”Fifehezana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby: Afaka manampy antsika hifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby ananantsika i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
”Fifehezana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby: Afaka manampy antsika hifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby ananantsika i Jesoa Kristy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona 184
Mifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby
Afaka manampy antsika hifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby ananantsika i Jesoa Kristy
Mahatsapa rarin-tsaina sy tebiteby avokoa isika rehetra. Izany fihetseham-po izany dia afaka manampy antsika hahavita ireo adidy fanao isan’andro sy hiatrika ireo fanambin’ny fiainana. Mety hisy fiantraikany ratsy amintsika anefa ny rarin-tsaina sy ny fitebitebena maharitra. Soa ihany fa nampanantena antsika ny fanampiany sy ny fiadanany ny Mpamonjy (jereo ny Jaona 14:27). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra fahaiza-manao izay misintona ny herin’ny Mpamonjy hifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra toe-javatra izay hahatsapan’izy ireo rarin-tsaina na tebiteby ary ireo fomba ahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana.
Sahanasa fianarana azo atao
Ny rarin-tsaina sy ny tebiteby
Fanamarihana: Tsy voatery ho matihanina amin’ny fahasalamana ara-tsaina ianao vao hampianarana ity lesona ity. Mivavaha mba hahazo ny fitarihan’ny Ray any An-danitra, araho ireo fitaovana enti-mampianatra, ary matokia ny Fanahy Masina. Raha mizara ny olan’ny tena manokana izay atrehan’izy ireo na mametraka fanontaniana izay tsy azonao resahina ao anatin’ity lesona ity ny mpianatra dia manehoa fankasitrahana noho ny fatokisan’izy ireo anao. Omeo toky izy ireo fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hikatsaka torohevitra fanampiny avy amin’ny ray aman-dreny, na ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ireo mpanolotsaina any an-tsekoly, na ireo matihanina ara-pihetseham-po hafa.
Hevero ny hanomboka ny lesona amin’ny fomba izay manampy ny mpianatra hieritreritra ny fifehezana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby. Ohatra, ity rafi-tantara manaraka ity dia azo ampiasaina na ampifanarahana amin’ny toe-java-misy mba hifanaraka tsara kokoa amin’ny mpianatrao:
-
Raha toa ny olona iray ka tsy afaka mibata afa-tsy 25 kg (55 lbs) fa niezaka ny hibata 70 kg (154 lbs), dia inona no mety hitranga? Inona no mety ho tsapan’izy ireo?
-
Ahoana raha toa io olona io ka nanomboka nibata 25 kg (55 lbs) ary nanampy tsikelikely vesatra kely isan-kerinandro? Inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny tanjany? Inona no mety ho tsapan’izy ireo?
-
Inona no hitranga raha tsy nanandrana na oviana na oviana hibata mihoatra ny 25 kg io olona io (55 lbs)?
-
Ahoana no mety hampitahana ny vesatra ao anatin’ireo toe-javatra ireo amin’ny fifehezana ny rarin-tsaina sy ny tebiteby?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo ambaratonga samihafan’ny rarin-tsaina sy tebiteby dia azonao zaraina ilay taratasy zaraina hoe ”Rarin-tsaina sy tebiteby.” Asao ny mpianatra hamaky ilay tabilao ary hameno ireo fanontaniana fanombantombanana ny tena manokana ao amin’ny tsanganana fahatelo.
Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mikatsaha fanampiana avy amin’ny Tompo rehefa mianatra fahaiza-manao izay afaka manampy anao hifehy ny fahatsapana rarin-tsaina sy tebiteby.
Torohevitra avy amin’ny mpaminany iray
Vakio ity fanambarana manaraka avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ny fomba ahafahantsika mandresy ny tebitebintsika.
Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny. (”Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 94)
-
Inona no zavatra tianao na nianaranao avy amin’io teny nambara io?
Mety hilaza fahamarinana toy izao ny mpianatra: Rehefa misintona ny herin’i Jesoa Kristy isika dia afaka mifehy ny tebitebintsika.
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe misintona ny herin’i Mpamonjy?
-
Ahoana no mety hanampian’ny heriny antsika hifehy ny rarin-tsaina sy ny tebiteby? Inona avy ireo loharanom-pitaovana fanampiny mety hanampian’i Jesoa Kristy antsika ny hamantatra azy?
Ny ambin’ity lesona ity dia manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara izay afaka manampy azy ireo hisintona ny herin’i Jesoa Kristy mba hifehezana tebiteby.
Mamakafaka ny zavatra andrasantsika ary mitodika amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana
Fomba iray hiatrehana ireo fihetseham-pontsika feno rarin-tsaina na tebiteby ny mamantatra ny zavatra andrasantsika ary hampifanaraka izany amin’ny zavatra irin’ny Tompo ho antsika. Mety ho loharano mahery vaikan’ny fahadisoam-panantenana sy rarin-tsaina ny zavatra andrasana tsy azo tsapain-tanana na tsy rariny.
Vakio ny Môzià 4:27 ka tadiavo ny zavatra andrasan’ny Tompo amintsika.
Raha tsy manazava izany ny mpianatra dia mariho fa ny Tompo dia tsy mangataka antsika hihazakazaka haingana kokoa noho izay tratry ny herintsika, saingy manantena antsika havitrika anefa Izy. Tsy mila mibata mavesatra loatra isika, saingy mila manao ezaka tsy tsy miovaova.
