Taorian’ny dian’ny Isiraelita namakivaky ny tany foana dia nandidy an’i Josoa hitondra azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo. Nitaky azy ireo hampihatra finoana an’i jesoa Kristy ny fidirana tany amin’ny tany nampanantenaina. Naneho ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ny zanak’Isiraely sy ny vehivavy iray nantsoina hoe Rahaba. Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahany mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitady soratra masina hanampy azy ireo hahatakatra ny hevitry ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo ho tonga vonona hizara izany ao an-dakilasy. Raha ilaina dia azon’izy ireo atao ny mitady ny hoe “Finoana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Finoana an’i Jesoa Kristy
Hevero ny hanomboka amin’ny fanasana ny mpianatra hieritreritra teny iray izay maneho ny fialamboliny na ny fahalianany ny fampianarana—ohatrahoe, basketball na mihira. Angataho ny mpianatra hamariparitra ny teny nofidiny kanefa tsy mampiasa ilay teny. Afaka maminavina ilay teny ny iray kilasy.
Manaraka izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe finoana ary asao ny mpianatra hamariparitra ny atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy. Azony zaraina ho isan’ny fiomanany amin’ny fotoam-pianarana ny zavatra hitany. Mety tianao ny manamarika fa tian’ny Ray any An-danitra isika hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy mba hahafahany mamonjy sy mitahy antsika (jereo 2 Nefia 26:13; Etera 12:12, 18; Môrônia 7:33).
Ampahatsiahivo ny mpianatra fa isan’ny asan’ny Fanahy Masina ny mitarika antsika ho amin’ny fahamarinana (jereo Jaona 16:13). Amporisiho ny mpianatra hanasa ny Fanahy Masina hanampy azy ireo hahatakatra kokoa ny finoana an’i Jesoa Kristy.
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fampitomboana ny finoana an’i Jesoa Kristy anao amin’ny zavatra lalovanao amin’izao fotoana izao?
ChurchofJesusChrist.org
33:36
I Paoly Apôstôly dia namaritra ny finoana ho “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita” (Hebreo 11:1). Nanambara i Almà fa ny finoana dia tsy fananana fahalalana tomombana ny zavatra; noho izany, raha manam-pinona ianareo, “dia manantena ny zavatra izay tsy hita, [kanefa] marina” (Almà 32:21). Fanampin’izany dia mianatra avy amin’ny Fampianarana momba ny finoana isika fa ny finoana dia … “fitsipika fandraisana dingana ho an’ny olona rehetra manan-tsaina.”
Ireo fampianarana ireo dia mampisongadina singa fototra telon’ny finoana: (1) ny finoana izay fahatokiana ireo zavatra antenaina izay marina, (2) ny finoana izay fanehoana ny zavatra tsy hita, ary (3) ny finoana izay fitsipiky ny asa eo amin’ny olona rehetra manan-tsaina. Ireo singa telon’ny finoana ny Mpamonjy ireo dia faritako ho toy ny sady miatrika ny hoavy, no mitodika any amin’ny lasa, ary manomboka asa amin’ny ankehitriny. (“Seek Learning by Faith,” Ensign, Sep. 2007, 61–62)
Ny sary “Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy” dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny atao hoe finoana an’i Jesoa Kristy araka ny famaritana nataon’ny Loholona Bednar. Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ilay sary na asehoy ny mpianatra izany mba hojereny mandritra ny lesona.
Inona no nataon’ Andriamanitra tamin’ny lasa ka nanampy anao hino Azy?
Ahoana no ahafahan’ny fanantenana ny fitahiana nampanatenain’ Andriamanitra manampy anao hampihatra finoana Azy?
Ahoana ny hamintinanao ny fampianarana nomen’ny Loholona Bednar mikasika ny finoana an’i Jesoa Kristy?
Ampio ny mpianatra hahita fahamarinana toy ny hoe: Mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika rehefa miatrika ny ho avy, mitodika any amin’ny lasa ary manao asa amin’ny ankehitriny.
Ohatra amin’ny finoana
Ny tantara ao amin’ny Josoa 2–4 dia mampiseho ny iray na ny maromaro amin’ireo singa amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy ireo.
Ampio ny mpianatra handalina ireo tantara ireo. Fomba iray hanaovana izany ny famoronana sahanasa fianarana isaky ny fizarana. Azonao atao ny mametraka fizarana iray ao amin’ny taratasy zaraina “Ohatra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Josoa 2–4” amin’ny faritra telo samy hafa ao amin’ny efitra fianarana. Azon’ny mpianatra atao ny mihodidina mitety ny sahanasa fianarana tsirairay ary manaraka ny torolalana omen’ilay taratasy zaraina. Ho an’ny kilasy misy mpianatra maro dia azonao atao ny mamorona toerana hanatanterahana sahanasa fianarana maromaro ho an’ny fizarana tsirairay avy. Avelao ny mpianatra handray anjara irery na anatina vondrona kely.
Raha mety dia azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto isaky ny toerana hanatanterahana sahanasa fianarana:
Tady mena ho an’ny Josoa 2
Kiraro ho an’ny Josoa 3
Vatokely ho an’ny Josoa 4
Raha manana fanontaniana mikasika ny famongorana ny mponina tao Jeriko ny mpianatra dia azonao atao ny mijery ny fanontaniana hoe “Nahoana no nofongorana ny Kananita?” ao amin’ny fizarana loharanom-pitaovana fanampiny ao amin’ny Lesona 63: “Josoa 23–24.”
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany mikasika ny finoana an’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ny mihazona ny tady mena, ny kiraro na ny vato eo am-pizarana izany. Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto.
Inona no nianaranao mikasika ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny zavatra nianaranao ny zatovo ankehitriny?
Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara momba ny nampiharany na ny nampiharan’ny olona fantany finoana an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fiatrehana ny ho avy, ny fanaovana asa amin’ny ankehitriny ary ny fitodihana any amin’ny lasa. Azonao atao ihany koa ny mizara ny traikefanao manokana mikasika ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy.