Seminera
Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo: Afaka manampy antsika hampitombo ny fahaizantsika miarina ara-pihetseham-po ny Mpamonjy


“Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo: Afaka manampy antsika hampitombo ny fahaizantsika miarina ara-pihetseham-po ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo: Afaka manampy antsika hampitombo ny fahaizantsika miarina ara-pihetseham-po ny Mpamonjy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fahasalamana ara-batana sy ara-pihetseham-po: Lesona 181

Manorina tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo

Afaka manampy antsika hampitombo ny fahaizantsika miarina ara-pihetseham-po ny Mpamonjy

A young boy shielding himself from flying objects.

Manao ahoana ny fahaizanao miatrika an’ireo olana ara-pihetseham-po manjo anao? Ny fahatsapana fahasarotana dia mpitranga eo amin’ny fiainana. Mitombo ny fahafahantsika miaritra amim-pahatokiana izany fahatsapana izany rehefa miantehitra amin’ny tanjaka sy ny herin’ny Ray any An-danitra sy ny an’i Jesoa Kristy isika. Ity lesona ity dia manampy ny mpianatra hanovo hery amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hiatrehana ireo olana ara-pihetseham-po.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra na hanontany olona iray fantany momba ny zavatra niainan’izy ireo teo am-piatrehana fihetseham-po manahirana. Raha mety dia afaka miomana hizara ny zavatra niainany amin’ny iray kilasy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainantsika

Fallen tree and rootball in yard after tornado destruction in Albany, Georgia, USA, January 2017.  (horiz)
Cutaway showing the roots of a tree growing in windy conditions.

Mba hanombohana ny fotoam-pianarana dia hevero ny hampiseho sarina hazo iray nongotan’ny tafio-drivotra sy ny sarina hazo iray hafa nitoetra ho mafy orina tamin’ny tany. Azonao atao ihany koa ny manasa mpianatra iray hanao sarina hazo eny amin’ny solaitrabe ary ny mpianatra ambiny kosa hanao sarina hazo mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Hevero ny hangataka ny mpianatra hitanisa eo amin’ny ilany ankavian’ilay hazo ny sasantsasany amin’ireo fihetseham-po sarotra atrehin’ireo zatovo.

Ny fihetseham-po no setry mahazatra avalin’ny vatana an’ireo zavatra iainana isan’andro. Indraindray izany fahatsapana izany dia maivana sy mora atrehina toy ny rivotra malefaka amin’ny fotoam-pahavaratra. Indraindray isika dia miaina fihetseham-po sarotra izay mety ho toy ireny tadio ireny.

Matetika ireo hazo ianjadian’ny tadio matetika no manana faka haingam-pitombo kokoa sy matevina kokoa, ary misandrahaka lavitra kokoa, ka manamafy orina ny fahafahan’ilay hazo miaritra. Rehefa mamely azy ny rivotra dia mamorona rafitra izay mahatonga ny vatan-kazo sy ny rantsana hatevina kokoa ilay hazo. Torak’izany koa, ny fianarana miatrika ireo fotoana mahery vaika ara-pihetseham-po amin’ny alalan’ny fanarahana ny Mpamonjy dia hanamafy orina ny fahafahantsika miaritra.

Raha tsy izany dia azonao atao koa ny mampiseho ny famaritana nataon’ny Loholona Andersen momba ny zavatra mitranga amin’ny hazo velezin’ny rivotra ao amin’ny horonan-tsary hoe “Tadio ara-panahy”, mari-potoana 0:00 hatramin’ny 1:10, manomboka ChurchofJesusChrist.org.

15:54

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny sasany amin’ireo tadio ara-pihetseham-po izay niainanao taloha na atrehanao ankehitriny.

Rehefa niresaka momba ireo tadion’ny fiainana ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

15:54
Former Official portrait of Elder Neil L. Andersen of the Quorum of the Twelve Apostles, 2010, August.   Replaced September 2019.

Tena mbola sarobidy lavitra kokoa noho ny hazo iray ianareo amin’ Andriamanitra. Zanakalahiny sy zanakavaviny ianareo. Nataony matanjaka sy afaka mahatanty ireo tadion’ny fiainana ny fanahinareo. Afaka mampitombo ny finoanareo sy ny tanjakareo ara-panahy ireo tadio mandritra ny fahatanoranareo, tahaka ny rivotra mamely ny zana-kazo iray, ka hanomana anareo ho amin’ireo fotoana ho avy eo amin’ny fiainanareo. (“Tadio ara-panahy”, Liahona, mey 2014, 18)

  • Ahoana no ahafahan’ny hafatry ny Loholona Andersen manampy zatovo iray izay mahatsapa jalin’ny tadio ara-pihetseham-po?

Hevero ny hizara fa ny fahafahana miaritra ireo tadio ireo no antsoina hoe fahaiza-miarina ara-pihetseham-po. Azonao atao ny mizara fa mandritra ny taona dia hianatra fahaiza-manao afaka manampy azy ireo hampitombo ny fahaiza-miarina ara-pihetseham-po ny mpianatra.

Ny fampitomboana ny fahaizantsika miarina ara-pihetsem-po dia manampy antsika hampivoatra fomba tsara hiatrehana ireo eritreritra sy fahatsapana sarotra izay iainantsika. Afaka mianatra mamantatra ny fomba hanatanjahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika isika rehefa mahatsapa toy izany sy rehefa mibitsika amintsika mba hikatsaka fanampiana fanampiny Izy Ireo.

Eo am-pandalinanao dia asao ny Fanahy Masina hanampy anao hamantatra ireo fomba ahafahanao mikatsaka ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miaina tadio ara-pihetseham-po.

