Seminera
Josoa 23–24: “Fidionareo anio ary”


“Josoa 23–24: -Fidionareo anio ary-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)

“Josoa 23–24: -Fidionareo anio ary,-” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Josoa 1–8; 23–24: Lesona 63

Josoa 23–24

“Fidionareo anio ary”

Youth sitting and listening to teacher at church meeting in Thailand

Talohan’ny nahafatesany dia nampahatsiahy ny Isiraelita i Josoa hoe iza ny Tompo ary inona ny zavatra nataon’ny Tompo ho azy ireo. Nanasa azy ireo hisafidy ny hanompo ny Tompo i Josoa toy izay hanompo andriamanitra sandoka. Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hisafidy ny hanompo ny Tompo manoloana ireo fitaomana hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hitondra vato kely ao an-dakilasy. Hampiasa izany izy ireo ho fampahatsiahivana ny drafitra izay hataon’izy ireo ao amin’ny lesona.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fitaoman’ireo zavatra mahavariana

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamorona lisitra ahitana ny zavatra dimy lehibe indrindra izay mety mahavariana ny sain’ny tanora kamahatonga azy ireo tsy hisafidy ny hanompo ny Tompo. Azon’ny mpianatra atao ny miasa samirery na ao anaty vondrona. Angataho ireo mpianatra hizara ny lisitra nataony.

  • Inona amin’ireo zavatra mahavariana ny saina ireo no mety manintona na manan-danja kokoa amin’izy ireo noho ny fanompoana ny Tompo?

    Azonao atao ny manazava fa raha tsy mitandrina isika dia mety ho lasa endrika fitsaohana sy fanompoana maoderina ireo andriamanitra ankoatra ny Tompo ireo zavatra mahavariana ireo.

  • Inona no mety ho fiantraikany maharitra ateraky ny fanohizana misafidy hatrany ireo fitaomana ireo mihoatra ny Tompo?

    Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto na hirakitra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany.

  • Ahoana no fomba mety hanompoanao ny Tompo, na zavatra hafa na olona hafa amin’ny alalan’ny safidy ataonao isan’andro?

  • Inona no mety ho fiantraikany maharitra raha manohy izany safidy izany ianao?

Asao ny mpianatra hitady ny fitarihan’ny Fanahy hamantarany ny safidy izay azon’izy ireo hatao hanompoany ny Tompo.

Ny Tompo Andriamanitsika

Afaka mamaky ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ny mpianatra ho famintinana azy Josoa 5–24.

Taorian’ny nitarihan’ny Tompo ny Isiraelita nita ny Reniranon’i Jordana ho eny amin’ny tany maina (jereo Josoa 3–4), dia nitahy azy ireo tamin’ny ady maro natrehany manolona ny Kananita Izy. Nambabo ny tany izay efa nampanantenain’ Andriamanitra azy ireo ny Isiraelita (jereo Josoa 5–12). Nozaraina tamin’ireo foko roa ambin’ny folo ilay tany (jereo Josoa 13–22). Tamin’ny faramparan’ny andro niainany dia nanome hafatra farany ho an’ny Isiraelita i Josoa (jereo Josoa 23–24).

Amin’ity sahanasa manaraka ity dia azonao atao ny manasa ny antsasaky ny mpianatra hamaky ny Josoa 23:3–11, ary ny antsasany iray hafa hamaky ny Josoa 24:3–11. Afaka manisy marika izay hitany ao amin’ny soratra masiny ny mpianatra.

Vakio ny Josoa 23:3–11; 24:3–11, ary tadiavo izay nataon’ny Tompo sy kasainy hatao ho an’ny Isiraely.

Asao ny mpianatra hizara. Azonao atao ny manao izany amin’ny alalan’ny fanoratana ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mizara izy ireo, na mangataka ireo mpianatra hankeny amin’ny solaitrabe hanoratra izay hitany.

Avy eo dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nahitany ny fiasan’ny Tompo teo amin’ny fiainany. Azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra ohatra avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana, ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny fiainany manokana na ny fiainan’ny olona ao amin’ny paroasiny na ny fianakaviany.

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ireo fomba nitahian’ny Tompo antsika androany?

sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana Ny Josoa 24:15 dia andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanasa ireo mpianatra hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba ho mora aminy ny mahita ny toerana misy azy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny Josoa 24:14–15, dia azonao asaina izy ireo hamerina hanoratra ny zavatra nampianarin’i Josoa amin’ny teniny manokana. Azon’izy ireo atao ny miaraka mamerina manoratra amin’ny namany iray na ao anatina vondrona kely ilay andalana.

