Seminera
Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera


“Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra seminera,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Fampahafantarana ny Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

A woman teacher standing in front of a group of youth during a Sunday School class in Ghana.

Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara dia ny “hanampy ny zatovo sy ny tanora hanao izay hampahalalim-paka ny fiovam-pon’izy ireo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, sy ho mendrika ny hahazo ireo fitahiana avy amin’ny tempoly, ary hiomana sy hanomana ny fianakaviany ary ny hafa ho amin’ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Rain’izy ireo any An-danitra” (“Ny tanjon’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara” [2022], Médiathèque de l’Evangile).

Mba hanampiana amin’ny fanatanterahana io tanjona io, ity boky torolalana ity dia manome ireo mpianatra traikefa amin’ny fianarana isan-karazany amin’ny alalan’ny karazana lesona roa samihafa: lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha sy lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ny lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha dia mifanaraka amin’ireo andian-tsoratra masina izay nohamafisina isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana. Ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia manampy ireo mpianatra hianatra hisintona hery avy amin’i Jesoa Kristy sy hampihatra ny fampianarany mba hiomanana amin’ireo olana eo amin’ny fiainana.

Afaka manampy ny mpianatra ianao hanovo amin’ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainan’izy ireo, amin’ny alalan’ny fampiasanao ireo sosokevitra enti-mampianatra hita ao amin’ireo lesona ireo, sy ny fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy. Hanampy azy ireo hiomana amin’ny hoaviny amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ihany koa ianao.

Ity boky torolalana ho an’ny mpampianatra ity dia hita an-jotra ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.orgmiaraka amin’ny endrika PDF azo sintonina. Azo angatahina avy amin’ny mpandrindra na mpitantana ny fandaharam-pianarana misy anao ny boky torolalana navoaka printy.

Fitaovana hanampiana anao hiomana hampianatra

Ho an’ny lesona Testamenta Taloha sy Fiomanana hiatrika ny fiainana dia hanampy anao hiomana hampianatra ireto fitaovana manaraka ireto.

Ny Soratra Masina

Ny fandalinana arahana ireto andian-tsoratra masina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy ireto dia fomba manan-danja iray hiomanana hampianatra ireo mpianatra. Ireo lesona izay voarakitra ato amin’ity boky torolalana ity dia mitaky mpampianatra izay mandalina tsy tapaka ny soratra masina sy mikatsaka hatrany ny fananana ny Fanahy Masina ho namany. Rehefa manao izany ianao dia afaka matoky tena fa amin’ny alalan’ny Fanahiny, ny Ray any An-danitra dia hanentana ny fanahinao amin’ny fomba fampiasana ireo fitaovana ireo mba hanomezana izay ilain’ny mpianatrao.

Topimaso ankapobeny

Misy topimaso ankapobeny omena any amin’ny fiandohan’ny lesona isan-kerinandro ao amin’ny lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha sy ny sokajy tsirairay ao amin’ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ireo topimaso ireo dia manome fampahalalana manokana momba ny lesona mba hanampiana anao hanomana fitaovana enti-mampianatra mialoha, anisan’izany ireto manaraka ireto:

  • Tanjon’ny lesona (tafiditra ao anatin’izany koa ny fehezanteny farany ao amin’ny teny fanolorana ny lesona tsirairay)

  • sosokevitra ho an’ny fanomanana ny mpianatra

  • Lisitra ahitana ireo lesona ampianarina amin’ny alalana zavatra, taratasy zaraina, sary, horonan-tsary, na fitaovana hafa izay mety ilaina omanina mialoha

Tadiavo ny topimaso ankapobeny isan-kerinandro ho an’ny lesona hampianarinao amin’ny herinandro manaraka.

  • Inona avy ireo fampahalalana hitanao izay tsara raha fantarinao mialoha?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa izany fampahalalana izany raha miomana hampianatra ianao?

Torohevitra momba ny fampianarana

Ny topimaso ankapobeny tsirairay izay mialoha ny lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha dia ahitana torohevitra enti-mampianatra izay manazava ireo fomba amam-panao na fitsipika naroso izay avy amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy: Ho an’ireo rehetra izay mampianatra ao an-tokantrano sy ao am-piangonana. Ity sary famantarana ity no maneho ireo torohevitra ireo: sary famantarana ny seminera. Rehefa mahatsapa ho vonona ianao dia andramo ampiharina ireo fomba amam-panao sy fitsipika ireo mandritra ny fotoana ampianaranao. Ho tsikaritrao fa ny fampidirana ireo sosokevitra ireo dia afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fahaizanao mampianatra.

