“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4: Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2026)
“Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4: Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy,” Testamenta Taloha: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera
Josoa 1–8; 23–24: Lesona 64
Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana 4
Fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fifehezana fotopampianarana dia afaka manampy ireo mpianatra hanamafy orina ny fiainan’izy ireo ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hampihatra ireo fahamarinana hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy handalina ary hampihatra ireo fitsipika masina mba hahazoana fahalalana ara-panahy.
Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisafidy iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nohalalininy tamin’ity taona ity. Asao izy ireo hieritreritra toe-javatra tena misy izay mety ahitana zatovo iray mahazo tombon-tsoa avy amin’ny fampiharana ireo fampianarana ao amin’io andinin-tsoratra masina io. Hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina.
Sahanasa fianarana azo atao
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana: Ampiharo
Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia hevero ny hitondra na haneho sarin-javatra mety ho fantatry ny ankamaroan’ny tanora saingy tsy hainy ny mampiasa azy. Misy ohatra vitsivitsy azo ampiasaina ireto ambany ireto. Anontanio ny mpianatra ny anaran’ny zavatra tsirairay ary anontanio raha hainy ny mampiasa izany.
-
Inona no maha zava-dehibe ny mahafantatra ilay zavatra no sady mahay mampiasa izany ihany koa?
-
Ahoana ny fomba hiharan’io fitsipika io amin’ny fandalinantsika andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?
Hanao fanazaran-tena amin’ny fampiasana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-java-misy eo amin’ny fiainana ianao anio. Katsaho ny fitaoman’ny Fanahy Masina hanampy anao handalina ireo andalan-tsoratra masina sy fitsipika ireo ary hampihatra izany eo amin’ny fiainanao.
Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao lisitra ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay nianarany nandritra ity taona ity. Raha ilaina dia jereo ny Tahiri-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).
Arindrao ho vondrona kely maromaro ny mpianatra ary omeo taratasy ny vondrona tsirairay. Omeo andraikitra na asao ny vondrona hisafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Angataho izy ireo hamorona rafi-tantara (na toe-javatra) izay ahazoan’ny olona iray tombontsoa avy amin’ny fampiharana ny fotopampianarana ao amin’io andalana io. Ny mpianatra misafidy ny Josoa 24:15 ohatra dia afaka manoratra izao rafi-tantara manaraka izao: “Azon’ny fankam-panahy hanao izay nataon’ny olona rehetra tany amin’ny fety iray ny zatovovavy iray kanefa fantany fa tsy ankasitrahan’ny Tompo izany.” Amporisiho ny mpianatra tsy hanoratra ilay andinin-tsoratra masina eo amin’ilay taratasy fa hivonona ny hizara izany rehefa kelikely.
Angony ireo taratasy. Azonao vakina amin’ny iray kilasy ireo rafi-tantara na zarao amin’ireo vondrona samy hafa.
Entano ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mety hanampy ilay olona ao amin’io rafi-tantara io. Ampio izy ireo hahatakatra fa mety hisy andalan-tsoratra masina mihoatra ny iray manan-danja ho an’ny rafi-tantara tsirairay. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mifanakalo hevitra momba ny fomba hampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’ilay andalan-tsoratra masina ka mety hanampy ilay olona hanamafy orina ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Raha ilaina dia azon’ilay vondrona nanoratra ilay rafi-tantara atao ny mizara ilay andinin-tsoratra masina tany am-boalohany izay nosafidiany ary manazava ny fomba mety hanampian’izany amin’ilay rafi-tantara nosafidiana.
Manomàna 20–30 minitra hanaovana ilay sahanasa “Mandalina sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy” etsy ambany.
Ireo hevitra fanampiny hanampiana ny mpianatra hampihatra ny andalantsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia hita ao amin’ny fitaovana tovana ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotompampianarana.”