Vakio Josoa 24:14–15. Avereno soratana ny zavatra nampianarin’i Josoa, toy ny hoe izy no mampianatra izany androany.

Asao ny mpianatra hizara ny fomba izay nanoratany indray ny torohevitr’i Josoa. Azon’ny mpianatra atao ny mizara zavatra toy ny hoe: “Atsaharo ny fanarahana ireo fitaomana hafa manodidina anao ireo ary safidio ny hanaraka ny Tompo! Azonao atao ny misafidy izay tianao, fa izaho kosa hanompo ny Tompo.”

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fanambarana fahamarinana mazava dia azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ity manaraka ity.

  • Ahoana no hamintinanao ny fampianaran’i Josoa ao amin’ny andininy 15?

    Mety hamintina ny andininy 15 ny mpianatra amin’ny fampiasana teny toy ny hoe azontsika atao ny mampiasa ny fahafahantsika misafidy mba hisafidianana hanompo ny Tompo.

    Rehefa mametraka ity fanontaniana manaraka ity ianao dia hevero ny hampahatsiahy ny mpianatra ny valinteny izay notanisainy teo amin’ny tabilao.

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika manompo ny Tompo ankehitriny?

  • Ahoana no ahafahan’ny zavatra fantatrao momba ny Tompo manampy anao hisafidy ny hanompo Azy?

Misafidy hanompo ny Tompo

Vakio ny Josoa 24:24–25, hitadiavana ny zavatra nosafidian’ny Isiraelita hatao.

Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray izay rehetra nianarany amin’ny safidiny manokana, dia hevero ny hangataka azy ireo hanoratra valinteny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto andiana fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tianao hotsaroana momba ny Tompo ka manampy anao hanompo Azy amin’ny fotoana mety hahasarotra izany? Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fahatsiarovana ny Tompo amin’ny fotoana toy izany manampy anao?

  • Inona no ho atombokao na ho ajanonao mba hisafidianana hanompo ny Tompo? Inona avy ireo fitahiana mety ho azonao amin’ny fanaovana izany?

Azonao ato ny mangataka mpianatra izay terem-panahy hizara izay nosoratany. Ampahatsiahivo azy ireo ny tsy tokony hizarany zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Tompo ary manazava ny antony nisafidiananao ny hitia sy hanompo Azy manoloana ireo zavatra hafa.

Vakio Josoa 24:26–27, ary jereo ao izay nataon’i Josoa hampantsiahivana ny Isiraelita tamin’ny safidiny hanompo ny Tompo.

Raha nitondra vato nankany an-dakilasy ny mpianatra dia afaka mamoaka izany izy ireo izao. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manao sarina vato lehibe. Ifanakalozy hevitra ny toerana nametrahan’i Josoa ilay vato lehibe (teo ambanin’ny hazo terebinta) sy ny antony nametrahany izany teo (mba hampahatsiahivana ny zanak’Isiraely ny fanekempihavanana nataon’izy ireo mba hanompo ny Tompo). Anontanio ny mpianatra ny toerana kasainy hametrahana ilay vato, ho fampatsiahivana ho azy momba ny drafiny hanompo ny Tompo. Asao izy ireo hametraka ilay vato amin’ny toerana manan-danja hitany matetika. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manoratra eo amin’ilay vato ka mampahatsiahy azy ireo ny Tompo na ny drafiny hanompo Azy, toy ny hoe, “Hanompo ny Tompo aho.”

Mety tianao ny hizara ireto teny nambara manaraka ireto amin’ny mpianatra. Mijoroa ho vavolombelona momba ny fiantraikany maharitra ateraky ny fisafidianana hanompo ny Tompo.

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fiantraikany maharitra ateraky ny fisafidianana ny hanompo ny Tompo:

Elder Dale G. Renlund takes an official portrait in 2021.

Mila misafidy isika hoe iza no hotompointsika. Ny haben’ny fahasambarantsika mandrakizay dia miankina amin’ny fisafidianana an’ilay Andriamanitra velona sy ny fiarahantsika Aminy hanao ny asany. …

Ny fisafidianana hanaraka ny drafitry ny Ray no hany fomba hahafahantsika ho tonga mpandova ao amin’ny fanjakany. (“Misafidiana ianareo anio,” Liahona, nôv. 2018, 106)

Manao tsianjery

Azonao atao ny manampy ireo mpianatra hitadidy ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina nandritra ity lesona ity, ary mamerina mijery izany mandritra ireo lesona hafa any aoriana any. Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Josoa 24:15 dia ny hoe “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo.” Ireo hevitra ho an’ny sahanasa fanaovana tsianjery dia ao amin’ireo fitaovana tovana etsy ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.”