Ny ankamaroan’ireo torohevitra enti-mampianatra dia manondro lesona iray izay maodely amin’ny fomba amam-panao na fitsipika naroso. Ny sary famantarana fiofanana sary famantarana ny seminera ao amin’ny lesona dia mampisongadina ohatra iray amin’ny fomba fampiasana ilay torohevitra. Ireo torohevitra fanofanana ireo dia manasongadina ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra izay afaka manampy anao hianatra bebe kokoa momba ilay fomba amam-panao na fitsipika naroso. Ny fampiharana ireo fomba amam-panao sy fitsipika ireo dia afaka manampy anao hanatsara ny fahaizanao mampianatra.

Avereno jerena ny torohevitra enti-mampianatra ao amin’ny topimaso ankapobeny ho an’ny lesona hampianarinao amin’ny herinandro ho avy.

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra io sosokevitra enti-mampianatra io?

Sosokevitra momba ny fandrindram-potoana

Ny akamaroan’ny topimaso ankapobeny ho an’ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana tsirairay dia ahitana sosokevitra momba ny fandrindram-potoana. Ireo sosokevitra ireo dia manome hevitra momba ny toerana hampidirana ireo lesona ireo ao amin’ny torolalana fandrindram-potoana iray. Ireo mpandrindra sy mpitantana ny fandaharan’asa dia afaka mampiasa ireo sosokevitra ireo rehefa mamorona ny torolalana fandrindram-potoanany izy ireo.

Ohatra iray, jereo ny sosokevitra momba ny fandrindram-potoana ao amin’ny Topimaso mikasika ny fanorenana fizakan-tena.

Fanomanana ny mpianatra

Ny topimaso ankapobeny tsirairay dia ahitana sosokevitra amin’ny fanasana ny mpianatra hanomana ny sainy sy ny fony ho an’ny lesona tsirairay. Azonao atao ny mandinika ireo sosokevitra ireo any am-piandohan’ny herinandro ary misafidy ombam-bavaka izay sosokevitra tsapanao fa mety tena hanampy indrindra ireo mpianatrao. Tsy voatery hampiasa ny sosokevitra rehetra amin’ny fanomanana ny mpianatra ianao. Azonao atao ny mampifanaraka azy ireo na mamorona ny sosokevitrao manokana. Ireo fanasana naroso ireo dia natao mba homena ny mpianatra farafahakeliny indray andro mialoha ny traikefa amin’ny fianarana.

Avereno jerena ireo hevitra aroso ho an’ny fanomanana ny mpianatra ao amin’ny topimaso ankapobeny ho an’ny herinandro ho avy izay mahakasika ireo lesona izay hampianarinao. Eritrereto hoe inona avy ireo hevitra hampiasainao, na hampifanarahanao amin’ny toe-java-misy, na tsy hampiasainao. Raha manapa-kevitra ny hanasa ireo mpianatrao hiomana ianao, dia ahoana no fomba hizaranao izany hevitra fanomanana izany amin’izy ireo? Ohatra, azonao atao ny mizara izany am-bava na mampiseho izany any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana teo aloha. Raha mety dia azonao atao ny mandefa izany amin’ny alalan’ny Wise na amin’ny alalan’ny application fandefasan-kafatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny lesona tsirairay dia ahitana hevitra amin’izay mety ho fomba ahafahanao mitondra ny traikefa amin’ny fianarana. Mba hahafahan’ireo mpianatrao mahazo ny traikefa tsara indrindra, dia ampiasao ilay votoatin-kevitra ato amin’ity fizarana ity hatao tari-dalana fa tsy lahatsoratra vakiana fotsiny ihany. Raha toa ka mpampianatra seminera vao herotrerony ianao, dia mety ho tsara kokoa raha manomboka amin’ny fanarahana ireo sahanasa fianarana naroso. Rehefa mitombo ny traikefa anananao dia hitombo ny fahafahanao mampifanaraka amin’ny toe-java-misy ny votoatin’ity boky torolalana ity mba hitondrana tsara kokoa ny zavatra ilain’ireo mpianatrao.

Maro amin’ireo sahanasa fianarana atolotra no hanasa ny mpianatra hampiasa diary fandalinana. Misy diary fandalinana amin’ny endrika PDF ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org/si/seminary/manuals. Raha misy dia azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny kahie fandraisana an-tsoratra ao amin’ny application Médiathèques de l’Évangile mba hamaliana ireo fitaomana hanoratra ao amin’ny diary ao amin’ny lesona.