Mandalina sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra mifandraika amin’izany ny sisa tavela amin’ny lesona. Mety ho tianao aloha ny mamerina mijery ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Ireo sahanasa famerenana naroso dia tafiditra ao amin’ny fitaovana tovana eo ambanin’ny “Sahanasa famerenana fifehezana fotopampianarana.” Ny famariparitana ireo fitsipika dia hita ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Saintsaino ny zavatra ilain’ny mpianatra ary katsaho ny fanampian’ny Tompo hisafidianana na hampifanarahana izany amin’ny iray amin’ireto rafi-tantara ireto na koa mamorona iray vaovao.
Samy tsy feno ireo rafi-tantara ireo. Ampio ny mpianatra hameno ny banga amin’ilay rafi-tantara nosafidiana amin’ny fomba tokony ho izy sy mahomby.
-
Ny tovolahy iray antsoina hoe [anaran’ilay tovolahy] dia mahatsapa ho iharan’ny- tsindry avy amin’i [anaran’olona na vondrona] handika ny didin’ny Tompo mba [didy iray izay mety hahatsapan’ny tanora iray fa alaim-panahy izy ny handika azy]. Matetika izy no milaza fa tsy dia olana ny mandika izany didy izany satria [antony iray mahatonga ny olona hihevitra fa tsy olana ny mandika io didy io]. Mahatsiaro ho mikorotan-tsaina i [anaran’ilay tovolahy] ary tsy fantany izay tokony hatao.
-
Mientanentana ny tovovavy iray antsoina hoe [anaran’ilay tovovavy] ny amin’ny fotoana hahafeno taona azy ka hialany ao amin’ny tranon’ireo ray aman-dreniny ary hipetra-drery. Raha mbola mipetraka ao amin’ny ray aman-dreniny izy dia tsy maintsy mankatò ny didy hoe: [didy iray tsy tian’ny tanora ny mitandrina azy]. Te ho olona tsara izy kanefa tsy fantany raha ho vitany ny hanohy hanaraka izany didy izany rehefa miala ao amin’ny ray aman-dreniny. Ny mahatonga izany dia [antony mahatonga ny olona iray tsy te hitandrina izany didy izany].
Hampihatra ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy izao ny mpianatra hoentina manampy io olona ao amin’io rafi-tantara nosafidiana io. Afaka miara-miasa tsiroaroa na ao anaty vondrona kely ny mpianatra.
Asehoy ireo fitsipika telon hahazoana fahalalana ara-panahy:
-
Manao asa amim-pinoana.
-
Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.
-
Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.
Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
-
Inona amin’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy no hitanao manampy indrindra io olona ao amin’ny rafi-tantara io? Nahoana?
-
Iza amin’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na andalan-tsoratra masina hafa no hitanao fa afaka hanampy io olona ao amin’ny rafi-tantara io? Nahoana?
Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra nifanakalozany hevitra.
Asehoy ilay sary tany ampiandohan’ny lesona. Alamino hiaraka tsiroaroa ny mpianatra hamita ity sahanasa manaraka ity.
Eritrereto hoe misafidy ny tsy hiraharaha ny fotopampianaran’ny Mpamonjy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara. Farito izay mety hitranga amin’izy ireo. Avy eo dia farito izay mety hitranga raha misafidy ny hanao dingana mifanaraka amin’ny fotopampianarana sy ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy izy.
Rehefa avy nomena fotoana ampy hifanakalozan-kevitra mikasika ny rafi-tantara ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny heviny amin’ny iray kilasy. Rehefa mizara ny mpianatra dia hevero ny hametraka fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana tahaka ireto manaraka ireto hitarian-dalana ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy ho manan-danja:
-
Inona ihany koa no azonao hanampiana ny zavatra nozarain’ny mpiara-mianatra aminao?
-
Amin’ny fomba ahoana ihany koa no ahafahan’ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy manampy ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara mba hisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy?
-
Inona ny zavatra fantatrao momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy ka mety ho manan-danja amin’ilay olona ao amin’ilay rafi-tantara ny mahatsiaro azy?
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nanampian’ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy azy ireo tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny manokana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra na hizara ny heviny.