Seminera
Miatrika alahelo sy fahakiviana: Hitondra ny alahelo sy ny fanaintainantsika i Jesoa Kristy


”Miatrika alahelo sy fahakiviana: Hitondra ny alahelo sy ny fanaintainantsika i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

”Miatrika alahelo sy fahakiviana: Hitondra ny alahelo sy ny fanaintainantsika i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona 185

Miatrika alahelo sy fahakiviana

Hitondra ny alahelo sy ny fanaintainantsika i Jesoa Kristy

Artwork entitled "Healer" by Lightweave. Jesus Christ stands with his arms outstretched and comforting and elderly woman.

Fantatry ny Ray any An-danitra fa ity fiainana an-tany ity dia hitondra fotoan’alahelo, fahaketrahana, fahadisoam-panantenana ary fahakiviana. Naniraka ny Zanany Izy mba hiaina ny zavatra rehetra izay hijaliantsika, miaraka amin’ny fampanantenana fa afaka manampy antsika hahita fitsaharana ny heriny (jereo ny Matio 11:28–30). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba hanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo hiaritra fahatsapana alahelo sy fahakiviana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady soratra masina na teny nindramina avy amin’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana ka afaka manampy olona iray hifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mahatsapa alahelo sy fahaketrahana izy ireo. Azon’izy ireo atao ny miomana hizara ny soratra masiny amin’ny iray kilasy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny enta-mavesatry ny fiainantsika

Fanamarihana: Tsy voatery ho matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina ianao vao hampianarana ity lesona ity. Mivavaha mba hahazo ny fitarihan’ny Ray any An-danitra, araho ireo fitaovana enti-mampianatra, ary matokia ny Fanahy Masina. Raha mizara ny olan’ny tena manokana izay atrehany na mametraka fanontaniana tsy azonao resahina ny mpianatra dia omeo toky izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hikatsaka torohevitra fanampiny avy amin’ny ray aman-dreny, na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ireo mpanolotsaina any an-tsekoly, na ireo matihanina ara-pihetseham-po hafa.

Scouts Backpacking in the Grand Tetons

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fampisehoana sarina mpihanika mandeha amin’ny lalana iray an-tendrombohitra. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny fomba mety hitovizan’izany amin’ny diantsika eto an-tany. Avy eo dia angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina ny mpihanika tendrombohitra iray izay tsy maintsy mitondra kitapo mavesatra mandritra ny dian’izy ireo.

  • Ahoana no mety hampitomboan’ilay kitapo mavesatra ny fahasarotan’ilay dia? Amin’ny fomba ahoana izany no fitahiana?

Avy eo dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny sasany amin’ireo ”kitapo” ara-pihetseham-po izay entin’ireo zatovo ankehitriny. Rehefa avy mizara ny mpianatra dia hazavao fa ity lesona ity dia hifantoka amin’ny fahatsapana alahelo na fahakiviana izay entintsika eo amin’ny fiainana indraindray.

Na dia ampahany mahazatra amin’ny diantsika eto an-tany aza ny fihetseham-po sarotra toy ny alahelo sy ny fahakiviana . Tahaka ny kitapo mavesatra iray dia mety hahatonga ny diantsika ho toa mampahory ireo fahatsapana sarotra, saingy ireo fihetseham-po ireo dia afaka manampy antsika ihany koa hahay hihaino sy hanana fangorahana ny hafa izay sahirana.

Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny mety ho fiantraikan’ny fahatsapana alahelo sy fahakiviana eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao na raha efa nitranga izany tany aloha tany.

Fantatr’i Jesoa Kristy tsara ny zavatra tsapantsika.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo mpaminany fahiny sy maoderina dia nampianatra fa ny Mpamonjy dia afaka manampy antsika hiaritra ireo fahatsapana sarotra rehetra.

Vakio ny Isaia 53:3–5 sy ny Almà 7:11–12 ka tadiavo ireo fahamarinana momba ny herin’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika rehefa malahelo, na ketraka na kivy isika.

  • Inona ireo teny na andian-teny manaitra anao?

  • Ahoana no ahafahan’izany manampy olona iray izay sahirana amin’ny fiaretana ny vesatr’ireo enta-mavesatra ara-pihetseham-po ireo?

Noho ny fahafantarana fa hijaly eto amin’ity fiainana ity ireo zanaky ny Ray any An-danitra dia niteny ny filoha Russell M. Nelson hoe:

Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Miangavy anareo aho mba hanatona [an’i Jesoa Kristy] mba hahafahany manasitrana anareo! … Hanasitrana anareo amin’ny alahelo sy ny tahotra Izy. Hanasitrana anareo amin’ireo fahoriana iainana mandritra ity fiainana ity Izy.

Na inona na inona fanontaniana na olana anananareo, ny valiny dia hita mandrakariva ao amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany. Mianara misimisy kokoa momba ny Sorompanavotany, ny fitiavany, ny famindram-pony sy ny fotopampianarany ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny izay mitory fanasitranana sy fivoarana. Mitodiha any Aminy! Manaraha Azy! (”I Jesoa Kristy mandrakariva no valiny,” Liahona, mey 2023, 127)

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaranao avy amin’i Isaia sy Almà ary ny Filoha Nelson mikasika ny fiatrehana enta-mavesatra toy ny alahelo?

    Ankoatra ireo zavatra hafa mety ho zarain’ny mpianatra dia ampio izy ireo hamantatra fahamarinana iray toy ny hoe: Rehefa manatona Azy isika dia hanampy antsika ny Mpamonjy hitondra ny vesatry ny alahelo sy ny fahoriana.