Ho ohatra mombana olona iray izay nila nandinika ny zavatra andrasany dia zarao amin’ny mpianatra fa i Mosesy dia niezaka nanao zavatra mihoatra noho izay tokony ho nataony, rehefa nitarika ny zanak’Isiraely tamin’ny naha mpaminany azy. Nanampy an’i Mosesy ny Tompo tamin’ny alalan’ny torohevitry ny rafozan-dahiny, i Jetro.
Vakio ny Eksodosy 18:13–18, dia tadiavo ny antony nampiahiahy ny rafozan-dahin’i Mosesy.
-
Inona avy ireo andian-teny izay maneho ny zavatra hitranga amin’i Mosesy raha nanohy nanoro hevitra ny vahoaka isan’andro isan’andro izy?
-
Mety ho toy ny ahoana izany ankehitriny?
Mamaritra
Hazavao amin’ny mpianatra fa mety ho fahaiza-manao tena tsara ny manombantombana ny zavatra andrasan’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ireto fanontaniana roa manaraka ireto. Hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.
-
Moa ve aho miezaka manao zavatra bebe kokoa na latsaky ny tian’ny Tompo hataoko (na mihazakazaka haingana kokoa noho izay tratry ny heriko na tsy mazoto)?
-
Ahoana no ahafahanao mitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana?
Lamina hakan-tahaka
-
Raha teo amin’ny toe-javatra niainan’i Mosesy ianao dia ahoana no hamalianao ireo fanontaniana roa eny amin’ny solaitrabe?
Raha toa ka mety hanampy ny ohatra fanampiny amin’izao andro maoderina izao, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hizara zavatra andrasana vitsivitsy tsy azo tanterahina nananan’izy ireo na ny hafa. Azon’izy ireo ampiasaina ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe mba hanombanana ireto zavatra andrasana manaraka ireto:
-
Hamaky ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny 90 minitra isan’andro aho.
-
Tsy hanao fahadisoana intsony aho.
-
Tsy mila miomana hanao asa fitoriana aho. Ho hitako fotsiny izany rehefa ao aho.
Manazara tena
Misafidiana zavatra iray eo amin’ny fiainanao izay mahatonga anao hiady saina sy hitebiteby ary manaova fanazaran-tena manombantombana ny zavatra andrasanao. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina eo am-pametrahanao amin’ny tenanao ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ary eritrereto ny fomba ahafahanao mitodika any amin’ny Tompo mba hahazoana fanampiana.
Mifapidinika amin’ny olona iray izay itokisanao mba hamantarana ny dingana manaraka
Mamaritra ny fahaiza-manao
Ampio ny mpianatra hahatakatra fa rehefa avy mandinika ny zavatra andrasan’izy ireo izy ireo dia te hanampy azy ireo hahafantatra izay tokony hatao manaraka ny Tompo. Ny fomba iray hanampian’ny Tompo antsika dia amin’ny alalan’ny hafa; ohatra, mifampidinika amin’ny olona iray izay itokisantsika. Rehefa mifampidinika amin’ny hafa ny mpianatra dia afaka mifanakalo hevitra momba ny zavatra tsy maintsy atao izao dia izao izy ireo, na ny zavatra afaka miandry, na ny zavatra azon’olona iray hafa ajanona na atao. Omeo toky ireo mpianatra fa tsy manampy ny mahatsapa ho meloka noho ny fametrahana fetra mahasoa na ny fitenenana hoe ”tsia” na ”aoka aloha” amin’ny fahafahana sasany.
Atao maodely ilay fahaiza-manao
Nanampy an’i Mosesy tamin’ny alalan’i Jetro rafozan-dahiny ny Tompo. Rehefa nifampidinika tamin’ny rafozan-dahiny i Mosesy dia nanolotra vahaolana ho an’ilay olana i Jetro.
Vakio ny Eksodosy 18:19–24 dia tadiavo ny torohevitra nomen’i Jetro an’i Mosesy mba ho ataony manaraka.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no hanampy izany torohevitr’i Jetro izany?
Raha tokony hiatrika indray mandeha ireo olany i Mosesy dia afaka nandray ny fanampiana nilainy mba hanaovana ny dingana manaraka izy.
-
Iza avy ireo olona sasantsasany izay mety tian’ny Tompo hifampidinika aminao rehefa mahatsapa rarin-tsaina sy tebiteby ianao? Inona no torohevitra nomen’’izy ireo anao?
-
Nampihena ny rarin-tsaina na ny tebiteby ho anao na ny olona iray fantatrao tamin’ny fomba ahoana ny torohevitra feno fahendrena?
Ampio ireo mpianatra hahafantatra fa ny Tompo dia afaka manampy azy ireo amin’ny alalan’ny ray aman-dreny, ny zoky, ny mpampianatra, ny mpanolotsaina, ny matihanina ara-tsaina, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ny hafa rehefa mahatsapa ho mitebiteby na miady saina izy ireo.
Ampiharo ny fahaiza-manao
Ao amin’ny diary fandalinanao dia diniho ny fotoana iray izay nahatsapanao ho tototra na niady saina na nitebiteby. Soraty hoe iza no tian’ny Tompo hifampidinika aminao momba ny zavatra hatao manaraka sy ny fomba hifampiresahana amin’izany olona mety hanampy anao izany.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hijery ilay taratasy zaraina ary hizara ny zavatra tiany na nianarany tamin’ny alalan’ity lesona ity. Ampidiro ny eritreritrao manokana ary mijoroa ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ity lesona ity.