Mampanantena ny hiaraka amintsika sy hanome hery antsika ny Mpamonjy

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra iray momba ny hery mampahatanjaka avy amin’ny Tompo dia hevero ny hizara ny tantaran’i Josoa. Ny mpianatra dia mety efa nandalina ny tantaran’i Josoa izay nantsoin’ny Tompo hitarika an’i Isiraely taorian’i Mosesy ao amin’ny Lesona 61: “Josoa 1.”

Sarotra ny toerana nisy an’i Josoa rehefa nitana ny anjara asan’ny mpaminany izy sady mpitari-tafika mpiandraikitra fanangana firenena vaovao taorian’ny fitarihan’i Mosesy.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fihetseham-ponao raha toa ka ianao no teo amin’ny toeran’i Josoa?

Vakio ny Josoa 1:1, 5–9, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Josoa rehefa niatrika izany olana izany izy.

  • Inona no azontsika ianarana ka afaka manampy antsika hiatrika ireo olana eo amin’ny fiainana?

Ny mpianatra dia mety hahita fahamarinana toy ny hoe rehefa manaraka ny Tompo amin-kerim-po isika dia hiaraka amintsika sy hampahatanjaka antsika Izy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny herin’io fahamarinana io dia azonao atao ny mampiseho misimisy kokoa amin’ny hafatry ny Loholona Andersen ao amin’ny “Tadio ara-panahy”, manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:33 ka hatramin’ny 2:12 ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na mizara ny hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany nataony ao amin’ny “Tadio ara-panahy”, mari-potoana 4:12–4:48.

15:54
15:54

Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao eo ambanin’ny sarin’ilay hazo ireto tari-dresaka manaraka ireto.

  • Fariparito ny fahafahanao miatrika olana ara-pihetseham-po. Inona avy araka ny eritreritrao no fihetseham-po voafehinao tsara? Inona no mbola tsapanao fa sarotra?

  • Fariparito ny fahafahanao mandray fanampiana avy amin’ny Tompo ho an’ireo fihetseham-po ireo. Inona no fahombiazana azonao? Inona no nandramanao ka tsy nandaitra araka izay nantenainao?

Ny fisaintsainana soratra masina dia afaka manampy antsika hahatsapa ny herin’ny Tompo

Vakio indray ny Josoa 1:8, ka tadiavo ny zavatra mety hanampy an’i Josoa hanaraka ny Tompo.

  • Inona no hitanao?

    Azonao atao ny manondro fa rehefa niatrika ireo olana i Josoa dia nasain’ny Tompo i hisaintsaina na handinika ny soratra masina (“bokin’ny lalàna”) andro aman’alina izy (jereo ny Josoa 1:8). Hevero ny hanondro fomba iray ahafahantsika mahazo tanjaka ara-pihetseham-po ao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny soratra masina.

  • Ahoana no ahafahan’ny fisaintsainana ny tenin’ny Tompo manampy olona iray hiatrika olana ara-pihetseham-po?

Jereo ny lisitr’ireo fihetseham-po eny amin’ny solaitrabe, mitadiava andinin-tsoratra masina iray na maromaro izay mety afaka manampy olona iray izay mahatsapa ireo fihetseham-po ireo.

Afaka mahita soratra masina ny mpianatra amin’ny alalan’ny fijerena an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ka hitady teny toy ny hoe “fampiononana”, “fiadanana”, “hery,*”, na “fanantenana”. Ilay lahatsoratra hoe “Soratra masina miisa 12 rehefa ilay ianao mahatsapa …” (Ho zatovo mahery!, mar. 2024, 41) dia afaka manampy ihany koa. Rehefa mizara soratra masina ny mpianatra dia tanisao eo amin’ny ilany havanan’ilay hazo eo akaikin’ny fihetseham-po nosafidiny ilay soratra masina. Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’izay mety hozarain’ny mpianatra.

Mahatsapa ho difotra: Isaia 40:28–31.

Matahotra: Jaona 14:27

Malahelo: Apokalypsy 21:3–5

Hadino: Lioka 12:6–7

Kivy: Isaia 43:1–2, 5

Manirery: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6

Saintsaino ny teniny

Mba hanampiana ny mpianatra hanao hanazatra tena hisaintsaina soratra masina rehefa miatrika fihetseham-po sarotra dia asehoy ireto manaraka ireto.

Misafidiana fihetseham-po amin’ilay voatanisa eny amin’ny solaitrabe izay tsapanao ankehitriny na efa tsapanao taloha. Vakio ny soratra masina eo akaikin’ilay fihetseham-po ary saintsaino ireo tenin’ilay andininy amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ny tenanao toa an’ireto:

  • Inona avy ireo teny na andian-teny manampy rehefa mahatsapa toy izany aho?

  • Manampy ahy hahatakatra inona momba ny fitiavana sy ny herin’ny Tompo ve ity soratra masina ity?

    Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny fihetseham-po nosafidian’izy ireo, ny soratra masina nosaintsainin’izy ireo, ary ny antony ahatsapan’izy ireo fa ny fisaintsainana ny tenin’ny Tompo dia afaka manampy azy ireo hahita hery ara-pihetseham-po bebe kokoa ao Aminy.

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nahazo fampiononana na tanjaka avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nisaintsaina andinin-tsoratra masina iray?

Hevero ny hamarana ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fizarana ny zavatra niainanao manokana tamin’ny nahatsapanao ny fampiononana na ny tanjaka avy amin’ny Tompo avy amin’ny andinin-tsoratra masina iray. Asao ny mpianatra hanohy hiantehitra amin’ny soratra masina mba hanampy azy ireo hahatsapa ny herin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa miatrika olana ara-pihetseham-po izy ireo.