    Mety hahazo tombontsoa avy amin’ilay horonan-tsary Come Unto Christ ao amin’ny Facebook hoe ”Because Jesus Christ died …” (1:06) na ”Rise,” (1:42) ny mpianatra izay hita ao amin’ny ComeUntoChrist/facebook.com.

  • Inona no mety ho dikan’ny hoe ”manatona Azy,” sy ”mitodika Aminy,” ary ”manaraka Azy” ho an’ny olona iray izay mikatsaka ny fanampian’ny Mpamonjy amin’ny alahelo, na faketrahana, na fahakiviana?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io manampy olona iray izay manana olana amin’ireo fahatsapana ireo?

Asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fomba hanompoan’ny Mpamonjy anao manokana rehefa miaina alahelo, na enta-mavesatra ara-pihetseham-po hafa ianao.

Afaka miaritra isika rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy

Elijah sitting among rocks with a ray of light shining on him.

Ny tantaran’i Elia mpaminany dia afaka manampy antsika hamantatra ireo fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika hiaritra olana ara-pihetseham-po.

Hevero ny hampiseho sarin’i Elia irery eo an-tendrombohitra. Rehefa mihaino ireto antsipirian-javatra manaraka avy amin’ilay tantara ireto ny mpianatra dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny mety ho tsapan’izy ireo tao anatin’ny toe-javatra mitovitovy amin’izany.

Rehefa avy nanameloka ireo mpaminany sandok’i Bala tao amin’ny tendrombohitra. Karmela i Elia (jereo ny 1 Mpanjaka 18), dia nikatsaka ny hamono azy i Jezebela, ilay mpanjakavavy ratsy fanahy. Nampitandrina an’i Elia izay nandositra irery tany an-tany foana ny Tompo (jereo ny 1 Mpanjaka 19:1–3).

  • Inona no fihetseham-po mety ho tsapanao raha mandalo toe-javatra tahaka an’io?

Vakio ny 1 Mpanjaka 19:4 dia tadiavo ny zavatra tsapan’i Elia.

sary famantarana ny seminera Mba hanampiana ny mpianatra hamantatra ireo fomba nanampian’ny Tompo an’i Elia sy ireo fomba afaka manampy azy ireo hitantana ireo fahatsapana alahelo sy fahakiviana dia omeo ny tahadikan’ilay taratasy zaraina hoe ”Manampy antsika haharitra ny Tompo” ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra hiasa manokana, na miaraka amin’ny namana iray, na ao anatin’ny vondrona iray, ary hanaraka ireo torolalana ao amin’ilay taratasy zaraina.

Aorian’ilay sahanasa taratasy zaraina dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra vonona hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao ny manome fahafahana azy ireo hanampy ireo mpianatra hafa ao amin’ny kilasy amin’ny alalan’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona avy ireo fomba hafa nahitanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nanampy anao na ny olona iray fantatrao hiatrika enta-mavesatra ara-pihetseham-po?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara soratra masina na hira na sary tiany indrindra izay nanampy azy ireo hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa malahelo na kivy izy ireo.

Ny 1 Mpanjaka 19:4 dia mety hiteraka fanontaniana momba ny fanimbana tena na ny famonoan-tena. Tokony horaisina amim-pahamatorana foana ireo lohahevitra ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa manao asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy izy ireo rehefa milaza amin’ny olona iray ny zavatra tsapany. Ireo loharanom-pitaovana fanampiny momba ny fahakiviana sy ny fisorohana ny famonoan-tena dia hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile sy ao amin’ireo Sahanasa fianarana fanampiny ao amin’ny tahadika an-jotra amin’ity boky torolalana ity.

Zarao ny zavatra izay tsapanao

Fanamarihana: Ampio ny mpianatra hahatakatra fa na dia eo aza ny fikarakarana malefaka sy feno fitiavana ary tsy tapaka omen’ny Tompo dia indraindray mitoetra foana ireo fihetseham-po sarotra. Indraindray ny fahakiviana dia mety hanakana ny fahafahantsika mahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy na mamantatra ny fanampian’ny Fanahy Masina.

Ao anatin’ny diary fandalinanao dia misafidiana iray na mihoatra amin’iireto manaraka ireto mba hovitaina:

  1. Manoratra zavatra nianaranao na tsapanao androany izay afaka manampy anao hiantehitra amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa mahatsapa ho malahelo na kivy ianao.

  2. Manoratra andinin-tsoratra masina iray izay afaka manampy anao rehefa mahatsapa ho malahelo na kivy ianao (toy ny Isaia 53:3–5; na Salamo 34:18; na Almà 7:11–12). Ahoana no ahafahan’ireo teny na andian-teny avy amin’io andinin-tsoratra masina io manampy anao hahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  3. Raha toa ka nanana namana iray izay malahelo na kivy ianao dia inona no tianao ho takatr’io olona io momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary inona ny zavatra nianaranao androany? Soraty izay zavatra hozarainao.

Mety hahazo tombontsoa avy amin’ny hafatry ny Filoha Jeffrey R. Holland mikasika ny fomba hanampiana ireo izay manana olana amin’ny fahakiviana ny mpianatra. Hevero ny hampiseho ny horonan-tsary ”Mental Health: Compassion for Those Who Struggle” (2:26) hita ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile. Ao amin’io horonan-tsary io ny Filoha Holland dia mampahatsiahy antsika fa tsy misy zotom-pon’ny tena manokana na manao ahoana na manao ahoana afaka mamaha ny fahakiviana be. Ny fikatsahana fanampiana avy amin’ny matihanina no fanalahidin’ny fanasitranana ny olana ara-pahasalamantsika ara-tsaina miaraka amin’ny fanohanana sy ny fangorahan’ny hafa.

2:26

Azonao atao ny mamarana amin’ny traikefa iray izay nanampian’ny Tompo anao hiatrika fanamby ara-pihetseham-po.