Torolalana enti-mampianatra

Mandritra ny lesona, dia hahatsikaritra efajoro izay ahitana torolalana ho an’ny mpampianatra ianao. Natao hanampy anao hiomana sy hampiasa ireo sahanasa fianarana izay aroso ao amin’ny lesona ireo torolalana ireo. Mety hanazava ny tanjona kendrena amin’ireo sahanasa ao amin’ny lesona izy ireo na manolotra sosokevitra mikasika ny fomba hampifanarahana ny votoatin-desona mba hahatonga izany hifanaraka kokoa amin’ny zavatra tena ilain’ireo mpianatra. Ireo sosokevitra ireo dia mety ahitana fomba fiasa hafa azo atao, fanontaniana, na sahanasa izay manampy anao hampifanaraka ny votoatin-desona sy ireo sahanasa raha ilaina izany.

Avereno jerena ireo torolalana enti-mampianatra sasany ao amin’ny lesona izay hampianarinao atsy ho atsy.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fomba ahafahan’ireo torolalana enti-mampianatra ireo manampy anao hiomana hampianatra?

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny ankamaroan’ny lesona dia misy fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” any amin’ny faran’ny lesona. Ity fizarana ity dia ahitana fampahalalana izay afaka manampy hahatonga ny fianarana ho lalim-paka. Afaka mahita fanontaniana mety hananan’ny mpianatra sy ny teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo ianao. Azo ampidirina ao amin’ny lesona ireo teny nambaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ireo. Ity fizarana ity dia tsy hita afa-tsy ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile an-jotra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Ilay fizarana “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia tsy tafiditra ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra amin’ny endrika PDF.

Jereo ny lesona izay hampianarinao manaraka raha toa ka ahitana “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Misy loharanom-pitaovana ve ato amin’ity fizarana ity izay mety hahasoa ny mizara azy amin’ny mpianatrao?

Sahanasa fianarana fanampiny

Ity fizarana ity, izay hita any amin’ny faran’ny lesona ihany koa, dia manolotra hevitra fanampiny amin’ny fitondrana ny traikefa amin’ny fianarana. Ireo sahanasa fianarana ireo dia ahitana fomba hampifanarahana amin’ny toe-java-misy amin’izao fotoana izao ao amin’ny lesona, na fomba hampianarana ireo fitaovana tsy tafiditra ao amin’ny lesona. Ny sahanasa fianarana fanampiny dia tsy misy ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra raha tsy miditra ao amin’izany amin’ny alalan’ny application Médiathèque de l’Évangile na ny Médiathèque de l’Évangile an-jotra ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ianao. Ity fizarana ity dia tsy tafiditra ao anatin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra amin’ny endrika PDF.

Raha toa ka misy fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny” ny lesona izay hataonao manaraka, dia avereno jerena ireo sahanasa ireo.

  • Moa ve misy zavatra fanampiny na akoatra ireo sahanasa fianarana heverinao fa mety hahasoa raha ampiasaina miaraka amin’ny mpianatrao ao amin’ny fizarana fototra ao amin’ny lesona?

Lesona ao amin’ny Testamenta Taloha sy lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Tokony samy hampianarina ny mpianatra mandritry ny taona daholo ireo lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha sy ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana. Ity fampahalalana manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny tanjon’ireo lesona samihafa ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra.

Lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha

Ny lesona miompana amin’ny Testamenta Taloha dia mifanaraka amin’ireo andian-tsoratra masina antitranterina isan-kerinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy Ireo lesona ireo dia manome fahafahana ny mpianatra hanana traikefa lalina amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ireo lesona momba ny fifehezana fotopampianarana sy ny tombano ny fianaranao dia hita ao amin’ny fizaran’ny lesona ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny boky torolalana.

Lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana

Ireo lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana dia natao hanampiana ny mpianatra hiasa mba hahazoana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Tafiditra ao anatin’ireo vokatra ireo ny fanampiana ireo mpianatra mba:

Hianatra sy hampihatra ireo fitsipika avy amin’ Andriamanitra mba hahazoana fahalalana ara-panahy.

Hahafehy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’izy ireo.

Ny fifehezana ireo andalan-tsoratra masina voafantina sy ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay ampianarin’ireo andalan-tsoratra masina ireo dia midika fa ireo mpianatra dia ho afaka manao ireto manaraka ireto:

Hahafantatra sy hahatakatra ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hamelabelatra amin’ny fomba mazava tsara ny fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny safidy izay ataon’izy ireo isan’andro sy eo amin’ny fihetsika izay asetrin’izy ireo amin’ireo olana sy fanontaniana ara-potopampianarana, an’ny tena manokana, ara-piarahamonina ary ara-tantara.

