Seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Topimaso


“Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Topimaso,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po

Topimaso

Amin’ny fiainantsika ety an-tany mahazatra dia miatrika olana ara-tsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-batana maro isika. Rehefa manovo hery avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika dia hanampy antsika ho lasa matanjaka ara-pihetseham-po Izy Ireo, hianatra fahaiza-manao mahasoa amin’izay rehetra atrehintsika. Ireto lesona manaraka ireto dia mamporisika ny mpianatra hikarakara ny vatan’izy ireo, hampitombo fomba fisainana mahasoa, hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny lafiny ara-pihetseham-po toy ny rarin-tsaina, tebiteby, alahelo sy fahaketrahana, hatezerana, ary hampitombo fahazarana mahasoa.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra anao momba ny zavatra mety ilainao homanina ho an’ny lesona tsirairay.

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ireo lesona ireo dia azo ampianarina amin’ny fotoana rehetra mandritra ny taom-pianarana na mandritra ny herinandro ao amin’ny fandaminam-potoan’ny Avia, Hanaraka Ahy. Kanefa ny Lesona 181: “Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo” sy ny Lesona 183: “Mampitombo ny lamina ara-pisainana mahasoa” dia manome fahatakarana sy fahaiza-manao fototra ho an’ireo lesona manaraka azy ireo ato amin’ity sokajy ity. Ny fampianarana ireo lesona ireo alohan’ny hafa ato amin’ity fizarana ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra fahaiza-manao azon’izy ireo hampiharina rehefa mianatra momba ny fomba tsara hiatrehana ny fihetseham-pony.

Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Azonao heverina ny mampianatra ity lesona ity manodidina ny fotoana ampianaranao ny lesona 61 “Josoa 1.” Ny andininy 8 dia manasa antsika handray tanjaka sy herim-po nampanantenain’ny Tompo an’ireo izay mandinika (misaintsaina) ny teniny rehefa miatrika olana sarotra.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanovo hery amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hiatrehana ireo olany ara-pihetseham-po.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra na hanontany olona iray fantany momba ny zavatra niainan’izy ireo teo am-piatrehana fihetseham-po manahirana. Raha mety dia afaka miomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy izy ireo.

  • Fitaovana haseho: Sarina hazo roa—ny iray izay nazeran’ny rivotra mahery, ary ny iray nijanona ho mafy orina niraikitra tamin’ny tany; fanambarana avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen

  • Horonan-tsary:Tadio ara-panahy,” mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:10 sy ny mari-potoana 1:33 hatramin’ny 2:12;“Tadio ara-panahy” eo amin’ny mari-potoana faha 3:45 ka hatramin’ny 4:12 sy ny mari-potoana 4:12 ka hatramin’ny 4:48

Mikarakara ny vatantsika

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fiantraikan’ny safidintsika eo amin’ny fahasalamantsika ara-batana sy ara-pihetseham-po.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ny safidy ara-pahasalamana ataon’izy ireo (fihinanana, fatoriana, fanatanjahantena, sy ny sns) nandritra ny herinandro lasa. Amporisiho izy ireo hanombantombana ny fiantraikan’ireo safidy ireo tamin’ ny zavatra tsapany ara-batana sy ara-pihetseham-po.

  • Fitaovana haseho: Sarin’ny zatovo iray manao safidy tsy mahasoa

  • Taratasy zaraina: “Mikarakara ny vatantsika

Mikolokolo fomba fisainana mahasoa

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hitodika any amin’ny Mpamonjy rehefa mametraka fomba fisainana madio izy ireo.

Mifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa ireo fahaiza-manao nasehon’ny torohevitr’i Jetro tamin’i Mosesy ao amin’ny Eksodosy 18 mba hanampiana antsika hitantana ireo fahatsapana rarin-tsaina sy tebiteby. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity mandritra ny herinandro Avia, Hanaraka Ahy ao amin’ny Eksodosy 14–18.

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ireo fahaiza-manao izay manovo ny herin’ny Mpamonjy hitantanana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra izay hahatsapan’izy ireo rarin-tsaina na tebiteby ary ireo fomba ahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana.

  • Fitaovana haseho: Teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson

  • Horonan-tsary: “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:33 hatramin’ny 5:55

  • Taratasy zaraina: “Ny rarin-tsaina sy ny tebiteby

Miatrika alahelo sy fahaketrahana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ny ampahany amin’ity lesona ity dia mampianatra fomba maro ahafahan’ny Tompo manampy ireo mpianatra hiatrika alahelo sy fahaketrahana, tahaka ny nataony tamin’i Elia. Azonao atao ny mampianatra ity lesona ity manodidina ny fotoana ampianaranao ny Lesona 82: “1 Mpanjaka 18.”

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo hiaritra fahatsapana alahelo sy fahaketrahana.

Mifehy ny hatezerana

Sosokevitra amin’ny fandaminana ny fotoana: Ity lesona ity dia mampiasa ny tantaran’i Jakôba sy i Esao mba hanehoana ny fiatrehana araka ny tokony ho izy ny fahatsapana hatezerana. Mety hanampy ny mampianatra ity lesona ity manakaiky ny Lesona 30: “Genesisy 25–27.”

Tanjon’ny lesona: Mba hanampiana ny mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy rehefa miaina fahatsapana fahatezerana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitanisa toe-javatra izay mety hahatonga azy ireo ho alaim-panahy hamaly amim-pahatezerana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manombantombana hoe impiry izy ireo no tezitra, sy ny fomba hifehezany izany fahatsapana izany.

  • Fitaovana haseho: Zava-pisotro misy gazy na sarina zava-pisotro misy gazy; sarina zava-pisotro misy gazy nahontsankontsana ary nosokafana; sarin’i Esao

  • Horonan-tsary: Mari-potoana 1:10 hatramin’ny 1:53 misy ny “Jakoba sy Esao

  • Taratasy zaraina: “Dingana arahina mba hifehezana ny fahatezerana”

Mampitombo ireo fahazarana mahasoa

Tanjon’ny lesona: Hanampiana ny mpianatra hikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hananana fahazarana mahasoa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo zavatra ataon’izy ireo isan’andro izay lasa fahazarana. Azon’izy ireo atao ihany koa ny misaintsaina ny fiantraikan’ireo fahazarana ireo, na ny tsara na ny ratsy amin’ny fivoarany ara-panahy.

  • Fitaovana haseho: Sarina ahi-dratsy, saha, voninkazo ary voa; fanambarana avy amin’ny Filoha Jeffrey R. Holland

  • Taratasy zaraina: “Manorina fahazarana mahasoa”