Seminera
Josoa 1: Tsy handao antsika na hahafoy antsika ny Tompo


“Josoa 1: Tsy handao antsika na hahafoy antsika ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Josoa 1: Tsy handao antsika na hahafoy antsika ny Tompo,” Testamenta Taloha: Boky Torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Josoa 1–8; 23–24: Lesona 61

Josoa 1

Tsy handao antsika na hahafoy antsika ny Tompo

I Mosesy manendry an’i Josoa

Amin’ny maha mpaminany nofinidin’ny Tompo azy dia notendren’i Mosesy i Josoa mba hitondra an’i Isiraely ho any amin’ny tany nampanantenaina. Na dia toa sarotra aza izany andraikitra izany dia nandidy an’i Josoa ny Mpamonjy mba hahery sy ho be herim-po, niaraka tamin’ny fampanantenana fa tsy handao na hahafoy ny mpaminaniny Izy (jereo ny Josoa 1:5–6). Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hampitombo ny fitokiany fa afaka manampy azy ireo hahery sy ho be herim-po ny Tompo manoloana ireo fanamby.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra toe-javatra izay mety ahitana tanora iray mila maneho herim-po. Azon’ny mpianatra atao ny manontany ny namany na ny fianakaviany mikasika ny zavatra niainany ka nitaky herim-po.

Sahanasa fianarana azo atao

Herim-po manoloana ireo fanamby

Mba hanombohana ny kilasy dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Herim-po. Rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia asao izy ireo hanoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.

  • Ahoana no maha-ohatra amin’ny herim-po an’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo toe-javatra sasantsasany mety atrehan’ny zatovo iray ka mitaky herimpo?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo olana atrehanao amin’izao fotoana izao na mety ho atrehanao amin’ny hoavy ka ilàna herim-po.

Ny fanombanan-tena dia afaka manampy ny mpianatra hanombatombana ny toe-javatra misy azy ankehitriny ary manome fahafahana ho an’ny Fanahy Masina hamaly ny filan’izy ireo tsirairay avy manokana mandritra ny lesona. Fomba iray hanaovana izany ny fanasana ny mpianatra hamaly ireto fehezan-teny manentana mba hisaintsaina manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina.

  • Rehefa asaina manao zavatra toa sarotra aho, dia matetika mahatsapa fa .

  • Amin’ny maridrefy 1 (ambany) ka hatramin’ny 5 (ambony), hatraiza ny fahazoako antoka fa hanampy ahy hiatrika amin-kerim-po ireo fanambiko ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Nahoana?

Eo ampianarana androany dia henoy tsara ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina izay mety hanampy anao ho be herim-po sy hampitombo ny fitokianao fa miaraka aminao ny Tompo.

Notendrena hitarika ny zanak’Isiraely i Josoa

Hevero ny hampiseho ny sarin’i Mosesy manendry an’i Josoa, toy ilay sary tany ampiandohan’ity lesona ity (Jereo Deoteronomia 34:9).

Na dia niaraka tamin’ny zanak’Isiraely hatramin’ny fotoana nanafahana azy ireo tany Egypta aza i Mosesy, dia niantso an’i Josoa hitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo.

  • Inona avy ireo fanamby mety ho natrehan’i Josoa tamin’ny maha mpaminanin’ny Tompo sady mpitari-tafik’i Israely azy?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa i Josoa no hahazo ny andraikitra hisahana ny fitarihana an’i Isiraely ara-panahy. Mpitari-tafika ihany koa i Josoa ary hitarika ny Israely hambabo ny tanin’ny Kananita izay masaka tao anatin’ny heloka (jereo 1 Nefia 17:31–40). Nampanantena izany tany izany an’i Abrahama sy ireo taranany mandeha amin’ny fahamarinana ny Tompo (jereo Josoa 1:1–4).

Vakio ny Josoa 1:5–9, dia asio marika ireo fampanantenana sy torolalana miverimberina nomen’ny Tompo izay mety nanampy an’i Josoa hifantoka Aminy rehefa miatrika fanamby.

  • Inona no zavatra hitanao misongadina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ahoana no hamintinanao ny fahamarinana izay mety hanampy ny olona iray misedra olana?