Hitadidy sy hahita ny toerana misy ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Ny Application Maîtrise de la doctrine dia afaka manampy ny mpianatra hanatanteraka ny sasany amin’ireo zavatra andrasana amin’ny fifehezana fotopampianarana. Natao ilay izy hanampiana ireo mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja ho an’ny tsirairay avy amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny mampiasa ilay application ao an-dakilasy ary mamporisika ireo mpianatra hisintona izany amin’ny fitaovana ampiasainy manokana, raha azo atao. Misy ho an’ireo fitaovana mampiasa iOS sy Android izany.

ChurchofJesusChrist.org

3:56

sary famantarana ny semineraMba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hanampiana ireo mpianatra hahazo ireo vokatra andrasana avy amin’ny fifehezana fotopampianarana, dia jereo ny “Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana” izay hita ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera

Lesona momba ny Tombano ny fianaranao

Ampahany manan-danja iray amin’ny fianarana ny fanombanana. Ny fahafahana miato kely sy misaintsaina ny fianarana dia mety ho traikefa tsara ho an’ny mpianatra. Ny fitsapam-pahaizana matetika dia afaka mamporisika ireo mpianatra amin’ny fivoaran’izy ireo tsy mitsaha-mitombo mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Rehefa manombana ny fianarany ny mpianatra, dia afaka ho tonga mpandray anjara mavitrika amin’ny fizotry ny fianarana ary mandray andraikitra kokoa amin’ny fianarany izy ireo.

Ny lesona momba ny Tombano ny fianaranao dia manome fahafahana ny mpianatra hanazava fotopampianarana fototra avy ao amin’ny Testamenta Taloha, hisaintsaina ny fihetseham-pony sy ny toe-tsainy ary ny faniriany manoloana ny drafitry ny Ray any An-danitra sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary handinika ireo drafitra na tanjona izay ezahiny atao mba hampiharany ny zavatra ianaran’izy ireo sy hanamafy orina ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy. Ireo lesona ireo dia afaka manampy ireo mpianatra mahita fivoarana sy mamantatra ireo zavatra ilana fivoarana fanampiny amin’ny hoavy. Hahazo ny isa tratrarina ho an’ny taranja ny mpianatra amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny lesona Tombano ny fianaranao iray farafahakeliny, mandritra ny tapany voalohany na faharoa amin’ny fandaharam-pianarana.

sary famantarana ny seminera Ho fampahalalana misimisy kokoa mikasika ny fomba hanatanterahana ireo lesona momba ny Tombano ny fianaranao dia jereo ny “Fiofanana momba ny fitsapam-pahaizana“ ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera

Lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana

Ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy amin’ireto manaraka ireto:

  • Hiatrika ireo fanontaniana sarotra sy ireo toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainana

  • Hanao safidy entanim-panahy amin’ny alalan’ny fampiasana ny fampianaran’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny.

  • Hanorina fizakan-tena mba hamelomany ny tenany sy ny fianakaviany.

  • Ho lasa salama ara-batana sy ara-pihetseham-po kokoa.

  • Hanao drafitra hiomanana ho an’ny fianarana sy asa amin’ny ho avy.

  • Hampivelatra fahaiza-manao hoenti-mahomby any an-tsekoly.

  • Hiomana amin’ny asa fitoriana sy ny asa fanompoana ao am-piangonana.

  • Hiomana hanao sy hitandrina fanekempihavanana any amin’ny tempoly.

Miezaha mampianatra lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana miisa roa isan-kerinandro. Mety hampianatra mihoatra noho izany ianao ao anatin’ny herinandro sasantsasany ary mety hampianatra vitsy noho izany ao anatin’ireo herinandro hafa, saingy tokony hiezaka ny hampianatra lesona roa isan-kerinandro matetika araka izay azo atao ianao raha atao ny salanisa. Hanome fahafahana hampianarana ny mpianatra ireo lesona rehetra mandritra ny taom-pianarana izany.

Ataovy izay hahazoana tahadikan’ny torolalana fandrindram-potoana izay omen’ny mpandrindra na ny mpitantana ny fandaharan’asa any amin’ny toerana misy anao.

sary famantarana ny semineraHo fampahalalana misimisy kokoa momba ireo lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana dia jereo ny ”Fiofanana momba ny lesona Fiomanana hiatrika ny fiainana” ao amin’ny Fiofanana momba ny fandaharam-pampianarana seminera.