharesen’ny fahafatesana ary ny fandresen’i Kristy!”
Noho i Jesoa Kristy dia tsy voatery hijanona miraikitra ao amin’ireo fijaliantsika manokana isika. Afaka mandroso isika ary miandrandra ny hoavy amim-pifaliana sy finoana mihitsy aza.
Noho izany, rehefa toa sarotra kokoa noho ny niheverantsika hiatrehana azy ny fiainana dia tsarovy ny zavatra nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson vao tsy ela: “Mbola ho avy ny tsara indrindra!” Fampanantenana tena tsara sy manome toky ery izany! Mahafantatra betsaka momba ny fanaintainana sy ny aretim-po iainan’izao tontolo izao isan’andro ny Filoha Nelson. Mbola afaka miteny ihany anefa izy hoe “mbola ho avy ny tsara indrindra!”
Mety hiova toy ny ahoana ny fomba fijerinao raha toa ka tena nahalala tokoa ianao hoe mbola ho avy ny tsara indrindra? Ahoana no hanovan’izany ny fomba hiatrehanao ireo olana sy fanambin’ny fiainana?
Mijery an’i Kristy hatrany
Ny zavatra hitranga iray amin’ny hoavy izay nanasan’ny Filoha Nelson antsika mba handrandraina am-pifaliana dia ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany.
Mialoha ny hanamarihanao fa ilay hoe “ho reraka ny fon’ny olona” (Lioka 21:26) sy ny fandringanana hahidina amin’ny olon-dratsy dia toa tsy maneho loatra ilay hoe “mbola ho avy ny tsara indrindra,” dia andeha hataontsika mazava tsara ny zavatra iray: ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany ilay izy. Diso fihevitra tanteraka isika raha toa ka hadinontsika ny momba Azy. Izy ilay “tsara indrindra” mbola ho avy—Izy no anton’ny fifaliantsika! Araka ny zavatra nolazain’ny Filoha Nelson hoe: “Mbola ho avy ny maraina … satria hiverina indray ny Mpamonjy!”
Ohatra, jereo ange ny Nefita. Na dia tany amin’ny kaontinanta hafa tanteraka aza izy ireo dia niatrika antambo maromaro izay soritry ny Fiaviana Fanindroany izy ireo rehefa maty ny Mpamonjy: fahafatesana, fahapotehana, loza voajanahary. Tanàna manontolo no nilentika tanaty ranomasina (jereo ny 3 Nefia 8).
Saingy taorian’izany savorovoro rehetra izany dia nahafantatra ireo izay nino ny Mpamonjy fa ireo antambo ireo dia famantarana ny fahafatesan’ny Mpamonjy. Tamin’ny fotoana nifampiresahan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ireo famantarana hitany mihitsy no nisehoan’ny Mpamonjy tamin’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:1–11).
Alaivo sary an-tsaina hoe hatraiza ny fifaliana tsapan’ireo Nefita! Taorian’ny fahapotehana tena mafy toy izany, dia nanompo azy ireo sy nanasitrana azy ireo ny Mpamonjy. Taorian’ny tahotra sy horohoro rehetra dia nifaly sy nidera an’ Andriamanitra ny Nefita fa afaka nihaona tamin’ny Mpamonjiny izy ireo (jereo ny 3 Nefia 11:14–17).
Mety tsy hitsidika ara-batana anao mandritra ity fiainana ity ny Mpamonjy tahaka ny nataony tamin’ireo Nefita. Saingy afaka hahafantatra Azy amin’ny alalan’ny famakiana ny soratra masina ianao, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, ny fitandremana ireo fanekempihavanana, sy ireo zavatra hafa maro hafa. Afaka manampy anao hahatsapa fifaliana ankehitriny sy amin’ny hoavy Izy, na inona na inona toe-javatra iainanao.
Eo am-piandrasantsika …
Mety hitranga mandritra ny androm-piainanao na tsia ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Na izany na tsy izany dia misy fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy, izao ankehitriny izao.
Nampianatra izao fahamarinana mankahery manaraka izao izay manampy antsika eo am-piandrasana ny fiverenan’ny Mpamonjy ny Filoha Nelson: “Ry rahalahy sy anabavy malalako isany, maro dia maro ny zavatra mahafinaritra mbola hitranga. Amin’ny andro ho avy, dia ho hitantsika ny fisehoan’ny herin’ny Mpamonjy izay lehibe indrindra izay tsy mbola hitan’izao tontolo izao hatrizay. Eo anelanelan’izao sy ny fotoana hiverenany -amin’ny hery sy ny voninahitra lehibe,- dia hanome tombontsoa sy fitahiana ary fahagagana tsy tambo isaina ho an’ny mahatoky Izy.”
Raha lazaina amin’ny teny hafa dia afaka mahita fiadanana sy fifaliana ao amin’i Kristy isika amin’izao fotoana izao, mandrapiverenany, ary mandrakizay. I Jesoa Kristy no fahazavan’ny maraina miposaka any am-paran’ny hazin’ny alina rehetra. Izy no fifaliana mandritra ny tolona hatrehan’ny tena manokana. Izy no famonjena amin’ny tahotra. Izy no Mpamonjinao. Rehefa mifantoka Aminy ianao dia hisy ny fiadanana sy fifaliana ho anao eto, amin’izao fotoana ary rahatrizay.