Rehefa mizara ireo fahamarinana hitany ny mpianatra dia ampio izy ireo ahatsapa fa rehefa mahafantatra isika fa miaraka amintsika ny Tompo, dia afaka ny ho mahery sy be herim-po isika. Azonao atao ny mampiasa ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany fahamarinana izany. Afaka miara-miasa amin’ny namana iray na ao anatina vondrona kely ny mpianatra ary mizara ny zavatra noresahan’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Saintsaino ireo toe-java-tsarotra voatanisa eny amin’ny solaitrabe sy ao amin’ny diarinao.

  • Mety ho toy ny ahoana ny hoe mahery sy be herim- po rehefa miatrika ireo fanamby ireo?

  • Inona no fantatrao mikasika ny Tompo ka mety hanampy olona iray mba ho mahery sy hanana herim-po? Ahoana no hahafantaranao izany?

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:88, ary jereo ireo fomba iarahan’ny Tompo amintsika.

Fomba hanasana ny fanampian’ny Tompo

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fomba hanasana ny fanampian’ny Tompo rehefa ilain’izy ireo ny mba ho mahery sy be herim-po. Asao ny mpianatra hisafidy ny iray amin’ireo sahanasa. Rehefa nomena ampaham-potoana ampy hanaovany izany ny mpianatra dia afaka mizara izay nianarany amin’ireo mpianatra hafa nanao sahanasa hafa.

Azonao omena ny mpianatra ny iray amin’ireo teny nambara hita ao amin’ny Loharanom-pitaovana Fanampiny mba hohalalininy miaraka amin’ny sahanasa tsirairay.

Sahanasa A: Fankatoavana ny lalan’ Andriamanitra

Vakio Josoa 1:7 sy ny iray na mihoatra izany amin’ireto soratra masina manaraka ireto: Jaona 15:10; 1 Nefia 3:7; Môzià 2:41; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:20.

  • Inona no fifandraisana hitanao misy eo amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra sy ny hoe mahery sy be herim-po?

  • Inona avy ireo fomba hitahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika noho ny fankatoavantsika?

Sahanasa B: Misaintsaina ny Tenin’ Andriamanitra

Vakio ny Josoa 1:8 sy ny iray na mihoatra izany amin’ireto soratra masina manaraka ireto: 2 Timoty 3:15–17; 2 Nefia 31:20; 32:3.

  • Inona no manampy anao hisaintsaina ny soratra masina?

  • Raha ny hevitrao dia manampy anao hahatsapa ho akaiky an’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ny fisaintsainana ny teniny?

Two people sitting at a table. Text boxes representing communication.Ny famerenana mijery ny tanjona dia mety hanampy ny mpianatra hamantatra ny fivoarana efa tratrany sy hanaovany ireo fanatsarana ilaina amin’ny tanjony. Entano ny mpianatra hamerina hijery ny tanjona fandalinana soratra masina izay napetrak’izy ireo. Entano izy ireo avy eo hanombana ny fivoarany sy hitondra izay mety ho fanitsiana ilaina amin’ny tanjony. (Raha mila fanofanana fanampiny amin’ny fampatsiahivana ny mpianatra momba ny tanjona fandalinany soratra masina dia jereo ny “Amporisiho ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny filazantsara isan’andro—tanjon’ny fandalinana” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra [2022], 31.)

Tsarovy fa miaraka amintsika ny Tompo

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany nahatsapanao fa niaraka taminao ny Tompo nandritra ireo fanamby?

Omeo fahafahana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianarany sy tsapany androany. Afaka manasa ny Fanahy izy ireo mba hanampy azy ireo hahita ny fomba nampitomboan’ny ezaka nataon’izy ireo ny fahatokiany fa momba azy ireo ny Tompo.

Saino ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanamby atrehanao amin’izao fotoana izao na ireo izay mety hatrehanao amin’ny hoavy.

  • Inona no nianaranao na tsapanao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka afaka hanampy anao hahery sy ho be herim-po rehefa miatrika fanamby?

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianaranao na tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia inona no tianao hotsaroana amin’ny fotoana manaraka izay tsy hanananao fatokian-tena ny amin’ny fahafahanao mifehy toe-java-tsarotra iray?

Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Tompo dia manaja ny fampanantenany fa homba antsika hatrany, tsy handao na hahafoy antsika, tahaka ny efa nampanantenainy an’i Josoa.